Ny vainga dia iray amin' ireo toetra fototra efatra (ny hafa dia ny ranoka sy ny etona ary ny plasma).
Ny môlekiola ao anaty moka dia mifanizina ary misy angovo ara-kalaky farafaharatsiny. Ny vainga dia miavaka amin' ny hamafy ara-drafitra sy ny fanoherana ny hery ampiharina eo amboniny. Tsy toy ny ranoka, ny zavatra mivaingana dia tsy mikoriana haka ny endrika zavatra miaty azy, ary tsy miitatra mba hameno ny hadiry sisa toy ny entona. Ireo atôma ao anaty vainga dia mifamatotra, na milahatra araka ny tsipika jeômetrika tsotra (vainga kristaly, izay ahitana koa ny metaly sy ny ranomandry tsotra), na mikorontana (vainga tsy misy endrika toy ny fitaratra mahazatra). Ny vainga dia tsy azo giazina amin' ny tsindry kely, fa ny etona kosa azo poretina amin' ny tsindry kely satria mielanelana malalaka ny môlekiola ao amin' ny etona.
This article uses material from the Wikipedia Malagasy article Vainga, which is released under the Creative Commons Attribution-ShareAlike 3.0 license ("CC BY-SA 3.0"); additional terms may apply (view authors). Mitondra ny lisansa CC BY-SA 4.0 ny votoatiny raha tsy misy zava-kafa ambara. Images, videos and audio are available under their respective licenses.
®Wikipedia is a registered trademark of the Wiki Foundation, Inc. Wiki Malagasy (DUHOCTRUNGQUOC.VN) is an independent company and has no affiliation with Wiki Foundation.