Sola Gratia

Ny andian-teny latina hoe Sola gratia, izay midika hoe amin'ny alalan'ny fahasoavana irery, dia enti-manondro ny ainga fototra kristiana izay milaza fa ny famonjena ny fanahin'ny olombelona dia amin'ny alalan'ny fahasoavana irery ihany, izany hoe amin'ny alalan'ny sitrapon'Andriamanitra irery ihany.

Ny teolojiana miteny malagasy dia mandika an'io andian-teny latina io hoe "Fahasoavana irery ihany".

Tsy mendrika ny famonjena azony avy amin' Andriamanitra ny olombelona, nefa nomen'Andriamanitra azy maimaimpoana amim-pitiavana izany. Izany koa no mahatonga ny olona ho afaka mitia. Ny maha izy azy ny olona iray eo anatrehan'Andriamanitra dia tsy miankina amin'ny fitiavany an'Andriamanitra na noho ny toetra tsara ananany na ny fahamendrehany na ny toerany eo amin'ny fiarahamonina.

Ity foto-pampianarana ity dia nipoitra avy amin'ny hevitr'i Aogostino ny amin'ny famonjena ny fanahin'ny olombelona, famonjena izay tsy afaka ho avy tokoa raha tsy amin'ny fanapahan-kevitr'Andriamanitra, satria Andriamanitra dia mahefa ny zava-drehetra sy mahalala ny zava-drehetra.

Niezaka ny tsy hanala tao amin'ny teolojiany ny fahafahan'ny olombelona izay miseho amin'ny alalan'ny finoana sy ny asa anefa i Aogostino na dia mihena dia mihena kely ny fahafahan'ny olombelona misafidy noho ny fahotan'i Adama.

Nambaran'ny Fiangonana katolika tamin'ny Konsily faharoa tao Orange tao Frantsa tamin'ny taona 529 io ainga fototra io izay nanameloka koa ny petrakevitry ny fanendrena rahateo ny ho voavonjy sy ny tsy ho voavonjy. Ao amin'ny protestantisma dia iray amin'ireo andian-teny fototra dimy manomboka amin'ny hoe Sola ny Sola gratia.

Ny fahasoavana ao amin'ny kristianisma

Ao amin'ny fivavahana kristiana, ny fahasoavana (grika: χάρις / kharis) dia fanampiana avy amin'Andriamanitra omena ny olombelona mba hahazoany famonjena, izany hoe ny fahafahana amin'ny fanamelohana sy ozona mandrakizay. Mety hifandray amin'ny famelan-keloka sy amin'ny fitiavana ary amin'ny hatsaram-pon'Andriamanitra ny fahasoavana. Tany Andrefana dia nodinihin'ireo teolojiana ny fifandraisan'ny fahasoavana sy ny safidin'ny olombelona; ka niadian-kevitra sy nifanoheran'izy ireo ny fahombiazana na ny fahampian'ny fahasoavana hahazoana famonjena.

Ho an'ny Protestanta dia ilazana ny fanomezana ny olombelona ny famonjena maimaimpoana ao amin'i Jesosy Kristy izay mitarika ho amin'ny finoana izany. Ny maha izy azy ny olona iray eo anatrehan'Andriamanitra dia tsy miankina amin'ny fitiavany an'Andriamanitra na noho ny toetra tsara ananany na ny fahamendrehany na ny toerany eo amin'ny fiarahamonina, fa ny fahasoavana irery ihany (latina: Sola gratia).

Ny Sola gratia ao amin'ny protestantisma

Izany fanambaràna izany dia midika fa ny olombelona dia tsy voavonjy amin'ny alalan'ny asany, na ara-pitondrantena izany na amin'ny fitiavam-bavaka. I Lotera dia naniry ny hanorina fifandraisana misy fitokisana amin'Andriamanitra fa tsy fifandraisana miorina amin'ny fatahorana sy ny fahamelohana intsony. Ny fanasan'ny Tompo (eokaristia) izay ankalazaina isaky ny fanompoam-pivavahana ahitana toriteny dia mampahatsiahy antsika fa Andriamanitra dia fitiavana amin'izao fotoana izao no azo tsapain-tanana ao amin'ny asa azo tsapain-tanana nataon'ny Zanany izay nanolo-tena hamonjena ny olombelona.

Jereo koa

Loharano


Tags:

Sola Gratia Ny fahasoavana ao aminny kristianismaSola Gratia Ny Sola gratia ao aminny protestantismaSola Gratia Jereo koaSola Gratia LoharanoSola GratiaFiteny latinaFiteny malagasy

🔥 Trending searches on Wiki Malagasy:

Fiteny jeôrjianaRahona1870(102825) 1999 VQ183Grigori RaspoutineDidy FoloHara-magedônaFiraisan' ny Skotisma eto MadagasikaraFanahy (kolontsaina malagasy)Fiombonan' ny Fiangonana Protestanta eto Madagasikara30 JanoaryMontangesLaura MañáRenirano1946AbidyMozikaMakoa2002Siméon RajaonaRSSAlahasatyAntiziônismaTantaran' ny Repoblika Demôkratikan' i KôngôSafet SušićFiteny araboAbdelkader LaïfaouiRanomasina adriatikaVondrona EorôpeanaHaikoriam-boanaratraHira (maky)David HalpertFaritra AtsinananaKor'anyAsabotsyYokohama17 DesambraCulètreLalana (sikidy)AlahamadySeisely426Ny Avana RamanantoaninaVoalobokaWuhanZanak' AndriamanitraKôngô-Brazzaville1649Sora-tsikidy malagasyBiôgrafiaEpistilin' i PaolyBoris KernerSavoaKinshasa1789ZafisoroZanahary (finoan-drazana malagasy)Kanaana (faritra)Ranomasina MatyÔgoza (vahoaka)Davida (mpanjaka)Fameno (fitsipiteny)Konrad ZuseZavakantoOmbyVoronaAmbassaBaibolyFiloham-pirenena sy mpanjakan'i MadagasikaraIsraelyItaliaFianarantsoa1975PôlôniaTaom-baovao malagasyAntesaka🡆 More