Arkanjely Mikaela

I Mikaela na Misely dia isan' ireo anjely lehibe na arkanjely, toa an' i Gabriela sy i Rafaela, izay resahina ao amin' ny fivavahana jiosy sy kristiana ary silamo.

Arkanjely Mikaela
I Mikaela manjera an' i Satana, sary nataon' i Guido Reni, taona 1536

Fiforonan-teny

Ny anarana hoe Mikaela dia avy amin’ ny teny hebreo hoe מיכאל / Mîkhâ'êl izay midika hoe "iza no sahala amin' Andriamanitra". Ny hoe Misely, izay anoratana sy anononana io anarana io ao amin' ny Baiboly katôlika amin' ny teny malagasy, dia io anarana hebreo io ihany fa noraisina avy amin' ny fanononana frantsay (Michel). Ny hoe Mikaela kosa dia nalain' ny Prôtestanta tamin' ny fanononana anglisy.

Ao amin' ny finoana jiosy

Araka ny boky kanônika

Resahina matetika ao amin' ny Testamenta Taloha ny anjely Mikaela. Izy no miseho rehefa miresaka amin' ny olombelona Andriamanitra sady alefany ho iraka mitondra hafatra.

I Mikaela no lohan' ny anjely araka ny Bokin' i Daniela sady anjely mpiambina an' i Israely (Dan. 10.13-21). Andriamanitra sy i Gabriela dia manambara amin' i Daniela (Dan. 12.1) fahitana ny amin' ny andro farany izay ahitana ny anjely Mikaela mitsangana mba hanangana ny maty sasany ho amin' ny fiainana (paradisa) ary ny hafa ho amin' ny fahafatesana amin' ny fotoana tsy voafetra.

Araka ny lovantsofina sy ny fivoasana sasany

Ireo Eseniana dia mihevitra an' i Mikaela ho mpisoron-dehibe any an-danitra. Ao amin' ny Talmud, ny fifandraisany amin' ny anjely any an-danitra dia mitovy amin' ny fifandraisan' ny mpisoron-dehibe amin' i Israely eto an-tany.

Araka ny lovantsofina jiosy, i Mikaela dia mpiahy an' i Israely, sady indraindray miady amin' ny anjely Samaela (Devoly na Satana), ilay mpiampanga an' i Israely. Ny maha mpifahavalo an' i Mikaela sy i Samaela dia efa hatramin' ny nanjerana an' i Samaela avy any an-danitra. Notanan' i Samaela ny elatr' i Mikaela mba hisintomany azy hiaraka aminy ho latsaka any ambany nefa novonjen' Andriamanitra i Mikaela. Hoy i Mikaela tamin' i Satana rehefa niady ny fatin' i Mosesy hoe: "Ho tsinin' Andriamanitra anie ianao".

Io finoana an' i Mikaela ho mpiaro ny Jiosy io dia nanjary zava-dehibe ka na dia tsy nankasitrahin' ny raby ny fanaovana ny anjely ho mpanelanelana an' Andriamanitra sy ny olony, dia lasa nanana anjara toerana manokana teo amin' ny fanompoam-pivavahana jiosy i Mikaela.

Ao amin' ny fivavahana kristiana

Ao amin' ny boky kanônika

Arkanjely Mikaela 
I Masindahy Mikaela Lehibe, sary nataon' i Raffaello Sanzio, taona 1518

Ao amin' ny Asan' ny Apôstôly i Mikaela dia heverina ho ilay mpanao lalàna niresaka amin' i Mosesy tao amin' ny tendrombohitra Sinay (Asa 7.38) . Ao amin' ny Epistilin' i Joda (Joda 1.9) dia voalaza fa miady amin' ny Devoly i Mikaela mba hahazo ny fatin' i Mosesy.

Araka an' i Paoly, ao amin' ny Epistily ho an' ny Tesalôniana (1Tes. 4.16) dia misy anjely tsy voatonona anarana nanambara fa i Jesoa dia hidina avy any an-danitra rehefa maneno ny feon' ilay arkanjely. Misy mihevitra fa i Mikaela izany arkanjely izany.

Ao amin' ny fahitàn' i Joany ao amin' ny Apôkalipsy (Apô. 12.7-9), i Mikaela sy ny anjeliny dia nanjera an' ilay Dragona (dia i Satana izany) sady nanala azy miaraka amin' ny anjely ratsiny avy ao an-danitra.

Araka ny lovantsofina na ny fivoasana isan' antokom-pinoana

Araka ny fiangonana katôlika rômana

Arkanjely Mikaela 
Ny arkanjely Mikaela manafaka ny fanahin' ny maty avy ao amin' ny Afo fandiovana, sary nataon' i Jacopo Vignali, taonjato faha-17.

I Masindahy Misely dia manana anjara asa efatra:

  • Izy no mpitarika ny tafik' Andriamanitra izay mandresy ny herin' ny Afobe sady anjely môdely amin' ny ady ara-panahy.
  • I Md Misely no ilay anjelin' ny fahafatesana izay mitondra ny fanahin' ny maty mankany an-danitra.
  • Mandanja amin' ny mizàna ny fanahin' ny olombelona koa i Md Misely amin' ny fitsarana farany.
  • Izy no mpiaro manokana ny Vahoaka Voafidy tao amin' ny Testamenta Taloha fa mpiaro ny Eglizy kosa izy amin' izao no mpiaro tanàna maro sady mpiaro ny tafika tamin' ny Andro Antenatenany. Misy noho izany ny vavaka atao hangatahana ny fiarovan' i Md Misely sy ny sapole amin' ny anarany.

Araka ny fiangonana ôrtôdôksa

Mangataka amin' i Mikaela sy amin' i Gabriela ny Ôrtôdôksa mba hahazo fiarovana aminy. Tanàna maro any Atsinanana no manana an' i Mikaela ho mpiaro manokana. Maro ny hiram-pivavahana andrenesana ny anaran' i Mikaela sy ny sarivongana maneho azy. Mpanelanelana masina koa i Mikaela ka mitondra ny vavaky ny mpino eo anatrehan' Andriamanitra.

Araka ny fiangonana prôtestanta

Araka an' i John A. Lees, izay mampahatsiahy ny voalazan' i Hengstenberg, ao amin' ny International Standard Bible Encyclopedia dia izao: "Ny manam-pahaizana prôtestanta tany amboalohandohany tany dia matetika manao an' i Mikaela ho i Kristy talohan' ny nahatongavany ho nofo, ka manohana ny heviny, tsy amin' ny fampifanilana ny "zaza" sy ny arkanjely ao amin' ny Apôkalipsy 12.1-17, fa kosa ao amin' ny toetra mampiavaka azy araka an' i Daniela". I Charles Haddon Spurgeon dia nanambara fa i Jesoa dia i Mikaela, "ilay Arkanjely tokana", ary koa fa izy no Zanak' Andriamanitra. Ny arkanjely amin' i Spurgeon dia lohan' ny anjely fa tsy anjely lehibe ka saika mitovy amin' ny hoe Mpitarika ny marobe na Komandin' ny marobe (Dan. 18.11).

Ao amin' ny Fiangonana Anglikana, ilay pretra Robert Clayton (maty tamin' ny taona 1758) dia nilaza fa i Mikaela dia tsy inona fa ny Teny ary i Gabriela dia ny Fanahy Masina. Niteraka fiampangana sy fanenjehan' ny fanjakana azy izany fiheverany izany. Ny Adventista sy ny Vavolombelon' i Jehovah amin' izao no mbola mitazona izany fiheverana an' i Mikaela ho i Jesoa izany.

Ny Prôtestanta ankehitriny dia tsy manaiky ny fisian' ny olo-masina na zavaboary hafa mpanelanelana ny mpino amin' Andriamanitra sady tsy manao an' i Mikaela ho i Jesoa Kristy. Roa ihany ny arkanjely eken' ny Prôtestanta, dia i Mikaela sy i Gabriela. Na i Gabriela aza, izay tsy voalaza fa arkanjely ao amin' ny Baiboly, dia heverina fa anjely tsotra ihany.

Araka ny Adventista Mitandrina ny Andro Fahafito

Ny Adventista Mitandrina ny Andro Fahafito, izay nandova ny fiheveran' ny Prôtestanta tany aloha, dia mino fa i Mikaela dia anarana hafa ho an' ilay Zanaka mandrakizain' ny Ray, dia ilay Kristin' ny lanitra, sady anarana hafan' ny Tenin' Andriamanitra (Joany 1) alohan' ny nahatongavany ho nofo ao amin' i Jesoa. Ny hoe "Arkanjely" (izay midika hoe "Lohan' ny anjely", "mpitondra teny ambony") dia ny toeran’ ny maha mpitarika ny Tenin' Andriamanitra, sady fisiana tsy noforonina no tsy anjely noforonina, sady ilay nahariana ny zava-drehetra. Ny anarana hoe Mikaela dia mambara ny hoe "ilay iray izay Andriamanitra" araka ny fahazoan' ny Adventista ny ao amin' ny Apôkalipsy (Apô. 12.7-9) hoe "iza no mitovy amin' Andriamanitra". I Mikaela no nitarika ny tafika ka naharava an' i Jerikô, araka ny fivoasany ny ao amin' ny Bokin' i Jôsoa (Jôs. 5.14). I Paoly sy i Joany dia heveriny fa manana izany hevitra izany (1Tes. 4.13-18; Joa. 5.25-29). Na dia izany aza dia mino ny maha-Andriamanitra an' i Jesoa (na i Mikaela) ny Adventista Mitandrina ny Andro Fahafito.

Araka ny Vavolombelon' i Jehovah.

Ny Vavolombelon' i Jehovah dia manao ny hoe Mikaela ho anarana hafan' i Jesoa Kristy any an-danitra, tamin' ny fisiany talohan' ny nahaterahany sy taorian' ny nitsanganany ho velona. Milaza izy ireo fa ny mpanoritra ao amin' ny Epistilin' i Joda (Joda 9) izay manondro an' i "Mikaela ilay arkanjely", dia manao an' i Mikaela ho ilay arkanjely tokana. Mihevitra koa izy ireo fa ny hoe Mikaela dia mitovy hevitra amin' ny hoe Kristy, izay voaresaka ao amin' ny Tesalôniana (1Tes. 4.16).. Marihina fa tsy mitovy tanteraka ny dikan-teny ao amin' ny Baibolin' ny Vavolombelon' i Jehovah sy ny dikan-teny ao amin' ny Baiboly hafa. Mino ny Vavolombelon' i Jehovah fa ny anjara asa ambony indrindra sahanin' i Mikaela ao amin' ny Bokin' i Daniela (Dan. 12.1) sy ao amin' ny Apôkalipsy (Apôk. 12. 7; 14.15) dia mitovy amin' ny anjara asan' i Jesoa.

Araka ny Olomasin' ny Andro Farany

Ny Olomasin' ny Andro Farany (izay atao hoe Môrmôna) dia mino fa i Mikaela dia tsy iza fa i Adama, ilay Fahagola ao amin' ny Bokin' i Daniela (Dan.7.9), dia andriandahy, sady Rain' ny fianakaviamben' ny olombelona. Ary koa, mihevitra izy ireo fa i Mikaela dia manampy an' i Jehovah (ilay endrik' i Jesoa Kristy any an-danitra) teo amin' ny famoronana izao tontolo izao teo ambany fitarihan' Andriamanitra Ray sady nanjera an' i Satana avy any an-danitra.

Ao amin' ny fivavahana silamo

Araka ny Kor'any

Arkanjely Mikaela 
Ny Arkanjely Mikaila, taona 1717

Ny anjely Mikaela (Mika’îl na Mikâla) dia hita indray mandeha ao amin' ny Kor'any (2.98) izay maneho azy eo anatrehan' ny anjely Gabriela (Jibril na Jibrail) izay miara-mandanja aminy ny asa vitan' ny olombelona. “Na iza na iza fahavalon’ Andriamanitra sy ireo anjeliny sy ireo irany sy i Jibrily ary i Mikhaily! Dia Andriamanitra tenany no ho fahavalon’ ny tsy mino.” (Kor'any 2.98) Misy koa ny mpino silamo izay mihevitra fa ilay nitsidika an' i Ibrahima (na Abrahama) voalaza ao amin' ny Kor'àny 11. 69 dia tsy iza fa ny anjely Mikaily.

Araka ny lovantsofina taty aoriana

Araka ny lovantsofina silamo taty aoriana, i Mikaela no miandraikitra ny asa famelombelomana ao amin' ny olona ny fahatsiarovana ny tantara efa lasa. Anjely tian' Andriamanitra izy nefa ireo ny enti-milaza ny toetrany sy ny asany manokana araka ny lovatsofina dia tsy tena mazava tsara. I Al-Qazwini dia milaza fa mizara hatsaram-panahy sy mitarika ny fitomboan' ireo zavaboary ho amin' ny fahatanterahana io anjely io. Ao amin' ny lovantsofina miozolmana sasany, i Mikaela dia mifehy ny ranon' orana sy ny rivotra sady manome ny zavaboary manan' aina, – indrindra fa ny olombelona, na ny mino na ny tsy mino – fahombiazana, sakafo na fahalalana. Ho an' ny sasany kosa, lehiben' ireo anjely ao amin' ny Lanitra faha-6 sady iray amin' ireo mpitondra ny sezafiandrianan' Andriamanitra i Mikaela. Ny hafa indray dia mampitovy azy amin' i Azraela (na Izrail), iray amin' ireo anjely telo izay miseho amin' ny endrika zatovo tsara tarehy nitsidika an' i Abrahama (na Ibrahim) sy i Lota (na Lût).

Jereo koa

Tsiahy:

Tags:

Arkanjely Mikaela Fiforonan-tenyArkanjely Mikaela Ao amin ny finoana jiosyArkanjely Mikaela Ao amin ny fivavahana kristianaArkanjely Mikaela Ao amin ny fivavahana silamoArkanjely Mikaela Jereo koaArkanjely Mikaela Tsiahy:Arkanjely MikaelaAnjelyArkanjelyJodaismaKristianismaRafaela (arkanjely)Silamo

🔥 Trending searches on Wiki Malagasy:

Kim Dae-jungEskatôlôjia silamoTetiandro malagasyPentekôtisma eto MadagasikaraRambondanitraRepoblika Demôkratika AlemànaTed LyonsLa BazeugeBrienne-sur-AisneLandry ChauvinFahotanaAndriamanitra (tokana)Angatra (aretina)Andron' ny MesiaFinlandy923Vintana (finoan-drazana malagasy)Filoham-pirenena sy mpanjakan'i MadagasikaraFiteny jeôrjianaOhabolanaFanambaràna ny hevitry ny nofyIrlandaAdy MangatsiakaBrexitYzeuxHagia SophiaMasindahy NikôlaKilalaoFarihy MalawiKolikolyLake Wynonah, PennsylvaniaAndroCurrent eventsSilamoMorcourt, SommeFanjakana MitambatraFotopampianarana sy Fanekempihavanana1936530Fiadiana ny tompondaka eran-tany ho an’ny kitra 2010Federico Pescetto26 MartsaAdventoBakteriaSoratra MasinaHantatianaHaitsikerafitenyFiteny tamilyMir Alisher NavoïTanindrazana, Fahafahana, FandrosoanaFiteny idisyNigel GodrichSakramentaHaranita-tsaina voatrolombelonaKaremyLouisianaBaibolyZelandy VaovaoTrombaBonneval, Eure-et-LoirIHVHKabary tera-baoVaryBarrieSakalavaNederlandyAlexander PushkinRobert MugabeImamo1927Hypertext Markup LanguageKyiv🡆 More