Ny liberalisma dia fiheverana momba ny pôlitika sy ny governemanta, manohana ny fiarovana ny zon' ny tsirairay, ny zon' olombelona (fitovian' ny olona rehetra eo anatrehan' ny lalàna, fahalalahana, fiarovana, fizakam-pananana, sns.), araka ny filôzôfian' i John Locke, amin' ny anaran' ny vina mifototra amin' ny isam-batan' olona sy amin' ny fiaraha-misalahy an-tsitrapo eo amin' ny samy olombelona.
Atao hoe liberaly ireo olona manohana ny hevitra entin' ny liberalisma.
Mino ny liberaly sasany fa tsy hisy ny fahafahana tanteraka raha tsy misy ny fitovian-jo, ary ny fitondram-panjakana dia tokony hampiroborobo ny fitoviana amin' ny alalan' ny fanabeazana sy ny fanomezana fikarakarana ara-pahasalamana tohanan' ny hetra. Ny liberaly hafa dia mihevitra fa ny ratsy ny hetra, ary tokony hanome ny fampianarana sy fikarakarana ara-pahasalamana ny olona; ireo olona ireo dia matetika antsoina hoe libertarianina amin' izao fotoana izao. Ny ankamaroan' ny fitondram-panjakana liberaly ankehitriny dia tena manome fanabeazana sy fikarakarana ara-pahasalamana farafahakeliny, na dia tsy voatery ho an' ny olom-pirenena rehetra aza.
Ny foto-kevitra manan-danja hafa amin' ny liberaly sasany dia:
This article uses material from the Wikipedia Malagasy article Liberalisma, which is released under the Creative Commons Attribution-ShareAlike 3.0 license ("CC BY-SA 3.0"); additional terms may apply (view authors). Mitondra ny lisansa CC BY-SA 4.0 ny votoatiny raha tsy misy zava-kafa ambara. Images, videos and audio are available under their respective licenses.
®Wikipedia is a registered trademark of the Wiki Foundation, Inc. Wiki Malagasy (DUHOCTRUNGQUOC.VN) is an independent company and has no affiliation with Wiki Foundation.