Ny visnoisma na vaisnavisma dia firehan' ny hindoisma miorina amin' ny rafitra ara-pilôzôfia sy ara-pivavahan' ny Vedanta.
Ny andriamanitra Vishnu no andriamanitra fara tampony ivavahany, izay miseho vatana amin' ny alalan' i Krishna sy i Rāma. Ny visnoisma dia iray amin' ny firehana lehine ao amin' ny hindoisma (ahitana ny sivaisma sy ny saktisma ary ny smartisma). Atao hoe Visnoita na Vaisnava ny mpanaraka ny visnoisma. Maro ny sampan' ny visnoisma. Ny Bhagavad-Gita, ny Bhagavata-Purana, ny Vishnu-Purana ary ny Bhakti-Sutra maro no lahatsoratra fototra ao amin' ny visnoisma.
Araka ny tombana nataon' i Johnson sy Grim tamin' ny taona 2010 dia ny visnoisma no sampana lehibe indrindra ao amin' ny hindoisma, izay ahitana mpino miisa 641 tapitrisa any ho any, izany hoe ny 67,6 %n' ny Hindo rehetra.
This article uses material from the Wikipedia Malagasy article Visnoisma, which is released under the Creative Commons Attribution-ShareAlike 3.0 license ("CC BY-SA 3.0"); additional terms may apply (view authors). Mitondra ny lisansa CC BY-SA 4.0 ny votoatiny raha tsy misy zava-kafa ambara. Images, videos and audio are available under their respective licenses.
®Wikipedia is a registered trademark of the Wiki Foundation, Inc. Wiki Malagasy (DUHOCTRUNGQUOC.VN) is an independent company and has no affiliation with Wiki Foundation.