Fitodika Zoina

Ny fitodika zoina dia fitodiky ny fehezanteny ahitana teny na tarika misahana ny anjara asa lazaina raha tokony ho fameno zoina, sady matetika ahitana matoanteny na amin' ny fiendrika mifanentana amin' io fitodika io, arakaraka ny fiteny.

Amin' ny ankapobeny, ao amin' ny fiteny iray, dia tsy tokana ny fitodika zoina fa maro. Mifamaly amin' ny fitodika zoina ny fitodika toe-javatra, ny fitodika mpanao (na fitodika mihatra), ny fitodika mpampanao, ny fitodika mpifanao, sns.

Ny fitodika zoina ao amin' ny fiteny malagasy

Ny fitodika zoina ao amin' ny haiteny ara-piofohana

Amin' ny fiteny malagasy, ny fitodika zoina, araka ny haiteny ara-piofohana, dia mety hiseho amin' ny fiendrika anoina na amin' ny fiendrika añanovana, sady misy karazany enina, ka ny iray fitodika zoina iharana fa ny dimy sisa rehetra fitodika zoina tsy iharana, dia ny fitodika zoina fitaovana, ny fitodika zoina alalana, ny fitodika zoina tanty, ny fitodika zoina tolorana ary ny fitodika zoina toerana. Tsy manavaka ny fitodika iharana amin' ny fitodika atao ny haiteny ara-piofohana.

Ny fitodika zoina iharana

Ohatra:

Kapohinan' ny ankizy ny omby.

Ny fitodika zoina fitaovana

Tsy afangaro ny fitodika zoina fitaovana sy ny fitodika zoina alalana.

Ohatra:

Akapoky ny ankizy ny omby ny kibay. (= Ikapohan' ny ankizy ny omby ny kibay).

Ny fitodika zoina alalana

Tsy afangaro ny fitodika zoina fitaovana sy ny fitodika zoina alalana.

Ohatra:

Anenjehan' ny olona lambo ny alika.

Ny fitodika zoina tanty

Tsy afangaro ny fitodika zoina tanty sy ny fitodika zoina fitaovana.

Ohatra:

Rosoan' ny tompon-trano sakafo ny olona nasaina.

Ny fitodika zoina tolorana

Tsy afangaro ny fitodika zoina tanty sy ny fitodika zoina tolorana.

Ohatra:

Ivarotan-janako ny fiara ilay mpanan-karena.

Ny fitodika zoina toerana

Ohatra:

Ijanonan' ny fiara ny eo amoron-dalana.

Ny mifanandrify amin' ny fitodika zoina ao amin' ny haiteny ara-drafitra

Ny fitodika iharana sy ny fitodika atao

Ny fitodika iharana sy ny fitodika atao dia mifangaro ao amin' ny fitodika zoina iharana.

Ohatra:

  • Kapohinan' ny ankizy ny omby. (iharana)
  • Atoraka ny vato. (atao)

Ny fitodika fitaovana

Ny fitodika fitaovana dia mitsinjara ho fitodika zoina fitaovana sy fitodika zoina alalana.

Ohatra:

  • Akapoky ny ankizy ny omby ny kibay.
  • Anenjehan' ny olona lambo ny alika.

Ny fitodika mpandray

Ny fitodika mpandray dia mitsinjara ho fitodika zoina tololorana sy fitodika tanty, raha ny heviteny ihany no ifotorana.

Ohatra:

  • Rosoan' ny tomoon-trano sakafo ny olona nasaina.
  • Ivarotan-janako ny fiara ilay mpanan-karena.

Ny fitodika mpamari-toe-javatra (toerana)

Ny fitodika mpamari-toe-javatra (ilay milaza toerana) dia mizara amin' ny fitodika toe-javatra toerana (famenon' ny fehezeanteny) sy fitodika zoina toerana (famenon' ny entimilaza).

Ohatra:

Ijanonan' ny fiara ny eo amoron-dalana.

Jereo koa

Tags:

Fitodika Zoina Ny fitodika zoina ao amin ny fiteny malagasyFitodika Zoina Jereo koaFitodika ZoinaFameno zoinaFitodika (fitsipiteny)Fitodika mpampanaoFitodika mpanaoFitodika mpifanaoFitodika toe-javatraLazaina (fitsipiteny)Matoanteny

🔥 Trending searches on Wiki Malagasy:

DokuWikiTanyFokom-pirenen' i SimeônaFahavaratraHaihaySaryKabaryPrôtestantismaMpampitohy (fitsipiteny)Azia Atsimo-AtsinananaEmperora CixiAogostino avy any HipônaFahazavanaFibebahanaFanambaràna Iraisam-Pirenena momba ny Zon' OlombelonaJodaismaGeorges AndriamanantenaFanambaràna ny hevitry ny nofyAdijadyBrezilaPeteraWilliam ShakespeareFanagasianaFiteny soedoàNy valanaretin'ny coronavirus eto MadagasikaraPakistànaAndriamangariraKabary famangianaJoroEjiptaSôdômaMounir Aziz DaoudTontolo iainanaBootzheimMarc RavalomananaZivaBaiboly amin' ny teny malagasySakramenta ao amin' ny fiangonana katôlikaRabibyAsombolaMadagasikaraTantaran' ny Repoblika Demôkratikan' i KôngôPoaceaeBokin' ny GenesisyZafisoroAviavyMahafalyFaribolana SandratraTantara ny Andriana eto MadagasikaraEkiomenismaKilalakyWikibolanaRepoblika Demokratika MalagasyFanavakavaham-bolon-koditraSinemaAsa AkiraPôlitika eto MadagasikaraPaul CézanneTetiandro malagasyParisEuryceros prevostiiMpisolo manondroAhidamboZavaboaryFanonganam-panjakanaDox (Jean Verdi Salomon Razakandrainy)Misiona Evanjelika Teratany eto MadagasikaraFrank ZappaIslandyKameronaJiosyFilazantsara araka an' i LiokaMalagasy (vahoaka)🡆 More