Lakandranon' I Suez

Ny Lakandranon' i Suez dia lakandrano any Ejipta, eo anelanelan' ny Ranomasina Mena sy ny Ranomasina Mediteranea.

190,25 km ny halavany, 280 hatramin' ny 345 m ny sakany, ary 22,50 m ny halaliny. Miampita ny Andilan-tanin' i Suez izy, avy any Port-Saïd eo amin' ny Ranomasina Mediteranea, hatrany amin' ny tanànan' i Suez eo amin' ny Ranomasina Mena. Ahafahan' ireo ranomasina roa ireo mifandray izany.

Lakandranon' I Suez
Ny Lakandranon' i Suez hita avy amin' ny zanabolana

Nanomboka tamin' ny 1859 ilay tetikasa fangadiana azy, ary tapitra tamin' ny 1869 izany. Ny diplômata sy injeniera frantsay Ferdinand de Lesseps no nitondra ilay tetikasa. Io lakandrano io dia ahafahan' ny sambo avy ao Eorôpa makany India tsy mila mandalo any Afrika Atsimo eo amin' ny Cap de Bonne Esperance. Talohan' ny fanokafana ilay lakandrano tamin' ny 1869, ny entana dia tsy maintsy entina an-tanety eo anelanelan' ny Ranomasina Mediteranea sy ny Ranomasina Mena.

Noho ny fahombiazany, izay nampitombo isa ny sambo mandalo ao, ny Lakandranon' i Suez dia fidiram-bola fahatelo any Ejipta. Raha sanatria misy zavatra manentsina ilay lakandrano, ny vola very amin' izany dia misy 7 tapitrisa dolara isan' andro.

Ny tompon' io lakandrano io dia ny Suez Canal Authority, tompon' andraikitry ny fikarakarana azy.

Jereo koa

Rohy ivelany

Lakandranon' I Suez 
Mbola ambangovangony ity lahatsoratra ity ary tokony hofenoina.

Azonao atao ny mandray anjara eto amin'ny Wikipedia amin'ny alàlan'ny fanitarana azy.
Jereo koa ny pejy Ahoana ny manao takelaka rehefa te-hijery hoe ahoana no fanaovana azy.

Tags:

EjiptaRanomasina MediteraneaRanomasina MenaSuez

🔥 Trending searches on Wiki Malagasy:

VezoFianakaviambem-piteny nizerô-kôngôleySoavalyMpandrindra milinaAndron'ny TanyAfo1971PattaniFiangonana Loterana MalagasyLoteranismaAndriamaneloSinemaNorwegian Missionary SocietySôdôma sy GômôraListe des indicatifs téléphoniques internationaux par paysBill ClintonAzia Atsimo-Atsinanana1900ZivaMetodismaPressyJohannes Gutenberg1974BootzheimFiteny kantôneyFitiavan-tanindrazanaFanatitraJesoa araka ny kristianismaFiteny latinaFahagaganaGuangdongBokin' ny GenesisyLouis XVIFiteny anglisyMpisolo toerana (fitsipiteny)Mpampitohy (fitsipiteny)TambintenyGoogleAndriamangariraHaintanyAdy an-tranoFahazavanaFitampohaVy Vato Sakelika22 AprilyIslandySamgaraAndro faranyAndry RajoelinaFilôzôfia23 AprilyRanavalona ITsinyGidro7 MartsaAbdônaNizeriaKatroIsaia (mpaminany)HaisoratraSaryBaraTongolo gasyFaritra AnosyFiteny frantsayFanekem-pinoana atanazianaKabary tera-baoMarovatoTsiranana PhilibertElefanta🡆 More