I Kahira na Kairo no renivohitr' i Ejipta, izay tanàna lehibe indrindra ao amin' io firenena io sy manerana an' i Afrika.
Atao hoe القاهرة / Al-Qāhira izy amin' ny teny arabo, fa Le Caire amin' ny teny frantsay ary Cairo amin' ny teny anglisy sy amin' ny teny maro hafa. Ao amin' ny tapany avaratra atsinana' i Ejipta no misy an' i Kahira, eo amin' ny ilany ankavanan' ny renirano Nily. Ao Kahira ny iray ampahefatry ny mponin' i Ejipta. Maro ny mpizaha tany mitsidika azy satria ao akaikiny no ahitana ireo piramida malazan' i Gizà. Tamin' ny taona 969 taor. J.K. no nanorenana ny tanànan' i Kahira. Tanàna maromaro efa nisy taloha no nitambatra ka nanome an' i Kahira. Ny tranainy indrindra amin' ireo tanàna ireo dia efa niorina tamin' ny taona 641. Tamin'ny taonjato faha-16 no nhatratra ny fara tampon' ny lazany i Kahira noho ny fandrosoan' ny raharaham-barotra tao amin' ny Ranomasina Mediteranea.
This article uses material from the Wikipedia Malagasy article Kahira, which is released under the Creative Commons Attribution-ShareAlike 3.0 license ("CC BY-SA 3.0"); additional terms may apply (view authors). Mitondra ny lisansa CC BY-SA 4.0 ny votoatiny raha tsy misy zava-kafa ambara. Images, videos and audio are available under their respective licenses.
®Wikipedia is a registered trademark of the Wiki Foundation, Inc. Wiki Malagasy (DUHOCTRUNGQUOC.VN) is an independent company and has no affiliation with Wiki Foundation.