Solus Christus

Ny andian-teny latina hoe Solus Christus, izay midika ara-bakiteny hoe Kristy irery, dia manambara fa ny famonjena ny fanahin' ny olombelona dia tsy maitsy mandalo amin' i Kristy mivantana sy amin' ny alalany irery ihany.

Adika amin' ny teny malagasy hoe "Kristy irery ihany" na "Jesosy irery ihany" io andian-teny io. Izany dia midika fa i Jesoa Kristy no hany mpanelanelana fa tsy ny mpitondra fivavahana. Ity ainga fototra ity, izay mampiavaka manokana ny prôtestantisma dia isan' ireo andian-teny filamatra dimy manomboka amin' ny teny hoe Sola izay andrin' ny sôteriôlôjia prôtestanta. Azo soratana hoe Solo Christo izay mlidika hoe "amin' ny alalan' i Kristy irery" io andian-teny io.

Tsy mitovy amin' ny lahateny mahazatra ny toritenin' i Lotera izay tsy miakina amin' ny foto-pampianarana sy ny lovantsofina na lovam-pampianaran' ny Fiangonana katôlika tao Rôma. Mihevitra i Lotera fa ao amin' ny Baiboly no misy ny foto-pivoasana ao amin' ny Filazantsara (na Evajely) sy ny Epistily (na Taratasy) momba an' i Jesoa Kristy, indrindra ao amin' ny Epistily ho an' ny Rômana; amin' ny Prôtestanta miorina amin' ny Solus Christus, izany dia mifandray amin' ireo fanambaràna lehibe ao amin' ny Fanekem-pinoana apôstôlika sy ny fanekem-pinoana hafa rehetra noraisin' ny ankamaroan' ny Prôtestanta toy ny Fanekem-pinoana aogostana. Ny hoe Solus Christus dia manambara fa ny famonjena ny fanahin' ny olombelona dia tsy amin' ny alalan' ny fanelanelanan' ny andrim-pivavahana (latina: institutio) na ny olona masina na ny sisan-javatra navelan' ny maty (latina: reliquiae).

Jereo koa

Tags:

FamonjenaFiteny latinaJesoa KristyPrôtestantismaSôteriôlôjia

🔥 Trending searches on Wiki Malagasy:

Zanatanin' i Madagasikara sy ny tany miankinaOsyFanonganam-panjakanaFiteny kazàkaPeteraAlan TuringFiangonana Loterana MalagasyKalandrie GregorianaBetsileoFrantsaFanambadianaPio XMickey MouseFanekem-pinoanaFiombonan' ny Fiangonana Kristiana eto MadagasikaraEuryceros prevostiiRanavalona ITamotamoParisyLiga araboISO 3166-117 DesambraVaryVondrona EorôpeanaGeorges AndriamanantenaZon' olombelonaRaki-pahalalanaFrank ZappaMaritranoFitampohaKabary am-panambadianaRafitra kôneksiônalyBob KhannaFiraisana ara-nofoPakistànaDrônaRanavalona IIAlakaraboTodyRova ManjakamiadanaRainay any an-danitraAngovo azo havaozinaMayotte2 Desambra1188Tetiandro litorjika kristianaFokom-pirenen' i Israely1900PrôtestantismaVondrom-pokoBrezilaMerinaAndry RajoelinaGuangdongSiansaMosavy (finoana malagasy)Fameno (fitsipiteny)AntemoroTendrombohitraAmbaliha (Ambanja)Tongolo gasyAntesakaHaisoratraVy Vato SakelikaGregor Mendel1974FanatontoloanaMpandrindra milinaZavaboarySalamo faha-422020ZebraKolontsaina malagasyFaritra Atsimo-AndrefanaPaoly (apôstôly)🡆 More