Soli Deo Gloria

Ny andian-teny latina hoe Soli Deo gloria, izay adika amin'ny teny malagasy hoe an'Andriamanitra irery ny voninahitra dia iray amin'ireo ainga fototry ny fivavahana kristiana noraisin'ireo teolojiana protestanta, ka isan'ireo andian-teny latina noraisina ho teny filamatra miisa dimy.

Izany dia midika fa Andriamanitra irery ihany no masina, manana ny fomba maha Andriamanitra azy fara tampony. Noho izany, tsy misy ezaka na asan'olombelona afaka hihambo hanana toetra fara tampony sy tsy azo ovana na sahaza ho an'ny olona sy ny zavatra rehetra, isan'izany ny teolojia. Ankoatra izany, ny fanomezan'Andriamanitra fahalalahana ny olombelona dia mahatonga ny Protestanta hankasitraka ny rafi-piarahamonina mandala ny fahasamihafana sy ny fahalalahana.

Avy ao amin'ny Epistily voalohany ho an'i Timoty (1Tim. 1.17) sy ny Epistily nosoratan'i Joda (Joda 1.25) ao amin'ny dikan-teny latinan'ny Baiboly atao hoe Volgata (latina: Vulgata) ny andian-teny hoe "Soli Deo gloria".

Tsy tokony hisy ny fanompoam-pivavahana atao amin'olombelona na aiza na aiza, na maty na velona; tsy tokony hisy fanompoam-pivavahana atao amin-javatra hafa, na amin'ny sary, tanterahin'ny Protestanta. Ny mofo sy ny divay, izay misolo ny vatana sy ny ran'i Kristy ao amin'ny fanasan'ny Tompo dia tsy anaovana fanompoana na fitsaohana. Rehefa mamerina ny fahatsiarovana an'i Kristy sady miaiky ny fanatrehany ny mpino, dia samy fanomezan'Andriamanitra ny mofo sy ny divay, sahala amin'ny zavatra hafa rehetra. Tsy ivavahana ny Baiboly na dia mihaino ny famakiana azy amin-pifantohana aza ny mpino.

Jereo koa:

Tags:

Fiteny latinaFiteny malagasyTeolojia

🔥 Trending searches on Wiki Malagasy:

Calvin CoolidgeKutub al-SittahMarôkaFisoronana sy fanalana vintanaFiteny rosianaCuambaNizerià2022Kurt GödelFiangonan' i Jesoa Kristy ho an' ny Olomasin' ny Andro FaranyBatmanKrimeaMoctezuma IITanindrazana, Fahafahana, FandrosoanaLisitry ny zavatra madinidinika 60001-61000KaremyAlakaosyBorondyTrombaAhmed Salah HosnyJinyLichinga119311 NovambraTim HetheringtonAdijadyAostraliaFiadiana ny tompondaka eran-tany ho an’ny kitra 2010Lisitry ny zavatra madinidinika 24001-250001927Fanasan-tongotra (fivavahana)Apôkalipsin' i JoanyYzeuxZanak' AndriamanitraRirininaAngatra (aretina)SolosainaTeôlôjia silamoTeôlôjian' ny hazo fijalianaAntoko pôlitika malagasySandam-bolaFotopampianarana sy FanekempihavananaAlahamadyKuleAntemoro31 MartsaJeôgrafiaSiansaRun Run ShawEpistilin' i PaolyNôrvezyPaska jiosyHaitsikerafitenyFiloham-pirenena sy mpanjakan'i MadagasikaraSaryAbidy Ara-drafipeo Iraisam-pirenenaTetiandro malagasyNeville SouthallFiteny irlandeyJack LondonHerbert Eugene IvesLouisianaRalaimongo JeanKasaoka22 NovambraEstera (ao amin'ny Baiboly)Taom-baovao malagasyJean NarivonyBakteria🡆 More