Firenena Mpiara-Dia Tamin' Ny Ady Lehibe Voalohany

Ny Firenena Miara-Dia dia fiaraha-mientana ara-miaramila iraisam-pirenena notarihan' i Frantsa, ny Fanjakana Mitambatra, ny Empiran' i Rosia, i Etazonia, ny Fanjakan' i Italia ary ny Empiran' i Japàna mba hanoherana ny Empira Afovoany ahitana ny Empiran' i Alemaina, i Aotrisy-Hôngria, ny Empira Ôtômàna, ary ny Fanjakan' i Bolgaria tamin' ny Ady Lehibe Voalohany (1914–1918).

Firenena Mpiara-Dia Tamin' Ny Ady Lehibe Voalohany
Sarintany maneho ireo Firenena Mpiara-Dia (manga) sy ireo Empira Afovoany (loranjy)

Tamin' ny fiafaran' ny taompolo voalohany amin' ny taonjato faha-20 dia nizara roa teo amin' ny Fifanarahan' ny Telo Tonta (frantsay: Triple Entente) sy ny Mpiara-Dia Telo Tonta (frantsay: Triple Alliance) ny firenen-dehibe eorôpeana. Ny Triple Entente dia nahitana ny Fanjakana Mitambatra sy i Frantsa ary ny Empiran' i Rosia. Ny Empiran' i Alemaina sy i Aotrisy-Hôngria ary ny Fanjakan' i Italia no tao amin' ny ny Triple Alliance, saingy tsy niandany tamin' ny atsy na ny aroa i Italia tamin' ny taona 1914. Rehefa nandroso ny ady dia nanampy mpikambana vaovao ny fiarahana tsirairay. Nanatevin-daharana ny Entente i Japàna tamin' ny taona 1914 ary dia niditra tao amin' ny Entente koa i Italia tamin' ny 1915 na dia nanambara aza ny tsy fiandaniana tamin' ny fiandohan' ny ady.

Ny teny hoe Alliés ("Mpiara-Dia") dia nanjary be mpampiasa kokoa noho ny "Entente", na dia nantsoina hoe Quadruple Entente koa aza ny Fanjakana Mitambatra, i Frantsa, i Rosia ary i Italia, ary natao hoe Quintuple Entente miaraka amin' i Japàna. Ny zanatany notarihin' ny firenena niady ho an' ny Mpiara-Dia dia anisan' ny Entente toa an' i Filipina zanatany amerikana, i Kôngô zanatany belza, i India zanatany britanika (izay lasa India sy Pakistàna ankehitriny), i Alzeria zanatany frantsay ary i Kôrea zanatany japôney.

Nanatevin-daharana i Etazonia rehefa akaiky hifarana ny ady tamin' ny taona 1917 (tamin' ny taona nialan' i Rosia tamin' ny ady) ho toy ny firenena mpiara-miasa ("associated") fa tsy mpiara-dia ôfisialy. Ny "mpikambana" hafa dia ahitana an' i Serbia, i Belzika, i Môntenegrô, i Asir, i Nejd sy Hasa, i Pôrtogaly, i Romania, i Hejaz, i Panama, i Kiobà, i Gresy, i Sina, i Siam, i Brezila, i Armenia, i Loksemborga, i Goatemala, i Nikaragoa, i Kôsta Rika, i Haity, i Liberià, ary i Hôndorasy. Ny fifanarahana maro nosoniavina tao amin' ny Fihaonambe momba ny Fandriampahalemana tao Paris dia nanaiky ny Fanjakana Mitambatra, i Frantsa, i Italia, i Japàna ary i Etazonia ho "Firenena Mpiara-Dia sy Mpiara-Miasa Lehibe" (anglisy: "the Principal Allied and Associated Powers").

Tags:

Ady Lehibe VoalohanyAlemainaBolgariaEmpira RosianaEmpira ÔtômànaEtazoniaFanjakana MitambatraFrantsaItaliaJapàna

🔥 Trending searches on Wiki Malagasy:

AndrianaAndriamanitra (tokana)Mpampiankina fehezankevitraIndôneziaMenalambaEorôpa AtsinananaAviavy2020Fokom-pirenen' i BenjaminaWikimaniaMayotteFokom-pirenen' i IsakaraApôstôly roa ambin' ny foloFrank ZappaFivavahan-drazana malagasyTsinyWikibolanaTendryRSSVoromailalaHagaraMickey MouseAdaoroLisitry ny filohan' i MadagasikaraMicrosoft WindowsTamotamoJean-Joseph RabeariveloAntokon' ny Kongresin' ny Fahaleovantenan' i MadagasikaraFiangonana Loterana MalagasyDemôkrasiaToetanin-jana-pehin-tanyEkiomenismaEmpira BizantinaBokin' i EzekielaAJesoa araka ny kristianismaAmbohimanga1900Melody TimeAsa AkiraRasoherinaFilôzôfiaAlahasatyFokom-pirenen' i JodàMaritranoAlakaraboFoko folo veryBaibolyAntesakaIsmaelaFilazantsara araka an' i MatioFiteny antandroyFanavakavaham-bolon-koditraAsaKôngô-BrazzavilleFanjanahantanyKilalaoGeorge PeppardZazavavindranoKataraHasinaFiteny malayNekô IIFameno (fitsipiteny)Firaisana ara-nofoWayback MachineAhidamboFanekem-pinoana atanazianaMohamadyAmbaliha (Ambanja)🡆 More