Epistily Ho An' Ny Rômana

Ny Epistily ho an' ny Rômana na Taratasin' i Masindahy Paoly ho an' ny Rômanina dia boky hita ao amin' ny Baiboly, ao amin' ny Testamenta Vaovao, isan' ny epistily nosoratan' i Paoly.

Taratasy nosoratan' i Paoly ho an' ny Kristiana tany Rôma izy io ka ao izy no mamelabelatra fa ny finoana an' i Kristy ho mpamonjy no hanamarinana sy hamonjen' Andriamanitra ny olona rehetra na dia mpanota aza. Teo anelanelan' ny taona 55 sy 58 no nanoratana azy. Misy toko 16 ity boky ity.

Ny anaran' ny boky

Επιστολή προς Ρωμαίους / Epistolê pros Rômaious ny anarany amin' ny teny grika ary Epistula ad Romanos kosa amin' ny teny latina. Maro ny fomba iantsoana io boky io amin' ny fiteny malagasy: Epistily ho an' ny Romana (izay hafohezina amin' ny hoe Romana), hoy ny Prôtestanta malagasy sy ny ankamaroan' ny Kristiana malagasy tsy katôlika. Epistolà na Taratasin' i Paoly ho an' ny Rômanina (na Rômanina) hoy ny Katôlika malagasy.

Fanoratana ny boky

I Paoly no lazaina fa nanoratra ity epistily ity teo anelanelan' ny taona 55 sy 58 tao Kôrinto.

Famintinana

Nanoratra ity taratasy ity i Paoly mba hampahafantarany ny tenany sy ny hafany amin' ny fiangonana any Rôma. Mbola tsy nandeha tany amin' ity tanàna malaza ity izy, nefa maro ny Kristiana izay efa fantany anarana sady maniry ny hamangy azy ireo tsy ho ela izy (Rôm. 15.22 - 16.21). Manambara amin' izy ireo i Paoly fa apôstôly voafidy hitory ny vaovao mahafaly izy. Ka ny hafatra ambarany dia ny hoe: "Fa tsy menatra ny filazantsara aho; fa herin' Andriamanitra ho famonjena izay rehetra mino izany, amin' ny Jiosy aloha, dia vao amin' ny Jentilisa koa." (Rôm. 1.16). Amin' ny alalan' ny finoana an' i Jesoa Kristy fa tsy amin' ny alalan' ny Lalàna no hahafahan' Andriamanitra mandray ny olona na Jiosy/Jody izy na Jentilisa/Jentily (Rôm. 3.21-24; 4.25). Mampahatsiahy ny mpamaky i Paoly fa efa nanota avokoa ny olona rehetra sady tsy manana ny voninahitr' Andriamanitra (Rôm. 3.23).

Mamaly izao fanontaniana izao ity epistily ity: Ahoana no haneken' Andriamanitra antsika? Satria ny Jiosy tsy nanaja ny Lalàn' i Mosesy; ary ny Jentilisa tsy nanaiky hino izay zavatra lazaina ny amin' Andriamanitra na dia efa niteny taminy tamin' ny fomba maro samihafa aza Andriamanitra (Rôm. 1.18 - 3.20).

Fizaran'ny boky

Azo zaraina telo ny boky:

- Ny fahamarinana avy amin' ny finoana (1.1 - 8.39);

- Firenena voafidin' Andriamanitra i Israely (9.1 - 11.34);

- Fiainam-baovao: fiainam-pitiavana (12.1 - 16.27).

Ny fahamarinana avy amin' ny finoana (1.1 - 8.39)

  • Samy meloka ny olona rehetra (1.18 - 3.20)
  • Ny finoana an' i Jesoa Kristy no anamarinana ny olona (3.21 - 4.25)
  • Fiainam-baovao ho an' ny olona nohamarinina (5.1-21)
  • Ny fiainana miaraka amin' i Kristy (6.1 - 7.25)
  • Ny fiainan' ny mino ao amin' ny Fanahin' Andriamanitra (8.1-39)

Firenena voafidin' Andriamanitra i Israely (9.1 - 11.34)

  • Tsy lainga ny tenin' Andriamanitra (9.1-21)
  • Samy vahoakan' Andriamanitra na Jiosy na Jentilisa rehefa mino (9.24-29)
  • Ny tsy finoan' i Israely no maha toy izao azy (9.30 - 10.21)
  • Tsy lavin' Andriamanitra ny olony (11.1-34)

Fiainam-baovao: fiainam-pitiavana (12.1 - 16.27)

  • Ny fomba iainan' ny mpino ny fiainam-pitiavana (12.22 - 12.21)
  • Tokony hanaja ny mpitondra fanjakana (13.1 - 13.14)
  • Tokony hahay mandefitra (14.1 - 15.13)
  • Teny fanaovam-beloma (15.14 - 16.24)
  • Fankalazana an' Andriamanitra (16.25 - 16.27)

Jereo koa

Ireo Epistilin' i Paoly:

Boky hafa ao amin' ny Baiboly:

Tags:

Epistily Ho An' Ny Rômana Ny anaran ny bokyEpistily Ho An' Ny Rômana Fanoratana ny bokyEpistily Ho An' Ny Rômana FamintinanaEpistily Ho An' Ny Rômana Fizaranny bokyEpistily Ho An' Ny Rômana Jereo koaEpistily Ho An' Ny RômanaBaibolyEpistilin' i PaolyJesosyPaoly (apostoly)Rôma TalohaTestamenta Vaovao

🔥 Trending searches on Wiki Malagasy:

Radama VoalohanyRepoblika Demokratika MalagasyAbidy Ara-drafipeo Iraisam-pirenenaFanahin' ny vatanaSilamo eto MadagasikaraLloyd KaufmanShikohabadDox (Jean Verdi Salomon Razakandrainy)MadagasikaraMisiona Evanjelika Teratany eto MadagasikaraFaritra DianaAmerikaApôkalipsin' i Pseodô-MetôdiôsyBoky fahadimin' ny MakabeoRatsimilahoNew YorkFiteny tamilyForbesEtazoniaBoky voalohan' ny MakabeoRafitra fitantanana votoatinyAostraliaTanindrazana, Fahafahana, FandrosoanaFatranaKristianismaApôkalipsy voalohan' i JakôbaVadin' i MohamadyAnjelyBokin' i IsaiaEvan'ny zodiakaAveloApôkalipsin' i JoanyTanzania1167Faritra eto MadagasikaraLalan-jazaTolom-bahoaka tamin' ny 1947Sakramentan' ny fanambadianaWikipediaAurangzebBoky faharoan' i HenôkaVitaly LagutenkoTestamenta VaovaoRalaimongo JeanKhadija al-SalamiFanandroana malagasyTokantranoFilôzôfiaApôkalipsin' i StefanaBiôgrafiaTovona (fitsipiteny)AntsirananaBaiboly katôlikaRazana (finoana malagasy)Soratra MasinaFrantsaTom KilburnRajoelina AndryFiloham-pirenena sy mpanjakan'i MadagasikaraFanjakana MitambatraFandikan-tenyReniranoJEvanjelin' i BarnabàNjakatianaTsirintenyVolamenaTantaran' i MadagasikaraPlotoPôlitika eto MadagasikaraBob KhannaAdy Lehibe Faharoa🡆 More