Ananambo

Ny ananambo na ananantaka na boredy morongo dia karazana hazo madinika ao amin' ny vondron-karazana Moringa ao amin' ny fianakaviana Moringaceae.

Moringa oleifera no anarany ara-tsiansa.

Ananambo
Ananambo

Avy any India sy Srilanka ity zavamaniry ity, ary saika zatra maniry amin' ny faritra trôpikaly rehetra: ity hazo madinika mamokatra voniny tsara ho an' ny tantely ity dia haingam-pitombo, mahatanty haintany. Mahatratra 10 metatra ny hahavony. Atao legioma ny voany sy ny raviny. Ny tsimoka amin' ny tahony maitso dia miseho amin' ny tapaky ny volana Mey rehefa manomboka mitombo indray ilay zavamaniry. Ny voany koa dia ampiasaina hanadiovana rano, ho fanasan-damba, na atao fanafody.

Toetoetrany

Ananambo 
Vonin' ny ananambo

Ity zavamaniry dia misy nofony malemy sy mahatanty nofon-tany tsy ampy rano noho ny fananany fototra mibotsina. Haingam-paniry sy malaky mihintsan-dravina izy ary mety mahatratra 10 hatramin' ny 12 m ny haavony fa ny savaivony kosa mety mahatratra 45 sm. Ny hodiny dia fotsy manopy volombatolalaka voahodidina hodi-maina maivana sy matevina.

Ananambo 
Foatotra ananambo

Ny ananambo tanora dia mena manopy volomparasy na fotsy manopy maitso, ary ny tahony dia rakotra tsibolobolo malemy. Ny rantsany manify sy marefo mandoroboka ary mielanelana malalaka sady mirefarefa dia azon-drivotra tsara. Ny vatany dia misy dity sy hodiny maitso hatsatra, misy tampony tsy dia maranitra. Ny raviny izay miendrika volom-borona dia misampana intelo sady misy zanapelana miendrika boribry lavalava.

Ananambo 
Voan' ny ananambo

Ny voniny mamerovero no sady ahitana vavimbony sy lahimbony dia misy ravimbony 5 ary felambony 5 tsy mitovy habe, miloko fotsy manopy mavo sady ahitana lalan-dranony madinika maro, lahimbony 5 sy lahimbiony tsy vanona 5, fihary tsaika iray misy tranontsaika telo 3 ahitana tsirivavy maro. Manodidina ny 1,0-1,5 sm ny lavan' izy ireo ary 2,0 sm ny sakany. Zavamaniry mamokara akora mety amin' ny famokarana tantely ny ananambo. Ny vovobony sy ny maminy dia ahazoana ny "tantely môringa".

Ny fotoana mampamony azy dia mitranga ao anatin' ny enim-bolana voalohany aorian' ny fambolena azy. Any amin' ny faritra mafanafana kokoa, ny famoniany dia miseho indray mandeha isan-taona (eo anelanelan' ny volana Avrily sy Jona any amin' ny ila-bolantany avaratra). Arakaraka mari-pana sy ny rotsak' orana dia mety ho indroa isan-taona ny fotoana mampamony azy, na mety mandritra ny taona mihitsy aza.

Ananambo 
Voan' ny ananambo efa maina

Ny voany dia lava mirefarefa, telozoro, miloko manja, miaty voakely misy menaka toao manana elatra 3. Mivadika manja matroka ny voany rehefa matoy, izay mirefy 20-45 sm ary 1 sm eo ho eo ny savaivony ary mety misy voakely 30 eo ho eo. Ny voakely boribory kely dia misy toa elatra telo fotsy manify toy ny taratasy mipoitra eo amin' ny fonony mitovy amin' ny an' ny voanjo. Aparitaky ny rivotra sy ny rano izy ireo.

Eo amin' ny fambolena, dia matetika esorina ny rantsany (indrindra ny maina) 1 ka hatramin' ny 2 m isan-taona, mba hahamora ny fakana ny voany sy ny raviny amin' ny sampany hitsimoka aty aoriana.

Jereo koa

Tags:

🔥 Trending searches on Wiki Malagasy:

Fiteny indônezianaBokin' ny GenesisyFanjakana MitambatraGeorges AndriamanantenaEjiptaKalandrie GregorianaFiteny nepaleyTetiandro etiopianaSokajin-tenyBolokyMetodisma22 AprilyJesoaEvanjelismaToetanin-jana-pehin-tanyRepoblika Entim-Bahoakan' i SinaSiliaApôstôly roa ambin' ny foloLalàmpanorenan' i Madagasikara2015KataraIndôneziaMasikoroMediaWikiNikôlà IIIAnamalahoMayotte1900AntandroyRadama IIFiteny hebreoTorkmenistàna28 DesambraZanabintanaSakafo malagasy2 DesambraFanavakavaham-bolon-koditraAntiôkiaRepoblika Demokratika MalagasyPrôtestantismaFizaràn-taonaLahatraMôsikaoFiteny malagasyAdy Lehibe Faharoa28 MartsaHasidismaFamadihanaAdizaozaMpisolo toerana (fitsipiteny)Fiteny anglisyFanekem-pinoana atanazianaSakramentan' ny filaharanaGoogleSiriaTsinySôdôma sy Gômôra2012TanyKabary am-panambadianaBaraMasoandroMosavy (finoana malagasy)EtazoniaFanagasianaKilalaoRavalomanana Marc🡆 More