I Samory Touré na Almamy Samory Touré na Almamy Samore Lafiya Touré, teraka tamin' ny taona 1830 tany Miniambaladougou, ao amin' ny Repoblikan' i Ginea ankehitriny, ary maty tamin' ny 2 Jona 1900 tao Ndjolé any Gabon, izay mpanorina ny Empira Wassoulou, izay empira isilamika tsy naharitra.
Mpitondra fivavahana mozilmana ao amin' ny vondrom-poko mandinka izy, mpananao tetikady miaramila. Amin' ny maha mpitondra fivavahana mozilmana lalim-pinoana tao amin' ny sekolin' i Maliki momba ny lalàna ara-pinoana ao amin' ny silamo sonita azy, dia nandamina ny fanjakany ary nanamarina ny fanitarana izany tamin' ny foto-kevitra silamo izy.
Izany empira izany dia nahafaoka ny tapany avaratra sy atsinanan' i Ginea ankehitriny, ny tapany avaratra-atsinanan' i Siera Leôna, ny tapany atsimon' i Maly, ny tapany avaratr' i Kôtidivoara ary ny tapany atsimon' i Borkina Fasô, manodidina ny renivohitra lehibe roa: i Kankan sy i Bissandougou. Nirodana ity empira ity tamin’ ny taona 1898. Tamin’ ny 29 Septambra 1898 i Samory Touré dia nosamborin’ ny kapiteny frantsay Gouraud tao Guélémou any amin' ny tapany andrefan’ i Kôtidivoara ankehitriny.
Nitari-tafika hiady amin' ny fidiran' ny Frantsay sy ny Britanika any Afrika Andrefana efa ho roapolo taona i Samory Touré ka heverina ho mpitarika mainty hoditra farany tsy miankina tao Afrika Andrefana ary iray amin' ireo Afrikana malaza mpanohitra ny fanjanahantany, tamin' ny faran' ny taonjato faha-19. Manamarika ny fahavitan' ny fandresen' ny mpanjanaka an' i Afrika Andrefana ny fisamborana azy.
This article uses material from the Wikipedia Malagasy article Samory Touré, which is released under the Creative Commons Attribution-ShareAlike 3.0 license ("CC BY-SA 3.0"); additional terms may apply (view authors). Mitondra ny lisansa CC BY-SA 4.0 ny votoatiny raha tsy misy zava-kafa ambara. Images, videos and audio are available under their respective licenses.
®Wikipedia is a registered trademark of the Wiki Foundation, Inc. Wiki Malagasy (DUHOCTRUNGQUOC.VN) is an independent company and has no affiliation with Wiki Foundation.