Ny Midrasa dia lahateny na lahatsoratra nataon'ireo raby ivoasany ny Torah mba hanazavana ireo zavatra momba ny lalàna na ny fitondran-tena.
Ny tanjon'ny fanaovana midrasa dia ny hanazava ny hevi-dalina izay miafina ao ambadiky ny hevitra ara-bakitenin'ny Baiboly. Anangonana ny fivoasana nataon'ny raby maro ny amin'ny lalàna sy ny fomba amam-panao resahina ao amin'ny Soratra Masina ny Midrasa. Maro ny Midrasa (Midrashim) voasoratra ka naharitra taonjato folo no nanaovana izany. Ny midrasa dia natao am-bava aloha vao izay noraiketina an-tsoratra taty aoriana. Ny midrasa koa dia ireo boky mirakitra izany fivoasana izany sy ny lahatsoratra mamelabelatra azy ireo sy ny fomba fiasa anatanterahana izany fivoasana izany.
Ny midrasa tranainy indrindra dia voasoratra tany amin'ny taona 200 tal. J.K. any ho any, ary ny farany indrindra dia tamin'ny taonjato faha-12 taor. J.K.
Ny teny hoe midrasa dia avy amin'ny teny hebreo hoe מדרש / midrash izay avy amin'ny hoe drsh, "manontany", "manadihady".
Misokajy roa ny Midrasa, dia ny Midrasa halakà (hebreoː מדרש הלכה / Midrash halakha) sy ny Midrasa agadà (hebreoː מדרש אגדה / Midrash aggada). Ny Midrasa halakà dia momba ny lalàna ary manangona ireo fitsipika (halakhot) izay mitambatra ao amin'ny Lalàna am-bava.
Ny Midrasa agadà dia miankina amin'ny sehatra rehetra tsy momba ny lalàna (isan'izany ny fomba amam-panao, ny fitondran-tena, ny teolojia, sns) sady manome fampianarana ara-pitondran-tena. Ny Midrasa agadà dia ahitana agada (אגדה) izay miseho amin'ny endrika sy fomba fandafaran-teny maro isan-karazany: fanoharana, fitantarana, angano, sns.
This article uses material from the Wikipedia Malagasy article Midrasa, which is released under the Creative Commons Attribution-ShareAlike 3.0 license ("CC BY-SA 3.0"); additional terms may apply (view authors). Mitondra ny lisansa CC BY-SA 4.0 ny votoatiny raha tsy misy zava-kafa ambara. Images, videos and audio are available under their respective licenses.
®Wikipedia is a registered trademark of the Wiki Foundation, Inc. Wiki Malagasy (DUHOCTRUNGQUOC.VN) is an independent company and has no affiliation with Wiki Foundation.