Joany Mpanao Batisa

I Joany Mpanao Batisa na Joany Baptista na Jaona Mpanao Batisa dia olo-malaza eo amin' ny kristianisma ary mpaminanin' ny finoana silamo.

Joany Mpanao Batisa
Joany Mpanao Batisa
Ankapobeny
Anarana Joany Mpanao Batisa
Teraka Tsy fantatra
Fiaviana sy ny andraikitra
Asa : Tsy fantatra
Fiainana manokana

Amin' ny teny hebreo dia atao hoe יוחנן / Yohanan izy. Ara-tantara, ny fisiany dia hamarinin' ny andalan-teny avy amin' i Flavio ​​​​Jôsefa. Mpitory teny jiosy izy tamin’ ny andron’ i Jesoa.

Ny Filazantsaran' i Joany dia manondro ny toerana niasany eo amoron' i Jordana sy ao Betania any an-dafin' i Jordana. Mety nitoetra fotoana kelikely tao amin' ny manodidina azy i Jesoa, ka tao no nitaona ny apôstôliny voalohany. Ny filazantsara sinôptika dia mampiray ny fiandohan' ny asan' i Jesoa amin' ny fampigadrana an' i Jaona.

Nitombo hatrany ny mpihaino an’ io mpaminany apôkaliptika io, ka nanaitra an' i Herôda Antipasy, izay natahotra sao hiteraka fikomiana, rehefa nahita azy nanangona ny mpomba azy. Araka ny filazantsara sinôptika dia novonoina ho faty i Joany satria nanakiana ny fanambadian' i Antipasy an' i Herôdiasy.

Ao amin’ ny kristianisma, i Joany Batista no mpaminany nanambara mialoha ny fiavian' i Jesoa sy nanao batisa azy teo amoron’ i Jordana, ary namela ny mpianany sasany hiaraka aminy. Mpialoha lalana ny Mesia i Joany izay aseho ao amin' ny filazantsara sinôptika fa manana toetra maro itoviany amin' i Elia mpaminany, izay tsy voalaza ao amin' ny Filazantsara araka an' i Joany.

Ny Katôlika dia manao azy ho olomasina ary manokana fety roa ho azy: ny 24 Jona, izay fahatsiarovana ny nahaterahany, napetraka enim-bolana alohan' ny Nôely na Krismasy mba hifanaraka amin' ny tantaran' ny fahazazan' i Jesoa ao amin' ny Evanjely nosoratan' i Lioka, ary ny 29 Aogositra, izay ankalazana ny fahatsiarovana ny fanapahan-doha azy.

Ny mandeisma dia manao azy ho mpaminany lehibe indrindra. Ny Mozilmana dia manao azy ho mpaminany taranak' i 'Imrān.

Ny fiainany manokana

I Zakaria no rainy.

Jereo koa

Rohy ivelany

  • Ao amin'i Freebase: [1]
Joany Mpanao Batisa 
Mbola ambangovangony ity lahatsoratra ity ary tokony hofenoina.

Azonao atao ny mandray anjara eto amin'ny Wikipedia amin'ny alàlan'ny fanitarana azy.
Jereo koa ny pejy Ahoana ny manao takelaka rehefa te-hijery hoe ahoana no fanaovana azy.

Tags:

Fiteny hebreoFlavio JôsefaJesoaKristianisma

🔥 Trending searches on Wiki Malagasy:

SerafimaApôkrifan' ny BaibolyParisy2020TelemundoHenaDokuWiki891Martin LoteraRaki-pahalalanaTanzaniaSkotisma Zazavavy eto MadagasikaraAlbert EinsteinInterlingue1988VezoForyBalam-basyFaritanin' AntananarivoPôrtogalyAbu Dawud al-SijistaniHasinaBiôgrafiaAkanga1939Fiteny rosianaMozillaMaha virjiny mandrakizay an' i Maria793Federico PiglioneEpistily ho an' ny EfesianaFanambadianaTiffany MynxTabernakelyFaritra AnalamangaFanjakan'i BaroaZavamaniry manafika1943JentilisaBibySihanakaFiteny skôtsyGaza (faritany)AzôtaHypertext Markup LanguageSoratra MasinaAlaskaEtazoniaNy Avana RamanantoaninaBodismaSarindokotraBaiboly samaritanaFilazantsara araka an' i MatioFiraisana ara-nofoAlahasatyFiendrika sy fitodikaZon' olombelonaAhidamboGondolaFilôzôfiaMangahazoTranonkalaWiki FoundationTajikistànaPakistànaFanafoanana ny fanjanahantanyBôtsoanaSorabeWayback Machine🡆 More