Tsiranana Philibert
Azonao atao ny mandray anjara eto amin'ny Wikipedia amin'ny alàlan'ny fanitarana azy.
I Tsiranana Philibert dia olom-pirenena malagasy, filohan' i Madagasikara voalohany, tamin' ny nahazoan' io firenena io ny fahalevan-tena, tamin' ny 1 Mey 1959[1] hatramin' ny 11 Ôktôbra 1972. Nantsoina hoe Repoblika Malagasy (frantsay: République Malgache) izany repoblika voalohany izany. Izy no mpanorina ny antoko pôlitika Parti Social Démocrate (PSD).
Tantarany
Fiainany manokana
Teraka tamin' ny taona 1912 tao Ambarikorano, Mandritsara ao amin' ny faritanin' i Mahajanga izy. Nianatra tao amin' ny sekoly ambaratonga voalohany tao Anjiamangirana tao Antsohihy izy. Nanohy ny ambaratonga faharoa fototra tao Analalava tamin' ny taona 1926, ary ny taona 1930 no nidirany tao amin' ny sekoly Le-Myre-de-Vilers; tao no nahazoany ny diplaoma naha-mpampianatra azy tamin' ny faha-roapolo taonany. Rehefa nampianatra nandritra ny 12 taona izy dia nanao fanadinana hiditra tao amin' ny École Normale de Montpellier tamin' ny taona 1946, ka rehefa vita ny 4 taona nianarany tao dia nampianatra tao amin' ny Fampianarana Teknika tao Antananarivo.
Pôlitika
Tamin' ny 1 Jolay 1959 dia nivory ny Antenimieram-pirenena ka nametraka ny fitokisany tamin' i Tsiranana ho filohan' ny Repoblika Malagasy voalohany mizaka tena. Tamin' ny 26 Jona 1960 no nahazo ny fahaleovantenany i Madagasikara. Dimy taona taty aoriana, tamin' ny 30 Marsa 1965, dia voafidy fanindroany hitondra ny firenena izy. Fito taona taorian' io, tamin' ny 30 Janoary 1972, dia voafidy fanintelony ho filoha izy. Tamin' ny 13 Mey 1972 ny tolon' ny mpianatra teo amin' ny Kianjan' ny Fahaleovantena teo Analakely, ka nahatonga ny fionganan' ny fitondrana Tsiranana.
- 1952: voafidy ho mpanolotsain' ny Faritanin' i Mahajanga.
- 2 Janoary 1956: voafidy ho solombavambahoaka tao amin' ny Faritra Andrefana.
- 1956: tamin' ny faramparan' io taona io no nananganany ny antoko Parti Social Démocrate de Madagascar (P.S.D).
- Mey 1957: voatendry ho ministra; avy teo voatendry ho filoha lefitry ny Mpanolotsain' ny Governemantan' i Madagasikara.
- Jolay 1958: notendrena ho filohan' ny Mpanolotsain' ny Governemanta.
- 14 Ôktôbra 1958: nomem-boninahitra ho Filohan' ny Governemanta vonjimaika rehefa nambara ho Repoblika miankin-doha i Madagasikara.
- 1 Jolay 1959: nivory ny Antenimieram-pirenena ka nametraka ny fitokisany - tamin' ny alalan' ny vato 113 amin' ny mpifidy 114 - tamin' ity zanaka tantsaha avy any Anahidrano, Antsohihy ho Filohan' ny Repoblika Malagasy voalohany.
- 26 Jona 1960: nahazo ny fahaleovantenany madiodio i Madagasikara.[2]
- 30 Marsa 1965: voafidy fanindroany hitondra ny firenena i Philibert Tsiranana.
- 30 Janoary 1972: voafidy fanintelony ho filoha izy.
- Avrily - Mey 1972: nanomboka nisy korontana, be ny mpanohitra ny fitondrana.
- 13 Mey 1972: tolon' ny mpianatra teo amin' ny Kianjan' ny Fahaleovantena teo Analakely, ka nahatonga ny fionganan' ny fitondrana Tsiranana.
Valisoa azon' i Philibert Tsiranana
- Nomena ny mari-pankasitrahana "Chevalier de l'Étoile d'Anjouan" tamin' ny 1949,
- 1950: "Chevalier de l'Etoile de la Grande-Comore".
- 14 Jolay 1954: nahazo ny "Mention Honorable de l'Enseignement".
Jereo koa
- Tantaran' i Madagasikara
- Madagasikara zanatany frantsay
- Repoblika Malagasy
- Parti des Déshérités de Madagascar (PADESM)
- Parti Social Démocrate de Madagascar (PSD)
- Mouvement Démocratique de la Rénovation Malgache (MDRM)
- Mouvement National pour l’Indépendance de Madagascar (Monima)
- Tanindrana
- Tolon' ny mpianatra malagasy tamin' ny 13 Mey 1972
- Repoblika Demôkratika Malagasy
Tsiahy
Ireo filoha nifandimby
This article uses material from the Wikipedia Malagasy article Tsiranana Philibert, which is released under the Creative Commons Attribution-ShareAlike 3.0 license ("CC BY-SA 3.0"); additional terms may apply. (view authors). Mitondra ny lisansa CC BY-SA 3.0 ny votoatiny raha tsy misy zava-kafa ambara. Images, videos and audio are available under their respective licenses.
#Wikipedia® is a registered trademark of the Wikimedia Foundation, Inc. Wiki (DUHOCTRUNGQUOC.VN) is an independent company and has no affiliation with Wikimedia Foundation.