Saktisma

Ny saktisma dia firehana ao amin' ny hindoisma izay mihevitra ny Shakti (angovo herin' andriamanitra) ho ny Brahman, izay miseho amin' ny alalan' ny Andriamanibavy Kâli, Durgâ, Sarasvatî, Lakshmi, Bhâvanî na Lajja Gauri.

Iray amin' ireo firehana lehibe ao amin' ny hindoisma ny saktisma, manampy ny visnoisma sy ny sivaisma ary ny smartisma.

Saktisma
I Durgâ sy i Kâlî ary i Lakshmi.
Saktisma
Sary mivohitra maneho an' ireo andriamanibavy Vaishnavi, Varahi, Indrani ary Chamunda.

Amin' ireo mpomba ny saktisma (atao hoe Sakta) dia lehibe noho i Shiva vadiny ny Andriamanibavy, dia i Shiva izay tsy afaka misy raha tsy eo ny foto-javatra vavy ao anatiny: io ilay angovo vavy izay miteraka tsy manan-pahasasarana ny Natiora (Prakriti) sy mamahana ny zava-manana aina rehetra (amin' ny maha Renin' ny zava-drehetra azy - Mâtâ).

Manam-pifandraisana hentitra amin' ny tantrisma ny saktisma. Ny fombafombam-pivavahana sakta dia ahitana fanao momba ny firaisana ara-nofo masina: ny firaisan' i Shiva amin' ny Shakti dia aseho amin' ny alalan' ny firaisana ara-nofo tanterahina araka ny fitsipika ara-panompoam-pivavahana mazava tsara, ny firaisana ara-nofo dia heverina ho fitsaohana ny Shakti.

Araka ny tombana nataon' i Johnson sy Grim tamin' ny taona 2010 dia ny saktisma no sampana kely ao amin' ny hindoisma, izay ahitana mpino miisa 30 tapitrisa any ho any, izany hoe ny 3,2 % amin' ny Hindo rehetra.

Jereo koa

Loharano sy fanamarihana

Tags:

DurgâHindoismaSivaismaSmartismaVisnoisma

🔥 Trending searches on Wiki Malagasy:

SMOTIGFanambadianaBetsimisarakaAhidamboAndro faranyFanambaràna Iraisam-Pirenena momba ny Zon' OlombelonaMickey MouseTalataSamboGanàJohannes GutenbergAntiôkiaOsyMaaniany (vahoaka)Hans Holbein le JeuneAnaranaAlahamadyPrôtestantisma eto MadagasikaraFamoranaJiosyNekao IIHasidismaAdolf HitlerRianaratraFiteny jeôrjianaKilalakyKatroFilipinaMôralyFiarahamoninaFiainana ara-panahyKataraSandam-bolaDox (Jean Verdi Salomon Razakandrainy)FrantsaAdaoroJeôlôjiaFiteny indônezianaAntandroyTetiandro gregôrianaWayback MachineDemôkrasiaHartford, ConnecticutCurrent eventsAntankaranaFaritra Atsimo-AndrefanaFameno (fitsipiteny)Didy FoloMalagasy (vahoaka)BôtsoanaToekaren' i MadagasikaraLiberiaVazimbaPattaniKameronaRatsiraka DidierMahafalyTantaran' i MadagasikaraLoteranismaFanatontoloanaJFaribolana SandratraFaritanin' AntananarivoSakalavaMpandrindra milinaHagaraFilistinaFibebahana1974Kaody baraGidroArintanyGeorges Andriamanantena🡆 More