Vahoaka Lômbarda

Ny Lômbarda dia vahoaka jermanika tamin' ny Andro Taloha, izay, araka ny lovantsofina am-bava, notaterin' ny mpahay tantara Paul Deacon, tamin' ny faran' ny taonjato faha-8, dia avy any amin' ny tapany atsimon' i Skandinavia.

Amin' ny teny latina izy ireo dia atao hoe Langobardi avy eo Lombardi taorian' ny taonjato faha-8, afa-tsy tany amin' ny tapany atsimon' i Italia, izay nitazona ny anarana hoe Langobardi hatramin' ny taonjato faha-12.

Tamin' ny taonjato voalohany dia niampita ny Ranomasina Baltika ity vahoaka ity ary nanorim-ponenana teo amoron' i Elbe izay nikambanany tamin' ny Jermanika teo an-toerana. Nifindra monina tany amin’ ny moron’ i Danube antenatenany, any Pannonia, izy ireo tamin’ ny taonjato faha-5, izay nanombohany nandray ny kristianisma tamin’ ny endriny roa tamin’ izany fotoana izany: ariana sy nikeana. Avy any Pannonia, teo ambany fitarihan’ ny mpanjaka Alboin, dia nifindra monina izy ireo tamin’ ny taona 568 nankany Italia nofehezin' ny Rômana (bizantina) ary naka ny ampahany be amin’ ilay saikanosy, ka nijanona ho tompony hatramin’ ny taona 774, rehefa resin’ i Charlemagne izy ireo.

Ankehitriny dia mitondra ny anaran' izy ireo ny faritany italianan' i Lombardia, mahafaoka an' i Milano.

Tags:

Andro TalohaFiteny latinaLovantsofina am-bavaSaikanosy ItalianaSkandinaviaVahoaka jermanika

🔥 Trending searches on Wiki Malagasy:

AmontanaSokajin-tenySaint-Clément, AisneBrexitFiteny tamilyGaliaISO 4217HabakabakaMeyMark JerrumPaskaFitampohaFanjanahantanyKanaana (faritra)FotoanaOnitiana RealyPraiminisitra malagasyFiteny hebreoLisitry ny filohan' i MadagasikaraKongonaFiangonana Loterana MalagasyBokin' ny GenesisyKabary2012Harin-karena faobeVoahiranaTambintenyDokuWikiFifohazana FarihimenaMatyAnaran'ny mponinaFanambadianaTodySampan-tenyTestamenta TalohaRasoherinaPoaceaeLibiaRavelonjanaharyFokom-pirenen' i IsraelyAngatra (aretina)Rajoelina AndryMain PageArabia SaoditaTsimihetyCaliforniaTantaran' ny kristianismaMpampiankina fehezankevitraAntesakaMpampiankinaHelsinkiAnaranaMerinaFamonjenaEtazoniaTsinyDarryl StarbirdMatoantenyRanavalona IIIFanjakan' i Israely (mitambatra)GoogleKabary famangianaBokin' i DanielaRepoblikan' i Madagasikara (1992-2009)DemôkrasiaFiangonana Loterana Malagasy NohavaozinaEglizy Katôlika Apôstôlika Rômanina (Madagasikara)Constantin Stanislavski1968Arama (faritra)AndriamenaLe BouscatKainaZaha🡆 More