Kristianisma Siriaka

Ny kristianisma siriaka dia sampan' ny kristianisma tatsinanana izay ahitana asasoratra ara-teôlôjia sy litorjia nentim-paharazana amin' ny fiteny siriaka klasika, karazan' ny fiteny arameana taloha.

Amin' ny fiteny siriaka izy dia atao hoe ܡܫܝܚܝܘܬܐ ܣܘܪܝܝܬܐ / Mšiḥoyuṯo Suryoyto na Mšiḥāyūṯā Suryāytā. Amin' ny heviny mivelatra kokoa, io teny io dia azo ilazana koa ny kristianisma arameana amin' ny ankapobeny, ka mahafaoka ny lovam-pampianarana kristiana rehetra izay mifototra amin' ny fampiasana litorjia amin' ny teny arameana sy ny karazany, na ara-tantara na ankehitriny.

Kristianisma Siriaka
Fankalazana ny Qurbānā Qaddišā ("sorona masina") ao amin' ny Fiangonana Ôrtôdôksa Siriaka mankalaza ny Litorjia Masin' i Masindahy Jakôba

Ankoatry ny fiteny grika sy ny fiteny latina, ny fiteny siriaka klasika dia anisan' ny fiteny telo manan-danja indrindra amin' ny kristianisma voalohany. Izy io dia lasa fitaovana ho an' ny fampivelarana ny kristianisma amin' ny endrika siriaka, izay niroborobo nanerana ny Atsinanana Akaiky sy ny faritra hafa any Azia nandritra ny Andro Taloha sy ny fiandohan' ny Andro Antenatenany, niteraka fomba litorjika sy anaram-piangonana samihafa, hita taratra ao amin' ny Fiangonana maromaro amin' izao andro izao. izay manohy mamelona ny lova ara-pivavahana sy ara-kolontsainan' ny kristianisma siriaka.

Ny kristianisma siriaka dia misy lova litorjika roa: dia ny fombam-pivavahana siriaka atsinanana sy ny fombam-pivavahana siriaka andrefana. Ny fombam-pivavahana siriac atsinanana (fantatra ihany koa amin' ny anarana hoe kaldeana, asiriana, sasanida, babilôniana na persiana), izay maneho azy indrindra dia ny Qurbana Masin' ny Olomasina Addai sy Mari, dia ny an' ny Fiangonana Katôlika Kaldeana, ny Fiangonana Asiriana Atsinanana (anisan' izany ny Fiangonana Siriana Kaldeana), ny Fiangonana Tranainy Tatsinanana, ary ny Fiangonana Katôlika Sirô-Malabary. Ny fombam-pivavahana siriaka andrefana (antsoina koa hoe fombam-pivavahana antiôkiana siriaka), izay manana ny Litorjia Masin' i Masindahy Jakôba ho anafôra, dia ny an' ny Fiangonana Ôrtôdôksa Siriaka (anisan' izany ny Fiangonana Kristiana Siriana Jakôbita), ny Fiangonana Marônita, ny Fiangonana Katôlika Siriaka, ary ny Fiangonana Siriana Ôrtôdôksa Malankara Indiana, ny Fiangonana Katôlika Sirô-Malankara, ary ny Fiangonana Siriana Mahaleotena Malabara. Ny endrika prôtestanta amin' io fombam-pivavahana io dia ampiasain' ny Fiangonana Siriana Malankara Mar Thoma sy ny Fiangonana Evanjelika Md Tômasy any India.

Any India, ny Kristiana tatsinanana teratany (Kristianan' i Md Tômasy) samy manana ny fomba litorjikany (Siriaka Atsinanana sy Andrefana) dia antsoina hoe Kristiana Siriana. Ny fiangonana siriaka atsinanana nentim-paharazana dia soloan' ny Fiangonana Katôlika Sirô-Malabara sy ny Fiangonana Siriana Kaldean' i India tena. Ny lova litorjika siriaka andrefana dia nampidirina taorian' ny taona 1665, ary ny fiangonana mifandray amin' izany dia asehon' ny Fiangonana Kristiana Siriana Jakôbita (ampahany amin' ny Fiangonana Ôrtôdôksa Siriaka), ny Fiangonana Siriana Ôrtôdôksa Malankara (izy roa dia an' ny Ôrtôdôksa Tatsinanana), ny Fiangonana Katôlika Sirô-Malankara (Fiangonana Katôlika Tatsinanana ao amin' ny Fiangonana Katôlika), ny Fiangonana SIriana Mar Thoma (ampahany amin' ny Fiombonana Anglikanina), ary ny Fiangonana Siriana Mahaleotena Malabara (Fiangonana Ôrtôdôksa Tatsinanana mahaleo tena tsy ao anatin' ny Fiombonambe Ôrtôdôksa Tatsinanana).

Ny fiteny siriaka dia karazan' ny fiteny arameana, izay nipoitra tany Edessa, Mesôpôtamia Ambony nandritra ny taonjato voalohany. Izy io dia mifandray amin' ny fiteny arameana nampiasain' i Jesoa, fitenim-paritra galileana. Izany fifandraisana izany dia mampitombo ny lazany teo amin' ny Kristiana. Ny endrik' io fiteny io izay nampiasaina tany Edessa no nibahan-toerana teo amin' ny asasoratra kristiana ary nekena ho endrika manara-penitra, fitaovana mety amin' ny fampielezana ny kristianisma na taiza na taiza nisy mpampiasa teny arameana". Ny faritra nitenenana siriaka na arameanina, izay faritra nisy fifampikasohana sy fifandonana teo amin' ny Empira Rômana sy ny Empira Sasanida, dia niitatra hatrany Antiôkia any andrefana ka hatrany Seleokia-Ktesifôna, renivohitra sasanida, tany atsinanana ary nahitana manontolo na ampahany amin' i Siria, i Libanona, i Israely sy i Palestina, i Iràka ankehitriny, ary ny ampahany amin' i Torkia sy i Iràna.

Jereo koa

Tags:

Fiteny arameanaFiteny siriakaKristianisma TatsinananaLitorjiaTeôlôjia kristiana

🔥 Trending searches on Wiki Malagasy:

FanjanahantanyBaiboly katôlikaLanitra (finoana)Kolontsaina malagasyFaritra ItasyFifohazana FarihimenaFikambanana Skoto eto amin' ny Fiangonana Loterana MalagasyAlahasatyRégis Rajemisa RaolisonAsa AkiraOnitiana RealyAdizaozaHoratio NelsonHasina (hery tsy hita maso)Fiteny araboParadisa (silamo)SakramentaSadoseoMeyWikiMpampitohy tenySiansaFiteny tataraSakalavaVezoRepoblika Fahefatra (Madagasikara)Kabary am-panambadiana849Ranavalona IIIvietnamyEtazoniaFahaterahanaMikeaFivavahanaAnatôliaSikidy malagasy1968Repoblika MalagasyTestamenta VaovaoAnanaMpampiankin-tenyVorombolaTambajotraGoaikaNJohn DaltonTovaloFanahy (kolontsaina malagasy)Sandam-bolaSabata (jiosy)Didy FoloAndriamenaTestamenta TalohaFitampohaHabakabakaAntambahoakaEzraAlakaosyTontolo iainanaRichard I an'i AngleteraBaraOsyFaritra eto MadagasikaraFrantsaAmpiposahana (faritra)Vondrona EorôpeanaGovernemantaMark JerrumOhabolanaFoko eto MadagasikaraIsaia (mpaminany)Roanda🡆 More