Uncyclopedia, mitonon-tena ho « raki-pahalalan'ny fampahalalana diso », dia miavaka amin'ny raki-pahalalana fahita, satria izy dia ahitana fampahalalana iniana atao ho tsy marina na mivilana sy mahatsikaiky.
Hala-tahaka an'i Wiki izy, nefa tsy amin'ny fomba mahasosotra fa mampihomehy, ary milaza aza izy fa ny Wiki no naka tahaka azy, na dia izy aza no nisy taorian'ny Wiki Malagasy.
Ny lahatsoratra hita ao amin'i Uncyclopedia dia mifanohitra amin'izay fantatry ny daholobe, kidaladala matetika, ary tsy misy ifandraisany firy na tsy misy ifandraisany mihitsy amin'ny tena zava-misy marina.
Ohatra, ny lahatsoratra algorithme dia manazava io teny io hoe « antony (rythme) mampandihy an'i Al Gore ». Ny lahatsoratra momba an'i Al Gore dia milaza fa tsy mbola afaka aseho io pejy io, ary tokony hamerina hamorona ny Internet i Al Gore.
Kitoatoa ny famaritana ny jeografia, tandrametaka ny fametrahana ny tanàna sy firenena : ny lahatsoratra Saxe ohatra dia mamaritra azy ho « Tanàna lehibe ao Frantsa andrefana akaikin'ny morontsirak'i Espaina ». I Billy Ocean ohatra dia anisan'ireo bambandrano (océan) lehibe indrindra eran-tany.
Vazivazy fahita matetika ny famoronana fitenin'olona iray, amin'ny endriny mitovitovy amin'ny fiteny fanaony, na amin'ny endrika hafa mihitsy.
Lohahevitra hafa fahita matetika :
Jesoa Original, Jesoa Zazakely sy Ultra Jesus mba hanampy ny tetika ara-barotry ny Fiangonana).
Anisan'ireo toerana manan-danja indrindra ny Renipejy. Nanjary fomba mahazatra teo ny mankalaza zava-mitranga maro (izay noforonina ny sasany). Ohatra amin'izany :
Ny Renipejy ihany koa no sehatra ahitana ny "sary ankehitriny" izay sary manala azy, ary iantsoana ny mpandray anjara hanao fifidianana.
Ny volana janoary 2005 no nanomboka nisy ny Uncyclopedia, ary i Jonathan Huang (Chronarion) no isan'ny namorona azy. Tsy miankina amin'ny tetikasa Wikipedia izy, ary ny antony namoronana azy dia maro ireo lahatsoratra sy ampahan-dahatsoratra tao amin'i Wiki izay nangatahina hoesorina noho ny tsi-fahamatorany, nefa tsy tiana ho very tanteraka na dia izany aza fa mba havondrona anaty toerana anankiray. Marihina anefa fa tsy nampiasaina hanaovana dokambarotra azy mihitsy i Wikipedia kanefa nanjary toerana fametrahana ampahan-dahatsoratra mahatsikaiky momba ny lohahevitra maro samihafa izy.
Vetivety dia tsy nahazaka ny habeny intsony ny sehatra niantranoany, ary nanambara i Uncyclopedia tamin'ny 26 mey 2005 fa hifindra ao amin'i Wikia, ary ny 10 jiona 2006 dia nafindra lasa ho i Wikia, Inc no tompon'ny faritra uncyclopedia.org fa tsy i Chronarion intsony. Ny lisansy Creative Commons Attribution-NonCommercial-ShareAlike 2.0 no mifehy ny votoatiny, ary afaka alaina maimaim-poana ny banky angona itahirizana izany. Nahatratra 17.000 no isan'ny lahatsoratra tamin'ny Uncyclopedia amin'ny fiteny anglisy tamin'ny volana Jolay 2006, ary lasa isan'ireo sehatra ngeza indrindra ao amin'i Wikia izy.[1] Archived Aogositra 23, 2006 at the Wayback Machine
Mba hahalafatra ny fandikana vilana an'i Wiki, dia mampiasa ny rindrankajy MediaWiki ihany koa i Uncyclopedia. Niforona koa ny tetikasa rahavavy sy ny endrika maro : Uncyclomedia Foundation (Wiki Foundation), UnNews (Wikinews), Unquotable (Wikiquote), Undictionary (Wiktionary), UnBooks (WikiBooks), UnMeta (Meta-Wiki), UnSource (Wikisource), UnSpecies (Wikispecies), ary UnCommons / Uncyclomedia Commons (Wiki Commons).
Ity no lisitry ny Uncyclopedia amin'ny tenim-pirenena samihafa tamin'ny volana Jolay 2006:
La tour de Babel Uncyclopædienne: | ||
ar: | العربية | بيضيپيديا |
ca: | Català | Valenciclopèdia |
cs: | Česky | Necyklopedie |
da: | Dansk | Spademanns Leksikon |
de: | Deutsch | Uncyclopedia.de |
el: | Ελληνικά | Ανεγκυκλοπαίδεια |
en: | English | Uncyclopedia |
es: | Español | Inciclopedia |
fa: | فارسی (Persian) | نانشنامه |
fi: | Suomi | Hikipedia |
fr: | Français | Désencyclopédie |
he: | עברית | איןציקלופדיה |
hu: | Magyar | Unciklopédia |
it: | Italiano | Nonciclopedia |
ja: | 日本語 | アンサイクロペディア |
la: | Latina | Necyclopædia |
mg: | Malagasy | Hatsiklopedia |
nl: | Nederlands | Onziclopedie |
no: | Norsk | Ikkepedia |
pl: | Polski | Nonsensopedia |
pt: | Português | Desciclopédia |
ru: | Русский | Абсурдопедия |
sv: | Svenska | Psyklopedin |
zh-tw: | 中文(正體) | 偽基百科 |
zh: | 中文 | 伪基百科 |
meta: | UnMeta | Uncyclomedia Foundation |
info: | Babel | (lisitra) |
Ny somonga sy ny vazivazy dia tsy mitovy arakaraky ny tenim-pirenena. Ny olona sy lahatsoratra iantefan'izy ireny koa dia samy manana ny azy.
Torak'izany koa ny lalaon-teny izay tsy ho voadika amin'ny tenim-pirenena hafa.
This article uses material from the Wikipedia Malagasy article Uncyclopedia, which is released under the Creative Commons Attribution-ShareAlike 3.0 license ("CC BY-SA 3.0"); additional terms may apply (view authors). Mitondra ny lisansa CC BY-SA 4.0 ny votoatiny raha tsy misy zava-kafa ambara. Images, videos and audio are available under their respective licenses.
®Wikipedia is a registered trademark of the Wiki Foundation, Inc. Wiki Malagasy (DUHOCTRUNGQUOC.VN) is an independent company and has no affiliation with Wiki Foundation.