Wikia

Wikia (izay nitondra ny anarana hoe Wikicities tany aloha) dia sehatra mampiantrano tetikasa wiki maro noforonin'i Jimmy Wales sy Angela Beesley tamin'ny taona 2004.

Wikia
Sary famantarana an'i Wikia, nalaina avy tamin'ilay sary famantarana ho an'i Wikicities fahizany, izay nataon'i Christoph Struber.
Sary:Logo wikicities 2.jpg
Sary famantarana an'i Wikicities, niangalian'i Christoph Struber.
Sary:Wikicities.png
Sary famantarana an'i Wikicities nataon'i Jason Richey.

Wikia

Fitambarana tetikasa wiki marobe izay mampiasa rindrankajy MediaWiki izy io, ary ny orinasa Wikia, Inc. no mitantana azy. Maimaim-poana izy ho an'ny mpamaky sy mpitsidika, fa dokambarotra kosa no anangonany vola, koa hita amin'ny ankamaroan'ireo wiki ao araka izany ny AdSense.

Malalaka ny sehatra ahafahana manokatra tetikasa wiki vaovao ao amin'i Wikia. Ankoatry ny hevitra hamorona tetikasa mety hifaninana amin'izay efa iantsorohan'ny Tetikasa Wikimedia, izay ananan'ny mpamorona an'i Wikia fifandraisana lehibe tokoa, dia azo ekena avokoa ny ankabeazan'ny tetikasa misy mikasa hamorona. Takian'i Wikia hofehezin'ny lisansy GNU Free Documentation License (GFDL) avokoa ny tetikasa rehetra ao anatiny, na fehezina lisansy roa na maromaro ka GFDL ny anankiray ary lisansy malalaka ihany koa ny hafa. Mifandray akaiky amin'i Wiki ihany koa i Wikia, ka mirohy amin'i Wikipedia ny sasany amin'ny lahatsoratra ao amin'i Wikia.

Iray amin'ireo tetikasa lehibe hita ao amin'i Wikia i Uncyclopedia, ary hatramin'ny 20 aogositra 2006, dia efa nisokatra ihany koa ny Uncyclopedia amin'ny teny malagasy : http://hatsiklo.pedia.ws .

Mampiasa ny rindrankajy MediaWiki amin'ny serveur Linux i Wikia. Ny 3 febroary 2005 dia nilaza i Wikia fa feno 100 no isan'ireo tetikasa ao anatiny. Ny volana aogositra 2006 dia niisa 1500 ireo wiki ireo, ary hita amin'ny tenim-pirenena 35. Manome fanohanana ara-teknika sy ara-tsosialy momba ny fametrahana mpiserasera wiki ihany koa i Wikia.

Tantara

Ny 27 martsa 2006 dia niova anarana ho lasa Wikia i WikiCities; nampifangaroin'ny maro mantsy ny anarana ho WikiCities ka noheverina fa sehatra ahitana torolàlana momba ny tanàna maro. Taorian'izay, nanambara i Wikia fa nahazo 4 tapitrisa dolara amerikanina avy amin'ny mpamatsy vola.

Nisy tetikasa atao hoe Wikiasari nikasan'i Wales hanaovana moteur de recherche iray koa izay efa nantsoina hoe Wikia.

References

Rohy ivelany

Fampahalalam-baovao

Tags:

Wikia Wikia TantaraWikia ReferencesWikia Rohy ivelanyWikia2004Jimmy WalesMediaWikiRindrankajyWiki

🔥 Trending searches on Wiki Malagasy:

Kisarisary ÔfitaTiorka (vahoaka)Current eventsZavonaSilamo eto MadagasikaraHaikoriam-boanaratraPôlônia1976Kristianisma eto Madagasikara600BezahaVoalobokaPentateokaMahajangaSan-MarînoAblainzevelleFlorenciaFametrahan-tananaFrantsaApôstôly roa ambin' ny foloFikambanana Iraisam-pirenena ny FrankôfôniaTononkalo1807HopitalyRova ManjakamiadanaBibyOnitiana RealyBodisma vajraianaRandriamamonjy FrédéricOyonnaxHasimpeoFifohazana (kristianisma malagasy)Faritra AtsinananaCalendario ebreoAfrikaKalifata AbasidaAmbatolaonaHarena an-kibon' ny tanySarielaFilazantsaraFiteny kôreaninaTelleceyFilazam-potoana (fitsipiteny)Evanjelisma eto Madagasikara1790Epistily voalohany ho an' ny Kôrintiana20041815Razana (finoana malagasy)Emirata Arabo Mitambatra(101318) 1998 SJ151Kroazada voalohanyVoayRajasthanJodeaKanaana (faritra)Ralaimongo JeanBetsileoLegiomaOhabolanaEvekaPrayolsTetiandro gregoriana1789akohoFanalan-jaza194250 Cent🡆 More