Soràta

Ny soràta na sora, amin' ny heviny momba ny Kor'any, dia ventin-dahatsoratra tsy misy fetrany ao amin' io boky io na, amin' ny heviny taty aoriana, venty raikitra izay matetika adika hoe toko raha ampitahaina amin' ny toko ao amin' ny Baiboly.

Amin' ny teny arabo dia atao hoe سورة / sūrah (raha tokana) sy سور / suwar (raha maro) ny soràta na sora; fa amin' ny teny siriaka kosa dia ṣūrṭā: izay midika hoe "soratra" na "ampahan-tsoratra".

Soràta
Ny Kor'any

Soràna miisa 114, voasokajy ao amin' ny filaharana amin' ny ankapobeny avy amin' ny lava mankany amin' ny fohy, no mandrafitra ny lahatsoratra ao amin' ny Kor'any. Noho izany dia sady tsy ara-potoana no tsy araka ny lohahevitra ny fandaminana ny soràta ao amin' ny Kor'any. Ity fandaharana ity dia ampahany amin' ny fizotry ny fampandriana an-tsoratra ny lahatsoratry ny Kor'any, izay mbola tsy dia fantatra loatra sady voaporofo ny soritra tranainy amin' ny fandaharana hafa.

Ity fanasarahana amin' ny alalan' ny soràta ity dia mampanontany teny ny mpikaroka momba ny fizotry ny fampandriana an-tsoratra ny lahatsoratry ny Kor'any, na eo amin' ny ambaratongan' ny soràta na eo amin' ny andininy. Na dia zava-dehibe aza ny fomba fiasa mihevitra ny fizoran' ny fotoana momba ity lahatsoratra ity, dia toa saro-takarina ny filaharan' ny fotoana nanoratana ny Kor'any.

Tsy mitovy ny halavan' ny soràta; ny soràta fohy indrindra (Al-Kawthar) dia tsy misy afa-tsy andininy telo ary ny lava indrindra (Al-Baqara) dia misy andininy 286. Ao amin' ireo toko 114 ao amin' ny Kor'any ireo, ny 86 dia sokajina ho mekana na mekoà (jereo Meka na Maka), satria nambara talohan' ny Hijrah (fifindrà-monin' ny mpaminany Mohamady), ary ny 28 dia mediniana na medinoà (Medina), satria nambara taorian' izay. Na izany aza, misy ireo soràta mekana sasany misy andininy mediniana (andininy nambara taorian' ny Hijrah) ary ny misy koa ny mifamadika amin' izany.

Ny soràta mekana amin' ny ankapobeny dia miresaka momba ny finoana sy ny tontolon' ny any ankoatra fa ny toko mediniana kosa dia miompana kokoa amin' ny fandaminana ny fiainam-piarahamonina mozilmana voalohany sy ny fitarihana ny Mozilmana ho amin' ny tanjon' ny darul islam amin' ny alalan' ny fanehoana hery amin' ireo tsy mino. Ankoatry ny soràta At-Tawbah dia manomboka amin' ny hoe "Amin' ny anaran' i Allah, Ar-Rahman (Ilay be Fahasoavana) Ar-Rahim (Ilay Be Famindram-po)" ny soràta rehetra. Io andian-teny io dia fantatra amin' ny anarana hoe Basmala ary manondro ny fisarahana eo amin' ny soràta samy hafa. Ny soràta dia tononina mandritra ny ampaham-potoana ijoroana (Qiyam) anaovana vavaka. Ny soràta Al-Fatiha, izay toko voalohany ao amin' ny Kor'any, dia tononina isaky ny vavaka ary misy ihany koa ny ampahany amin' ny vavaka amakiana ny manontolo na ampahany amin' ny soràta hafa.

Ny anaran' ny soràta

Ny anarana na lohateny omena ny soràta (ohatra, ٱلْإِسْرَاء / Al-isrāʾ "Ny Dia lavitra amin' ny alina", ٱلنُّور / An-Nūr "Ny hazavana", ٱلنِّسَاء / An-Nisāʾ "Ny Vehivavy" na ٱلْبَقَرَة / Al-Baqara "Ny Ombivavy") dia ahitana teny fototra nalaina avy amin' ny fiandohana na amin' ny vatan' ilay soràta. Ireo lohateny ireo dia mampahatsiahy teny manaitra na lohahevitra lehibe indrindra ao amin' ny soràta resahina. Ny sasany amin' izy ireo dia nampitondraina anaran-tsamirery. Amin' ny tranga 14, ny anaran' ny soràta dia tsy hita ao amin' ny soràta, ary ho an' ny sasany ny anarany dia tsy ao amin' ny Kor'any. Na izany aza, ireo anarana ireo dia tsy "heverina ho ampahany amin' ny lahatsoratra". Ho an' i Sonn, ireo anarana ireo dia nomena taorian' ny fanokanana ny Kor'any (napetraka araka io endriny ôfisialy io). Sarotra ny mamantatra marina ny fotoana nisehon' ireo anarana ireo. Na dia tsy ao amin' ny sora-tanana voalohany aza izy ireo, dia matetika natovana taty aoriana tamin' ny alalan' ny sora-tanana tranainy. Raha nisy ny anarana nampiasaina betsaka tamin' ny tapaky ny taonjato faha-8 dia mbola tsy raikitra ireo ary dingana santatra mankany amin' ny anarana ankehitriny izany. Ny nisehoan' ny lohateny tsotra, ankoatry ny maningana sasany, dia toa niseho tsikelikely.

Ho an' ny ankamaroan' ny soràta dia misy anarana maromaro ampiasaina hanondroana azy ireo. Ohatra, ny soràta voalohany ao amin' ny Kor'any, ankoatry ny anarany Fatiḥa ("Fampidirana"), dia fantatra amin' ny anarana maherin' ny am-polony hafa. Toy izany koa ny soràta faha-112, izay antsoina matetika hoe Sūrat al-ʼIḵlāṣ, dia fantatra amin' ny anarana hafa am-polony.

Ny tranga momba ny lohatenin' ny Fatiha, miaraka amin' ny an' ny soràta faha-112 dia manokana satria tsy avy amin' ny votoatin' ny soràta fa avy amin' ny anjara asany. Ankoatra ny anarana dia nomena mpamaritra ny soràta sasany. Na izany aza, ny fanontana tao Kahira (1924) dia nandray anjara amin' ny fametrahana lohateny mitovy ho an' ny soràta tsirairay. Afa-tsy amin' ny tontolo indô-pakistaney dia tsy ampiasaina intsony ireo anarana isan-karazany ireo.

Andininy Tanàna Lohateny malagasy Lohateny arabo
1 7 Meka Ny fanokafana ٱلْفَاتِحَة al-fātiḥa
2 286 Medina Ny ombivavy ٱلْبَقَرَة al-baqara
3 200 Medina Ny fianakavian' i Imram آلِ عِمْرَان āli ʿimrān
4 176 Medina Ny vehivavy ٱلنِّسَاء an-nisāʾ
5 120 Medina Ny sakafo an-databatra voaomana ٱلْمَائِدَة al-māʾida
6 165 Meka Ireo biby fiompy ٱلْأَنْعَام al-anʿām
7 206 Meka Al-aʿrâf ٱلْأَعْرَاف al-aʿrāf
8 75 Medina Ny harena voababo tamin' ny ady ٱلْأَنْفَال al-anfāl
9 129 Medina Ny fibebahana ٱلتَّوْبَة at-tawba
10 109 Meka Jonàsy يُونُس Yūnus
11 123 Meka Houd هُود Hūd
12 111 Meka Jôsefa يُوسُف Yūsuf
13 43 Meka Ny varatra ٱلرَّعْد ar-raʿad
14 52 Meka Abrahama إِبْرَاهِيم Ibrāhīm
15 99 Meka Al-hijr ٱلْحِجْر al-ḥijr
16 128 Meka Ny renitantely ٱلنَّحْل an-naḥl
17 111 Meka Ny dia lavitra amin’ ny alina ٱلْإِسْرَاء al-isrāʾ
18 110 Meka Ny lavabato ٱلْكَهْف al-kahf
19 98 Meka Maria مَرْيَم Maryam
20 135 Meka Ta-Ha طَه ṭa ha
21 112 Meka Ireo mpaminany ٱلْأَنْبِيَاء anbiyāʾ
22 78 M/M Ny fivahiniana masina ٱلْحَجّ al-ḥajj
23 118 M/M Ireo mpino ٱلْمُؤْمِنُون al-muʾminūn
24 64 Medina Ny hazavana ٱلنُّور an-nūr
25 77 M/M Ny fanavahana ٱلْفُرْقَان al-furqān
26 227 Meka Ny mpanao tokonkalo ٱلشُّعَرَاء aš-šuʿarāʾ
27 93 M/M Ireo vitsika ٱلنَّمْل an-naml
28 88 Meka Ny tantara ٱلْقَصَص al-qaṣaṣ
29 69 Meka Ny hala ٱلْعَنْكَبُوت al-ʿankabūt
30 60 Meka Ny Rômanina ٱلرُّوم al-rūm
31 34 Meka Louqman لُقْمَان luqmān
32 30 M/M Ny fiankohofana ٱلسَّجْدَة as-sajda
33 73 Medina Ny nitambatra ٱلْأَحْزَاب al-aḥzāb
34 54 Meka Saba’ سَبَأ sabaʾ
35 45 Meka Ilay Mpahary فَاطِر fāṭir
36 83 Meka Yā-Sîn يَس yā sīn
37 182 Meka Ireo nalahatra ٱلصَّافَات aṣ-ṣāffāt
38 88 Meka Ṣād ص ṣād
39 75 Meka Ireo andiany ٱلزُّمَر az-zumar
40 85 Meka Ilay Mpamela heloka غَافِر ġāfir
41 54 Meka Ireo andininy amin' ny antsipiriany فُصِّلَتْ fuṣṣilat
42 53 Meka Ny fifampidinihana ٱلشُّورَى aš-šūrā
43 89 M/M Ny fanaingoana ٱلزُّخْرُف az-zuḫruf
44 59 Meka Ny setroka ٱلدُّخَان ad-duḫān
45 37 Meka Ilay nandohalika ٱلْجَاثِيَة al-jāṯiya
46 35 Meka Al-Ahqâf ٱلْأَحْقَاف al-aḥqāf
47 38 Medina Mohammad مُحَمَّد muḥammad
48 29 Medina Ny fandresena miezinezina ٱلْفَتْح al-fatḥ
49 18 Medina Ireo efitrano ٱلْحُجُرَات al-ḥujurāt
50 45 Meka Qāf ق qāf
51 60 Meka Izay manaparitaka ٱلذَّارِيَات aḏ-ḏāriyāt
52 49 Meka Al Toor (Ny tendrombohitra) ٱلطُّور aṭ-ṭūr
53 62 Meka Ny kintana ٱلنَّجْم an-najm
54 55 Meka Ny volana ٱلْقَمَر al-qamar
55 78 Meka Ilay be fiantra ٱلرَّحْمَان ar-raḥmān
56 96 Meka Ny zava-miseho ٱلْوَاقِعَة al-wāqiʿa
57 29 Medina Ny vy ٱلْحَدِيد al-ḥadīd
58 22 Medina Ny adihevitra ٱلْمُجَادِلَة al-mujādala
59 24 Medina Ny famoriana ٱلْحَشْر al-ḥašr
60 13 Medina Ilay voasedra ٱلْمُمْتَحِنَة al-mumtaḥana
61 14 Medina Ny filaharana ٱلصَّفّ aṣ-ṣaff
62 11 Medina Ny andro zoma ٱلْجُمْعَة al-jumuʾat
63 11 Medina Ireo mpihatsaravelatsihy ٱلْمُنَافِقُوْن al-munāfiqūn
64 18 Medina Ny fatiantoka lehibe ٱلتَّغَابُن al-taġābun
65 12 Medina Ny fisaraham-panambadiana ٱلطَّلَاق aṭ-ṭalāq
66 12 Medina Ny fandraràna ٱلتَّحْرِيْم at-taḥrīm
67 30 Meka Ny fanjakana ٱلْمُلْك al-mulk
68 52 Meka Ny penina ٱلْقَلَم al-qalam
69 52 Meka Ny isehoan' ny marina ٱلْحَاقَّة al-ḥāqqa
70 44 Meka Ireo lalan' ny fiakarana ٱلْمِعْرَاج al-maʿārij
71 28 Meka Nôa نُوْح nūḥ
72 28 Meka Ny jiny ٱلْجِنّ al-jinn
73 20 M/M Ilay misaron-damba ٱلْمُزَّمِّل al-muzzammil
74 56 Meka Ilay manao akanjo lava ٱلْمُدَّثِّر al-muddaṯṯir
75 40 Meka Ny fitsanganana amin' ny maty ٱلْقِيَامَة al-qiyāma
76 31 Medina Ny olombelona ٱلْإِنْسَان al-insān
77 50 M/M Ireo iraka ٱلْمُرْسَلَات al-mursalāt
78 40 Meka Ny vaovao ٱلنَّبَأ an-nabaʾ
79 46 Meka Ireo Anjely mpaka fofonaina ٱلنَّازِعَات an-nāziʿāt
80 42 Meka Niketrona izy عَبَسَ ʿabasa
81 29 Meka Ny fanamaizinana ٱلتَّكْوِيْر at-takwīr
82 19 Meka Ny fitresahana ٱلإِنْفِطَار al-infiṭār
83 36 Meka Ireo mpisoloky ٱلْمُطَفِّفِيْن al-muṭaffifīn
84 25 Meka Ny fitriarana ٱلْإِنْشِقَاق al-anšiqāq
85 22 Meka Ny antokon-kintana ٱلْبُرُوْج al-burūj
86 17 Meka Ny kintana fitarik' andro ٱلطَّارِق aṭ-ṭāriq
87 19 Meka Ilay Avo Indrindra ٱلْأَعْلَى al-aʿlā
88 26 Meka Ilay mpandrakotra ٱلْغَاشِيَة al-ġāšiya
89 30 Meka Ilay vao mangirandratsy ٱلْفَجْر al-fajr
90 20 Meka Ilay tanàna ٱلْبَلَد al-balad
91 15 Meka Ny masoandro ٱلشَّمْس aš-šams
92 21 Meka Ny alina ٱللَّيْل al-layl
93 11 Meka Ny misandratra andro ٱلضُّحَى aḍ-ḍuḥā
94 8 Meka Ny fisokafana ٱلشَّرْح aš-šarḥ
95 8 Meka Ny aviavy ٱلتِّيْن at-tīn
96 19 Meka Ny vaingan-dra ٱلْعَلَق al-ʿalaq
97 5 Meka Ny lahatra ٱلْقَدْر al-q
98 8 Medina Ny porofo ٱلْبَيِّنَة al-bayyina
99 8 Medina Ny horohoron-tany ٱلزَّلْزَلَة az-zalzala
100 11 Meka Ireo soavaly haingam-pandeha ٱلْعَادِيَات al-ʿādiyāt
101 11 Meka Ilay mikotrokotroka ٱلْقَارِعَة al-qāriʿa
102 8 Meka Ny fanangonan-karena ٱلتَّكَاثُر at-takāṯur
103 3 Meka Ny fotoana ٱلْعَصْر al-ʿaṣr
104 9 Meka Ireo mpanendrikendrika ٱلْهُمَزَة al-humaza
105 5 Meka Ny elefanta ٱلْفِيْل al-fīl
106 4 Meka Ireo Koraisita قُرَيْش qurayš
107 7 Meka Ny fanampiana ٱلْمَاعُوْن al-māʿūn
108 3 Meka Ny fahabetsaham-pahasoavana ٱلْكَوْثَر al-kawṯar
109 6 Meka Ireo tsy mpino ٱلْكَافِرُوْن al-kāfirūn
110 3 Medina Ny famonjena ٱلنَّصْر an-naṣr
111 5 Meka Ny tady voarandrana ٱلْمَسَد al-masad
112 4 Meka Ny fahadiovam-pinoana ٱلْإِخْلَاص al-iḫlāṣ
113 5 Meka Ny maraina vao mangirandratsy ٱلْفَلَق al-falaq
114 6 Meka Ny olombelona ٱلنَّاس an-nās

Jereo koa

Tags:

BaibolyFiteny araboFiteny siriakaKor'any

🔥 Trending searches on Wiki Malagasy:

Fampakaram-bady tao KanàJapànaFrantsaMarovatoAmpiposahana (faritra)GoogleAntananarivo2022SakramentaSinaFanjakan' i Israely (mitambatra)Tondra-dranoSikidy malagasyAntenimieram-pirenenaAntemoroMaleziaRepoblikan' i Madagasikara (1992-2009)ArmeniaOhabolanaEtazoniaBorondyTambajotraFototenyMediaWikiGeorges AndriamanantenaTantaran' i Madagasikara1968ZanabintanaKabary tera-baoAlakaosyAmbatolampy TsimahafotsyFitenim-paritra malagasyTanindrazana, Fahafahana, FandrosoanaTsimihetyVoahiranaTsinyHelsinkiBiôgrafiaWilliam III an'i AngleteraTestamenta VaovaoPraiminisitra malagasy2012CaliforniaMeyAmerikaFiangonana Loterana MalagasyAlahamadyMikea1911AndriamasinavalonaIndônezia1989VatosoaSôlômônaTerakaVondrona EorôpeanaNikôtininaLibiaSoisaAdaoroVictoire RasoamanarivoTsirintenyIsraelyGrisyBokin' ny GenesisyBrexit🡆 More