Trinite Hindo

Ny Trinite hindo, izay atao hoe Trimūrti na Trideva, ao amin' ny hindoisma, dia ny ampahany miseho amin' ny andriamanitra fara tampony izay miova ho telo mba hanapaka ireo toetra samihafan' izao tontolo izao.

Atao hoe त्रिमूर्ति / trimūrti, izay midika hoe "endrika telo" izany amin' ny teny sanskrita.

Trinite Hindo
Trimūrti

Ny andriamanitra Brahma sy Vishnu ary Shiva dia tandindon' ny asam-pamoronana sy ny asam-pitahirizana ary ny asam-pandravana. Ao amin' ny sivaisma, izy ireo dia heverina ho fisehoan' i Shiva amin' ny maha andriamanitra fara tampony tsy miseho azy ka noho izany tsy azo aseho sary. Amin' ny fomba fijery ara-tantara dia nialoha ny Trinite vedika (izay ahitana an' i Agni sy Vâyu ary Sûrya, izay endrika telon' ny Afom-pisoronana).

Ireo andriamanitra ao amin' ny Trinite hindo

Ireto ireo andriamanitra telo ao amin' ny Trinite hindo: i Brahma sy i Shiva ary i Vishnu. Ny trimurti dia tsingerim-pisehoan' izao rehetra izao sy fitehirizana izao tontolo izao ary faharavan' izao tontolo izao, ka i Brahma no mpahary, i Vishnu no mpiaro ary i Shiva no mpandrava.

Brahma

Trinite Hindo 
Sarin' i Brahma

I Brahma dia andriamanitra mpahary ao amin' ny hindoisma, izy no andriamanitra voalohany ao amin' ny Trinite hindo. Tsindrandray ihany i Brahma no miditra an-tsehatra amin' ny raharahan' ireo andriamanitra sy amin' ny raharahan' olombelona.

Shiva

Trinite Hindo 
Sarivongan' i Shiva

I Shiva dia andriamanitra fahatelo ao amin' ny Trinite hindo. Indraindray dia heverina fa i Shiva no andriamanitry ny iôga (yoga), izay manana ny fahalalana ny zava-drehetra. Manana anjara asa dimy lehibe ity andriamanitra ity: mpamorona, mpitahiry, mpanova, mpanafina ary mpanambara (amin' ny alalan' ny fitahiana).

Vishnu

Trinite Hindo 
Sarivongan' i Vishnu

I Vishnu dia andriamanitra fahatelo manaraka an' i Brahma sy i Shiva ao amin' ny Trinite hindo. Fantatra amin' ny alalan' ny endri-pisehoany maro i Vishnu. Izy no andriamani-dehibe ao amin' ny visnoisma. I Vishnu dia matetika aseho amin' ny alalan' ny olona miloko manga manao fitafiana sy fihaingoa-mpanjaka sady manana tanana miisa efatra.

Jereo koa

Tags:

Trinite Hindo Ireo andriamanitra ao amin ny Trinite hindoTrinite Hindo Jereo koaTrinite HindoAndriamanitra ao amin' ny hindoismaFiteny sanskrityHindoisma

🔥 Trending searches on Wiki Malagasy:

FilôzôfiaMerinaMasoandroFilazam-potoana (fitsipiteny)VolanaForyLisitry ny filohan' i MadagasikaraBokin' i IsaiaMpampiankinaMpisolo (fitsipiteny)PeteraGeorges AndriamanantenaAntemoroAngovo azo havaozinaTendry1188AfoKolontsaina malagasySodànaWayback MachineLibànaBetsileoHasina1862Rafitra kôneksiônalyApôstôly roa ambin' ny foloGidroFibebahanaSômaliaFaritanin' AntananarivoFanekem-pinoana apôstôlikaOsyAdaoroThomas LamBielôrosiaAlahamadyFanambaràna Iraisam-Pirenena momba ny Zon' OlombelonaVintana (finoan-drazana malagasy)ISO 3166-1ASamboFameno (fitsipiteny)Abidy latinaFitenim-paritra malagasyAnjara (finoana)JainismaTantaran' ny Repoblika Demôkratikan' i KôngôFiompianaFianakaviambem-piteny nizerô-kôngôleyAlikaSôdôma sy GômôraFaditraSakramentan' ny filaharanaFiombonan' ny Fiangonana Kristiana eto MadagasikaraZon' olombelonaParisMisiona Evanjelika Teratany eto MadagasikaraBenoà XVEvanjelismaKataraGoogleFaribolana SandratraPaiso (voany)ToyotaDox (Jean Verdi Salomon Razakandrainy)FanambadianaRepoblikan' i Kôngô🡆 More