Fiangonana Katôlika Tatsinanana

Ny Fiangonana katôlika tatsinanana dia fitambaran' ireo fiangonana any Atsinanana izay miombona amin' ny Papa ao Rôma sy manaiky ny fahamboniany, nefa izy ireo manao ny fombam-pivavahana tatsinanana (kôpta, siriaka tandrefana, marônita, siriaka tatsinanana, bizantina, armeniana ary gezy).

Atao hoe "Fiangonana mizaka tena" na "Fiangonana manana ny lalànany manokana" (latina: sui iuris) izy ireo ao amin' ny voambolana katôlika, nefa heverina fa Fiangonana katôlika feno sahala amin' ny Fiangonana latina. Na dia samy tatsinanana aza dia tsy Fiangonana ôrtôdôksa izy ireo. Atao hoe "Fiangonana oniata" na "Fiangonana grika katôlika" na "Fiangonana katôlika manaraka fomba bizantina" koa izy ireo. Raha ny lafiny fombafombam-pivavahana dia tsy mifanalavitra firy amin' ny fomban' ny Kristianisma ôrtôdôksa ny Fiangonana katôlika tatsinanana ka izy manaiky ny fahambonian' ny Papa ihany no tsy maha Ôrtôdoksa azy ireo.

Isan' ny Fiangonana katôlika tatsinanana ny Fiangonana katôlika marônita, kôpta, armeniana, indiana, grika, eritreana ary etiôpiana. Tsy any Atsinana sy ao Eorôpa Atsinanana ihany no ahitana azy ireo fa nanaraka ireo am-pielezana ka misy any Amerika sy Ôseania ary Eorôpa Andrefana koa.

Jereo koa

Tags:

Fiangonana latinaFiangonana ortodoksa tatsinananaKristianisma ortodoksaPapaRômaTontolo Atsinanana

🔥 Trending searches on Wiki Malagasy:

KôlômbiaMir Alisher NavoïAostraliaKôngô-BrazzavilleFiteny malagasyFiteny neerlandeyVoninahitra (fivavahana)Misiona Evanjelika Teratany eto MadagasikaraTovana (fitsipiteny)GoogleFady (malagasy)Rajoelina AndryFangitra ara-jeografiaRuhollah KhomeiniPenguin1973Fiteny malayArabia SaoditaAsidra dezôksiribôniokleikaAbidy Ara-drafipeo Iraisam-pirenenaHebreo (vahoaka)OndryWiki CommonsTetiandroMetôdiôsy avy any Ôlimpôsy(103906) 2000 DJ58(104249) 2000 EQ136Vavaka dimy fanao isan' andro (silamo)Apôkrifan' i JakôbaTantaraEkoadôraFiteny estônianaFiarahamoninaNederlandyBritaina LehibeWikimaniaFanekem-pinoana1899Fiangonana zandrinyEbrahim HatamikiaMistery masinaFamelabelarana faharoa ny amin' ny Seta LehibeMpanoritraOnjam-peoHaitsikerafitenyDistrika eto MadagasikaraAlex Rodrigo Dias da CostaVietnamyFameno (fitsipiteny)Fifohazana AnkaramalazaHossein SadaghianiIsa voasainaFiteny antefasyQIT Madagascar MineralsFiteny anglisyTorkiaAbraham TrembleyVoalavo1977Aleksandra LehibeEpistily ho an' ny RômanaKilamba-KiaxiFaritra BoenyTodyKapveraÔfita🡆 More