Fitsinjaràn' Ny Tanim-Pirenen' I Madagasikara

Ny fitsinjaràna ny tanim-pirenen' i Madagasikara dia nivoatra nandritra ny tantara ka narafitra ho faritany, faritra, distrika (na departemanta), kaominina, fokonolona ary fokontany.

Ny Lalàmpanorenana farany tamin' ny taona 2010 dia mitazona ho vondrom-paritra itsinjaram-pahefana ny faritany sy ny faritra ary ny kaominina.

Fitsinjaràn' Ny Tanim-Pirenen' I Madagasikara
Sainam-pirenen' i Madagasikara

Fiavoarana teo amin' ny tantara

Repoblika voalohany

Tamin' ny taona 1959, rehefa niforona ny Repoblika voalohany tamin' ny fahaleovantenan' i Madagasikara, ny Lalàmpanorenany dia namaritra ny faritany sy ny kaominina ho vondrom-paritra itsinjaram-pahefana.

Repoblika faharoa

Teo anelanelan' ny taona 1975 sy 1991, tamin' ny andron' ny Repoblika faharoa dia nisy ambaratonga dimy ny fizaràna:

  1. ny faritany enina, izay lasa faritany mizakatena taty aoriana;
  2. ny fivondronana na fivondronam-pokontany (prefektiora sy soprefektiora taloha lasa distrika);
  3. ny firaisana na firaisam-pokontany (kantao teo aloha);
  4. ny fokontany (vohitra na vakin-tanàna);
  5. ny fokonolona (vondron' olona isaky ny vohitra nentim-paharazana).

Repoblika fahatelo

Tamin' ny taona 1992, ny Lalàmpanorenan' ny Repoblika fahatelo dia nandefa tany amin' ny Lalàna faha-93-005 mamaritra ny vondrom-paritra, dia ny faritra, ny departemanta ary ny kaominina. Miorina amin' izany, ny Lalàna 94-001 dia mitanisa faritra miisa 28 sy departemanta miisa 158 ary kaominina miisa 1 295.

Ny fanavaozana ny Lalàmpanorenan' ny taona 1992 tamin' ny taona 1998 dia nampiditra indray ny faritany izay lasa mizaka tena. Vondrom-paritra itsinjaram-pahefana manana ny fizakan-tenany ara-pitantanana sy ara-bola ny faritany mizaka tena. Teo ambany fahefan' ireo faritany mizaka tena ireo ny faritra sy ny kaominina.

Ny Lalàna faha-2004-0016 tamin' ny 17 Jona 2004 dia namerina ny faritra 22 nefa tsy nanafoana ny andraikitra ara-pitantanan-draharaham-panjakan' ny faritany. Sady vondrom-paritra itsinjaram-pahefana ny faritra no fari-piadidiana ara-pitantanan-draharaham-panjakana.

Ny fanavaozana ny Lalàmpanorenan' ny taona 1992 tamin' ny taona 2007 dia nanamafy io ambaratonga io izay mitsinjara ny tanim-pirenena malagasy ho faritra sy kaominina, ary nanaisotra ny andraikitra rehetra teo amin' ny faritany sy ny departemanta.

Rafitra ankehitriny

Tamin' ny Repoblika fahefatra sy tao amin' ny Lalàmpanorenan' ny taona 2010 dia lasa vondrom-paritra itsinjaram-pahefana indray ny faritany sy ny faritra ary ny kaominina. Soloan' ny tompon' andraikitra ao amin' ny fokontany, izay mandray anjara amin' ny fampandehanan-draharaha eo amin' ny kaominina, ny fokonolona.

Faritany enina sy faritra 23 (22 teo aloha) ary kaominina an-tanàndehibe sy ambanivohitra miisa 1 549 (izay nitombo isa taty aoriana) no mandrafitra ny vondrom-paritra itsinjaram-pahefana araka ny Lalàna faha-2014-020, talohan' ny nizaràn' ny Didim-panjakana faha-2015-592 ny firenena ho kaominina miisa 1 693.

Faritany sy faritra

Fitsinjaràn' Ny Tanim-Pirenen' I Madagasikara 
Faritany sy faritra eto Madagasikara

Nizara ho faritra 22 avy eo 23 ny faritany 6 eto Madagasikara tamin' ny taona 2004, ary ny Lalàmpanorenan' ny taona 2010 dia mitazona ireto ambaratonga ireto:

Kaominina

I Madagasikara dia mizara ho kaominina 1 693, izay samy manana filankevitra monisipaly na kaominaly sy ben' ny tanàna voafidy hiasa mandritra ny efa-taona misesy ary birao mpanatanteraka. Manana sata manokana anefa Antananarivo renivohitra noho ny hamaroan' ny mponina ao aminy sy ny boriborintany 6 ao aminy izay nisy mponina miisa 1 620 000 eo ho eo tamin' ny taona 2015.

Jereo koa

Rohy ivelany

Lahatsoratra samihafa

Didy aman-dalàna

Tags:

Fitsinjaràn' Ny Tanim-Pirenen' I Madagasikara Fiavoarana teo amin ny tantaraFitsinjaràn' Ny Tanim-Pirenen' I Madagasikara Rafitra ankehitrinyFitsinjaràn' Ny Tanim-Pirenen' I Madagasikara Jereo koaFitsinjaràn' Ny Tanim-Pirenen' I Madagasikara Rohy ivelanyFitsinjaràn' Ny Tanim-Pirenen' I MadagasikaraDistrika eto MadagasikaraFaritany eto MadagasikaraFaritra eto MadagasikaraFitsinjaram-pahefanaFokonolonaFokontanyKaominina eto MadagasikaraLalàmpanorenan' i MadagasikaraVondrom-paritra

🔥 Trending searches on Wiki Malagasy:

1910VoronaKainaFiteny kreôly haisianinaHarin-karena faobeTsirintenyKolontsaina malagasyKabary am-panambadianaZavaboary14 FebroaryFoko eto MadagasikaraFiangonana Loterana Malagasy NohavaozinaFitaovam-piadianaZanatsoratraMahavelona (Toamasina)Fahaterahana1840Sakramenta ao amin' ny fiangonana katôlikaFisoronana sy fanalana vintanaZanatenyAnthiyurTenerifeKiantenyNazaretaRepoblika Malagasy1989AlemainaAsaRajoelina AndryBokin' i EzekielaAdy LehibeBokin' i DanielaZanabintanaMeivazyIndiaJôbaPetra-kevitraRamevaPaositra MalagasyAngatra (aretina)Tantaran' ny kristianismaBetlehemaWilliam III an'i AngleteraGovernemantaDarryl StarbirdMpandrindra milinaNAntanosyQIT Madagascar MineralsAntesakaFanahyAnanaTobilehibeVatosoaIràkaAdy Lehibe FaharoaFanjakan' AndriamanitraLisitry ny filohan' i MadagasikaraAmbatolampy TsimahafotsyPablo Picasso2022AndriamasinavalonaBetsimisarakaMikeaFaritra ItasyFaritra eto MadagasikaraJapànaFiteny betsileoGrisyKor'any🡆 More