Fiteny Môngôliana

Ny fiteny môngôliana na fiteny môngôly dia fiteny ao amin' ny vondron-piteny môngôlika, izay anisan' ny fianakaviam-piteny altaika mbola iadian-kevitra.

Any Môngôlia izy no fiteny ôfisialy ka fantatra amin' ny anarana hoe халх / khalkha, satria ny Kalka na Halka (Khalkha) no niteny an' izy io tany am-boalohany, ny Kalka izay olona môngôlika niforona nanodidina ny renirano Khalkha (antsoina koa hoe qalq-a-yin γoul, Халхын гол). Ny fiteny kalka ifaneraseran' ny vahoaka dia ny fitenim-paritra môngôliana izay iorenan' ny fenitry ny literatiora amin' ny fiteny môngôliana ao Môngôlia, saingy misy ihany koa ny fitenim-paritra môngôliana hafa.

Fiteny Môngôliana
Faritra itenenana môngôliana

Ny fiteny môngôliana koa dia ampiasaina any Sina (indrindra fa any Môngôlia Anatiny, any Dongbei, any Hebei, any Gansu ary any Níngxià, ampiasain' ny olona miisa 3,38 tapitrisa, ka ny 2,5 tapitrisa amin' izy ireo dia tsy miteny afa-tsy amin’ io fiteny io). Miorina amin' ny fototra fitenim-paritra somary hafa noho ny an' ny Môngôlia ity fiteny môngôliana ao Môngôlia Anatiny ity; ny fenitra araka ny literatiora dia mifototra amin' ny fitenim-paritra tsakar (chakhar).

Misy fiteny môngôlika hafa koa toa ny fiteny ôirata (na fiteny kalmoka) sy ny fiteny boriata.

Ny fiteny môngôliana môderna dia soratana amin' ny abidy môngôliana nentim-paharazana antsoina hoe abidy bitchig môngôliana sy amin' ny abidy sirilika môngôliana.

Ankehitriny dia tombanana ho 6 tapitrisa mahery ny fitambaran' ny mpiteny môngôliana.

Jereo koa

Tags:

Fianakaviam-piteny altaikaFianakaviam-piteny môngôlikaFiteny ôfisialyMôngôlia

🔥 Trending searches on Wiki Malagasy:

ArktikaElefantaAdaoro1188Nekao IISatorinaTendrombohitraFokom-pirenen' i BenjaminaFehezantenyBenoà XVBaskin-RobbinsSôdôma sy GômôraMediaWikiDavida (mpanjaka)VyRonald ReaganAbdellatif FellainiFiarahamoninaAntokon' ny Kongresin' ny Fahaleovantenan' i MadagasikaraSakramenta ao amin' ny fiangonana katôlikaFiteny malagasyMelody Time2012Fizaràn-taonaSamboWikimaniaFaritany eto MadagasikaraPattani17 DesambraTetiandro etiopianaRafitra kôneksiônalyMisiona Evanjelika Teratany eto MadagasikaraPrôtestantisma eto MadagasikaraFilazantsara araka an' i MatioVoanihoFiteny latinaLoka NobelFokom-pirenen' i SimeônaRasoherinaMicrosoft WindowsPrôtestantismaSiliaRepoblika Demokratika MalagasyKinshasaAbdônaVolanaRova ManjakamiadanaAbidy ara-drafipeo iraisam-pirenenaAndrianaTanyRanavalona IIAdizaozaFanjakana MitambatraRepoblikan' i Madagasikara (1992-2009)Johannes GutenbergAhidamboHavatsa-UPEMMpampiankina fehezankevitraDemôkrasiaSan FranciscoFanasan' ny TompoSakafo malagasyOsyBokin' i IsaiaAndrokaGanàHiram-pirenenaFiainana ara-panahyBielôrosiaFameno (fitsipiteny)🡆 More