Anjely Gabriela

I Gabriela na Gabriely dia anjely manana ny maha izy azy ao amin’ny fivavahana sy ny lovantsofina jiosy sy kristiana ary silamo.

Iray amin’ireo anjely lehibe na arikanjely sahala amin’i Mikaela sy i Rafaela ary i Oriela izy. I Gabriela dia anjely mpampita hafatra izay milaza ny sitrapon’ Andriamanitra amin’ ny olombelona.

Anjely Gabriela
Ny Anjely Gabriela, nataon'i José Camarón y Bononat, tapany faran'ny taonjato faha-18.

Fiforonan-teny

Ny anarana hoe Gabriela na Gabriely dia avy amin’ ny teny hebreo hoe גַּבְרִיאֵל / Ġabrīēl, izay midika hoe “herin’ Andriamanitra” na koa “Andriamanitra no heriko” na “olo-maherin’ Andriamanitra”. Fitambaran’ ny teny hebreo hoe gabar (“hery”) sy El (“Andriamanitra”) izy io.

Ny anjely Gabriela ao amin' ny jodaisma

Ao amin' ny Tanakh na Testamenta Taloha

Voaresaka ao amin’ ny Baiboly hebtreo (na Tanakh) ao amin’ ny Bokin’ i Daniela ny anjely Gabriela. Izy no tanana ankavanan’ Andriamanitra. Miseho amin’ ny endrik’ olo-matanjaka izy ao amin’ ny fahitana voaresaka ao amin’ io boky io (Dan. 8.15-17):

"15 Ary nony nahita ny fahitana izaho Daniela ka nitady hahafantatra izany, dia, indro, nisy nanana tarehy tahaka ny olona nitsangana teo anatrehako.16 Ary nandre feon'olona tao afovoan'i Olay aho, izay niantso ka nanao hoe: Ry Gabriela, ampahalalao ny fahitana ity lehilahy ity.17 Ary dia nankeo amin'ilay nitsanganako izy; ary nony tonga izy, dia raiki-tahotra aho ka nikarapoka nihohoka; nefa hoy izy tamiko: Aoka ho fantatrao, ry zanak'olona, fa io fahitana io dia milaza ny farany." (Dan. 8.15-17 -- Ny Baiboly)

I Gabriela dia nampahalala ny hevitry ny fahitana ny amin’ ny ondrilahy sy ny osilahy izay naseho an’ i Daniela (Dan. 8.19-25):

"19 Dia hoy izy: Indro, hampahafantariko anao izay ho tonga amin'ny fahatezerana farany; fa ho amin'ny fotoana any am-parany izany. 20 Ilay ondrilahy hitanao nanana tandroka roa dia ny mpanjakan'i Media sy Persia. 21 Ary ny osilahy lava volo dia ny mpanjakan'i Grisia; ary ny tandroka lehibe teo anelanelan'ny masony dia ny mpanjaka voalohany. 22 Ary ny amin'ilay efa tapaka, ka nisy efatra nitsangana nandimby azy, dia hisy fanjakana efatra hitsangana avy amin'ny jentilisa, nefa tsy mitovy hery aminy. 23 Ary ny hiafaran'ny fanjakany, rehefa tanteraky ny mpanota ny asany, dia hisy mpanjaka hitsangana, izay masia-tarehy sy mahafantatra zavatra saro-pantarina. 24 Ary ho be ny heriny, nefa tsy amin'ny herin'ny tenany; ary mahagaga ny fanimbana hataony; ary hambinina izy ka hahefa ary hanimba ny mahery sy ny olo-masina. 25 Ary ny fahafetseny koa no hahatanteraka ny fitaka eny an-tanany; ary izy hiavonavona am-po ka handringana ny maro amin'izay tsy ampoiziny; ary hitsangana hanohitra ny Andrianan'ny andriana izy, kanjo ho torotoro kosa, nefa tsy hisy tanana hamely azy tsinona." (Dan. 8.19-25 -- Ny Baiboly)

Nanambara ny faminaniana ny amin’ ireo herinandro fitopolo izay haharetan’ ny fahababoana avy tao Jerosalema koa izy (Dan. 9.21-26):

"21 eny, raha mbola niteny nivavaka aho, dia, indro, ilay lehilahy Gabriela izay hitako tamin'ny fahitana voalohany, dia nampanidinina faingana ka nanatona ahy tokony ho tamin'ny fotoan'ny fanatitra hariva. 22 Ary izy nampahalala ahy sy niresaka tamiko ka nanao hoe: Ry Daniela ô, avy hampahazava saina anao aho. 23 Tamin'ny niantombohan'ny fivavakao dia nisy teny nivoaka, ka dia tonga hanambara aminao aho, satria malala indrindra ianao; koa diniho ny teny, ary aoka ho fantatrao ny fahitana. 24 Fito-polo herinandro no voatendry ho an'ny firenenao sy ny tanànanao masina, hahatapaka ny fahadisoana sy hanampina ny fahotana, ary hanao fanavotana noho ny heloka sy hampiditra fahamarinana mandrakizay, ary hanisy tombo-kase ny fahitana sy ny faminaniana sy hanosotra izay masina indrindra. 25 Koa aoka ho fantatrao sy ho azonao fa hatramin'ny hivoahan'ny didy hanavaozana sy hanamboarana an'i Jerosalema ka hatramin'i Mesia Andriana dia ho fito herinandro sy roa amby enim-polo herinandro; hamboarina indray ny lalana sy ny hady, dia amin'izay andro mampahory. 26 Ary rehefa afaka ny roa amby enim-polo herinandro, dia hovonoina ny Mesia ka tsy hanana; ary ny vahoaky ny mpanjaka izay ho avy dia handrava ny tanana sy ny fitoerana masina; ary ny farany dia hisy safotra, ary hatramin'ny farany dia hisy ady sy fandravana voatendry." (Dan. 9.21-26 -- Ny Baiboly)

Ny anjely Gabriela ao amin' ny kristianisma

Ao amin' ny Testamenta Vaovao

Anjely Gabriela 
Niseho tamin'i Zakaria ny anjely Gabriela, nataon'i Frankreich, taonjato faha-15.

Ao amin’ ny Testamenta Vaovao, i Gabriela no nanambara tamin’ i Zakaria ny hahaterahan’ i Joany mpanao batisa (Lio. 1.11-20):

"11 Ary nisy anjelin'ny Tompo niseho taminy teo an-kavanan'ny alitara fandoroana ny ditin-kazo manitra. 12 Ary nony nahita azy Zakaria, dia taitra loatra izy ka raiki-tahotra. 13 Fa hoy ilay anjely taminy: Aza matahotra, ry Zakaria; fa efa nohenoina ny fangatahanao, ka Elizabeta vadinao dia hiteraka zazalahy aminao, ary Jaona no hataonao anarany. 14 Ary ho faly sy ho ravoravo ianao; ary maro no hifaly amin'ny hahaterahany. 15 Fa ho lehibe eo anatrehan'ny Tompo izy ary tsy hisotro divay na toaka sady hofenoina ny Fanahy Masina hatrany an-kibon-dreniny aza. 16 Ary maro amin'ny Zanak'isiraely no hampodiny amin'i Jehovah Andriamaniny. 17 Ary izy handeha eo alohany amin'ny fanahy sy ny herin'i Elia mba hampody ny fon'ny ray ho amin'ny zanaka, ary ny tsy manoa ho amin'ny fahendren'ny marina, hamboatra firenena voaomana ho an'ny Tempo (Mal. 3. 23, 24). 18 Ary hoy Zakaria tamin'ilay anjely: Inona no hahafantarako izany? fa izaho efa antitra, ary efa antitra koa ny vadiko. 19 Ary ilay anjely namaly ka nanao taminy hoe: Izaho no Gabriela, izay mitsangana eo anatrehan'Andriamanitra; ary nirahina hiteny aminao aho ka hilaza aminao izany teny mahafaly izany. 20 Koa, indro, ho moana ianao ka tsy hahay miteny ambara-pahatongan'ny andro hisehoan'izany zavatra izany, ho valin'ny tsy ninoanao ny teniko, izay ho tanteraka amin'ny fotoany." (Lio. 1.11-20 -- Ny Baiboly)

Nanambara tamin’ i Maria ny hiterahany an’ i Jesoa koa ny anjely Gabriela (Lio. 1.26-33):

"26 Ary tamin'ny fahenim-bolana dia nirahin'Andriamanitra ny anjely Gabriela ho any an-tanàna anankiray any Galilia atao hoe Nazareta, 27 ho any amin'ny virijina anankiray, izay voafofo ho vadin'ny lehilahy atao hoe Josefa, avy tamin'ny taranak'i Davida; ary ny anaran'ny virijina dia Maria. 28 Ary nony niditra tao aminy ilay anjely, dia nanao hoe: Arahaba, ry ilay nohasoavina, ny Tompo momba anao. 29 Ary taitra loatra izy noho ny teniny ka nieritreritra izay tokony ho hevitr'izany fiarahabana izany. 30 Ary hoy ilay anjely taminy: Aza matahotra, ry Maria, fa efa nahita fitia tamin'Andriamanitra ianao. 31 Ary, indro, hitoe-jaza ianao ka hiteraka zazalahy, ary ny anarany dia hataonao hoe Jesosy. 32 Izy ho lehibe ka hatao hoe Zanaky ny Avo Indrindra; ary Jehovah Andriamanitra hanome Azy ny seza fiandrianan'i Davida rainy; 33 ary hanjaka amin'ny taranak'i Jakoba mandrakizay Izy; ary ny fanjakany tsy hanam-pahataperana." (Lio. 1.26-33 -- Ny Baiboly)

Araka ireo OIomasin' ny Andro Farany

Ny teôlôjian' ireo Olomasin' ny Andro Farany, i Gabriela dia olombelona nety maty taloha, dia tsy iza fa i Noa, ilay nanamboatra sambofiara talohan' ny hahatongavan' ny safodrano lehibe teto an-tany. Noa no anaran' i Gabriela raha mbola nety maty ary Gabriela kosa no anaran' i Noa any an-danitra. I Noa sy i Gabriela dia iray ihany fa tsy samy hafa.

Ny anjely Gabriela ao amin' ny fivavahana silamo

Ao amin' ny Kor'any

Anjely Gabriela 
Mahazo fanambarana avy amin'ny anjely Jibrily ny mpaminany Mohamady, nalaina tao amin'ny boky hoe Jami' al-Tawarikh, nosoratan'i Rashid al-Din, navoaka tamin'ny 1307.

Ao amin’ ny Kor'any (2.91) dia i Gabriela (na i Jibrily) no ilay fanahy izay nanambara tamin’ ny mpaminany Mohamady ny Soratra Masina. Ao amin’ ny finoana silamo, Andriamanitra dia mifandray amin’ ireo mpaminaniny amin’ ny alalan’ ny anjely (Kor'any 42.51).

I Gabriela dia fantatra amin’ ny anarana arabo hoe جبرائيل / Jibrāʾīl na جبريل / Jibrīl. Izy no nanambara tamin’ i Mohamady ireo andinin-tsoratra masina ao amin’ ny Kor'any tao amin’ ny lavabaton’ i Hirà. Ao amin’ io boky masina io, i Jibrily dia voaresaka ao amin’ ny 2.91-92 sy 66.4. koa. Tahaka ireo anjely hafa izy, ka sady tsy lahy no tsy vavy sady noforonina avy tamin’ ny hazavana, tsy tahaka ny jiny (jinn) izay noforonina avy tamin’ ny afo na ny olona avy tamin’ ny tany.

Jereo koa:

Tsiahy:

Tags:

Anjely Gabriela Fiforonan-tenyAnjely Gabriela Ny anjely Gabriela ao amin ny jodaismaAnjely Gabriela Ny anjely Gabriela ao amin ny kristianismaAnjely Gabriela Ny anjely Gabriela ao amin ny fivavahana silamoAnjely Gabriela Jereo koa:Anjely Gabriela Tsiahy:Anjely GabrielaAnjelyArikanjelyJodaismaKristianismaMikaela (arikanjely)Rafaela (arikanjely)Silamo

🔥 Trending searches on Wiki Malagasy:

TsiefaBaolina kitraNGC 3077Tetiandro manara-masoandroOmby volavitaMalagasy (vahoaka)SodànaMagic JohnsonKabary am-panambadianaAndriamanitra ZanakaRavalomanana MarcHypertext Markup LanguageAfrikana-AmerikanaMpampiankinaTorkiaFrederick BrooksRosiaFiangonana Protestanta Vaovao eto MadagasikaraDavida (mpanjaka)Betsiboka (renirano)TaquaraWordPressAllahTestamenta TalohaSalamo faha-82HITA (orinasa)IsmaelaRasoherinaAngleteraFoko eto MadagasikaraArjentinaFaritany eto MadagasikaraFiteny betsileoAnjara (finoana)Raki-pahalalanaToriteny teo an-tendrombohitraFanekem-pinoana apôstôlikaDavid CameronFisoronana sy fanalana vintanaEsther RandriamamonjyTendrombohitra GarizimaVolanaFiangonan' i AngleteraHermann LeyCarl Friedrich GaussWout HolverdaChéronvilliersTantaran' i MadagasikaraDiônisôsyOlombelonaBetsimisarakaLambamenaLarry BirdTovo J'HayFiraisana ara-nofoEvekaKalandrie litorjika katôlika rômaninaFiangonan' i Jesoa Kristy eto MadagasikaraAndriamasinavalonaNicolas CopernicStephen CurryKolikolyJulius ErvingAlakaosyFiteny japôneyBaiboly prôtestantaMazdeismaVarotraTontolo AraboFahaterahana🡆 More