Ny seitana na saitana, araka ny finoan' ny Miozolmana, dia karazana demony.
Atao amin' ny teny arabo hoe شيطان / shayṭān raha milaza tokana, fa شياطين / shayāṭīn kosa raha milaza maro. Mifandray amin' ny teny hoe satana ao amin' ny fivavahana kristiana ny hoe seitana ka indraindray afaka mifampisolo ny hoe seitana sy ny hoe satana raha resahina ny finoana silamo. Misy ny fahasamihafana eo amin' ny finoana silamo raha ny amin' ny fiandohan' ny demony no resahina. Ny seitana dia mety ho sokajin-javaboary voaroaka avy any an-danitra, na taranak' i Iblisy (arabo: إِبْلِيس / Iblis). Tsy mitovy amin' ny jiny sy ny olombelona ny seitana satria tsy mety maty nefa hofoana rehefa rava izao tontolo izao, ary ny vavaka dia afaka mandevona na mandroaka azy ireo. Tsy mitovy amin' ny jiny na ny olombelona anefa ny seitana satria tsy hahazo famonjena. Misy koa ny finoana ilazana fa miezaka ny hankany an-danitra ny seitana nefa mandroaka azy ireo ny anjely na ny kinta-mitsoriaka. Amin' ny ankapobeny dia tsy mipetraka amin' olombelona ny seitana fa mibitsibitsika fanahiny sady mitaona azy amin' ny lainga sy ny fahotana. Antsoina amin' ny teny arabo hoe waswās izy ireo ary afaka miditra ao am-pon' ny olona mba hanaratsy toetra azy, indrindra amin' ny fanomezany azy fihetseham-po mafy toy ny fikorontanan-tsaina mitondra lahelo sy hakiviana na hatezerana.
This article uses material from the Wikipedia Malagasy article Seitana, which is released under the Creative Commons Attribution-ShareAlike 3.0 license ("CC BY-SA 3.0"); additional terms may apply (view authors). Mitondra ny lisansa CC BY-SA 4.0 ny votoatiny raha tsy misy zava-kafa ambara. Images, videos and audio are available under their respective licenses.
®Wikipedia is a registered trademark of the Wiki Foundation, Inc. Wiki Malagasy (DUHOCTRUNGQUOC.VN) is an independent company and has no affiliation with Wiki Foundation.