Melanezia

I Melanezia dia iray amin' ireo vondro-nosy telo lehibe ao amin' ny Ôseana Pasifika, izay mamorona an' i Ôseania.

Ity famondronana ara-jeôgrafia ity dia toherin' ny mpahay jeôgrafia sasany, nefa ampiasaina matetika izany sy ireo firenena voakasika. Ny anarana hoe Melanezia dia avy amin' ny teny grika hoe μέλας / mélas, "mainty", sy ny hoe νῆσος / nễsos, "nosy", ka midika hoe "nosy mainty".

Melanezia
Sarin-tany maneho an' i Melanezia

Fitsinjaràm-paritra ara-pôlitika

Ny tantaran' ny fitsinjaràm-paritra

Taorian' ny fandehanan' i Jules Dumont d'Urville tany amin' ny faritr' i Melanezia hamantatra ny zava-misy any dia nanao soso-kevitra tamin' ny Société de géograophie tao Parisy izy tamin' ny taona 1831 momba ny fandaminana vaovao an' i Pasifika ho faritra efatra, dia:

  • i Pôlinezia (midika hoe "nosy maro"),
  • i Melanezia ("nosy mainty"),
  • i Mikrônezia ("nosy kely") ary
  • i Malezia (izay nesorina taty aoriana tsy ho ao amin' ny kôntinentan' i Ôseania).

I Melanezia araka ny mahazatra

Melanezia 
Sarin-tany maneho ny faritr' i Melanezia

I Melanezia, araka ny famaritana mahazatra, dia miendrika reni-tsipika ao avaratra sy avaratra-atsinanan' i Aostralia sy ao atsimon' i Mikrônezia. Heverina fa isan' i Melanezia ireto fanjakana na tany manaraka ireto:

Ireo fanjakana na faritany ireo dia tsy mandrafitra vondrona ara-pôlitika ranoray.

Ny teny hoe "melaneziana" dia ampiasaina amin' ny haifiteny amin' ny fitenenenana hoe "fiteny mezô-melaneziana", izay manondro zana-bondron' ny sampam-piteny ôseanianan' ireo fiteny aostrôneziana, tenenina ao Papoazia-Ginea-Vaovao sy ao amin' ireo nosy Sôlômôna.

Melanezia 
Sarin-tany maneho ny fizaràm-paritr' i Ôseania.

Jereo koa

Fizaràm-paritra any Ôseania:

Tags:

Melanezia Fitsinjaràm-paritra ara-pôlitikaMelanezia Jereo koaMelaneziaTeny grikaVondro-nosyÔseana PasifikaÔseania

🔥 Trending searches on Wiki Malagasy:

ZambiaAmpongaMpampiankinaAntenimieram-pirenenaAnjara asa (fitsipiteny)ZanatsoratraVolanaDemôkrasiaAngleteraSôlômônaBokin' ny mpaminany (Baiboly)Kolontsaina malagasy2006AndrianaFaritra MelakyHabakokaFivavahana abrahamikaFivavahan-drazana malagasyArmeniaOkrainaSolombavambahoakaSanta-Vinsanta-sy-GrenadinaKristianisma eto MadagasikaraPraiminisitra malagasyLisitry ny filohan' i MadagasikaraBiôgrafiaQIT Madagascar MineralsDidy FoloTetiandroAnanaBaiboly amin' ny teny malagasyHasina (zavamaniry)AsaJean-Joseph RabeariveloIràkaRenivintanaLibiaMasikoroRichard I an'i AngleteraHabakabakaLe BouscatRaozyAmontanaPaiso (voany)FamadihanaVictoire RasoamanarivoTrombaFiarahamoninaIndiaHoratio Herbert KitchenervietnamyMerinaFrantsaFanavakavahanaVoahiranaKabary am-panambadianaFanambadianaKabary tera-baoVorombolaMeivazy1840OraMpampitohy tenyFanandroanaAndriamasinavalonaPôlitika eto MadagasikaraGaliaMarovatoFivavahana eto MadagasikaraFifohazana Farihimena🡆 More