Bokin' I Zakaria

Ny Bokin' i Zakaria dia boky ao amin’ ny Tanakh (Baiboly hebreo) sy ao amin’ ny Testamenta Taloha ao amin’ ny Baiboly kristiana.

Io boky io dia mirakitra ny toriteny sy ny fahitàn' i Zakaria. Ny fanamboarana ny Tempoly faharoa no tena nanahirana an’ i Zakaria sady nitoriany ny amin’ ny famerenana indray ny voninahitry ny firenena sy ny fanajana amin’ ny antsipiriany ireo lalàm-pitondran-tena sy ny fahadiovan’ ny fombafombam-pivavahana. Ny ivon’ ny toriteny sy fahitan’ i Zakaria dia ny andro fiandrandrana ny fahatongavan’ ny Mesia.

Bokin' I Zakaria
Ny fahitan'i Zakaria: ireo mpitaingin-tsoavaly efatra, nataon'i Gustave Doré (1832-1883)

Araka ny fandinihan' ireo manam-pahaizana dia mizara roa na telo ny Bokin' i Zakaria ka ny fizaràna voalohany (toko voalohany – faha-8) dia atao hoe Prôtô-Zakaria, ny fizaràna faharoa (toko faha-9 – faha-14 na toko faha-9 – faha-11) dia atao hoe Deoterô-Zakaria, ary ny fizaràna fahatelo (toko faha-12 – faha-14) dia atao hoe Tritô-Zakaria.

Anaran’ny boky

Ny hoe Zakaria dia avy amin’ ny teny hebreo hoe זְכַרְיָה / zehar-Yah izay midika hoe "nahatsiaro i Yahweh". Ny fiteny grika no nanova ny e ho a eo alohan' ny z (Ζαχαρίας / Zakharias). Nanaraka izany ny Baiboly amin' ny fiteny latina (Zacharias) sy amin' ny fiteny frantsay (Zacharie) ary amin' ny fiteny malagasy (Zakaria). Ny Baiboly amin' ny fiteny anglisy dia manoratra hoe Zecharia.

Bokin' I Zakaria 
Ny mpaminany Zakaria, nataon'i James Tissot, taona 1896–1902

Fanoratana ny boky

Ny mpaminany Zakaria

Ny mpaminany Zakaria dia voaresaka ao amin’ ny Bokin’ i Ezra (na Esdrasa) (Ez. 5.1 sy 6.14). Niaina amin’ ny fotoana mitovy izy sy i Hagay (na Akjea) sady ny fomba fiteniny dia ahatsapana ny akon’ ny toritenin’ i Ezekiela. Sady mpisorona izy no mpaminany. Teo anelanelan’ ny taona 520 sy 518 tal. J.K. ny fotoana niasany. Ny Evanjelin’ i Matio (Mat. 23.35 ) dia misy tantara izay milaza an' i Zakaria ho maty maritiora.

Ny mpanoratra sy ny fotoana nanoratana

Ny lovantsofina dia manao ny mpisorona sady mpaminany Zakaria (taonjato faha-6 tal. J.K.) ho nanoratra ny boky manontolo. Tsikaritra anefa fa fotoana lava loatra no mety nanoratana ny boky ka miteraka ny fiheverana fa olona roa na antokon' olona roa samy hafa no nanoratra azy, ka avahana ny hoe Prôtô-Zakaria (na Zakaria voalohany) sy ny hoe Deoterô-Zakaria (na Zakaria faharoa). Ny toko valo voalohany no mety nosoratan' ny mpaminany Zakaria. Maro ny mpikaroka mihevitra fa tany amin' ny taona 520/518 tal. J.K. no nanombohan' ny asa maha mpaminany an' i Zakaria. Maro koa ireo milaza fa mety izy tenany na ny mpianany taty aoriana kely no nandraikitra an-tsoratra ny faminaniany. Ny toko faha-9 hatramin' ny faha-14, izay miavaka loatra amin' ny toko valo voalohany dia mety voasoratra tamin' ny taonjato manaraka.

Ao koa ireo mizara ny boky ho telo ka mizara ny Deôtero-Zakaria ho roa ka ahazoana ny Tritô-Zakaria (toko faha-11 -- 14).

Ny anaran' ny boky

Amin' ny teny hebreo dia atao hoe ספר זְכַרְיָה / Sefer Zekharyāh ny Bokin' i Zakaria. Ao amin'ny Septoajinta amin'ny teny grika izy dia atao hoe Ζαχαρίας ΙΑʹ / XI Zakharías (ny ipsilôna alfa ΙΑʹʹdia manambara ny maha mpaminany madinika laharana fahiraika ambin' ny folo azy).

Fizaràn' ny boky

Ny Bokin’ i Zakaria dia fitambarana boky roa samy hafa ka ny faharoa dia nosoratana fotoana ela taty aorian’ ny nanoratana ny voalohany. Azo zaraina roa manaraka izany ny boky ka ny tapany voalohany (toko 1 – 8) dia atao hoe Prôtô-Zakaria ary ny tapany faharoa (toko 9 – 14) kosa Deoterô-Zakaria.

Ny Prôtô-Zakaria (1.1 – 8.23)

Ny toko valo voalohany dia maneho taratra ny fotoana izay nanarakaraka ny Fahababoana tany Babilôna (aorian’ ny 538 tal. J.K.) sady miresaka ny amin’ ny hanamboarana indray ny Tempoly sy hananganana an’ i Jerosalema, mba hanomanana ny fiavian’ ny andron' ny Mesia. Manindry ny amin’ ny tokony handraisan’ ny tsirairay anjara sy hankatoavana an’ Andriamanitra ny boky eto, sady manantitra ny amin’ ny fiainana ara-panahy ao anaty ary ny fahitam-paminaniana ny amin’ ny tontolo feno fiadanana izay hiarahan’ ny Jiosy (na Jody) sy ny Jentilisa (na Jentily) hivavaka amin’ Andriamanitra.

Ireo toko ireo dia azo zaraina ho telo na efatra.

Antso fampibebahana (1.1 – 1.6)

Ity dia teny fampidirana izay mitaona ny olona hibebaka; tokony ho soratra natao taty aoriana izy io izay mamintina ireo fomba fijerin’ i Zakaria ny fitondran-tena.

Ireo fahitana valo (1.7 – 6.8)

Ity fizaràna ity dia mirakitra ireo fahitana valo azon’ i Zakaria tamin’ ny alina tamin’ny taona 519 tal. J.K., izay arahina fanazavana ataon’ ny anjely tamin’ny mpaminany. Ireo fahitana ireo dia ahitana sary apôkaliptika ka manambara ny maha akaiky ny fahatongavan’ ny vanim-potoan’ ny Mesia. Ireto avy ireo fahitana:

  1. ny mpitaingin-tsoavaly efatra,
  2. ireo tandroka efatra,
  3. ilay tady fandrefesana,
  4. ilay fisoronana nohavaozina,
  5. ilay fitoeran-jiro volamena,
  6. ilay horonam-boky manidina,
  7. ilay vehivavy sy ny vata famarana,
  8. ireo kalesim-piadiana efatra.

Ilay mpisorona hanapaka amin’ ny fanamboarana ny Tempoly (6.9-15)

Ny fizaràna fahatelo (6.9-15) dia manoritsoritra ny amin’ ny fametrahana satro-boninahitra ara-panoharana eo amin’ ny mpisorona iray izay nitondra ny vahoaka amin’ ny fanamboarana indray ny Tempoly.

Faminaniana isan-karazany (7.1 – 8.23)

Ity fizaràna ity indray dia ahitana teny faminaniana mifangaro fananarana ara-pitondran-tena sy faminaniana mahakasika ny Mesia. Ny boky eto dia maneho ny famaliana ny fanontanian’ ny iraka avy any Babilôna ny amin’ ny fifadian-kanina efatra atao ho fahatsiarovana ny naharesy an’ i Jerosalema tamin’ ny 586 tal. J.K. Ahitana teny faminaniana manoritsoritra izay ho endriky ny fiainana ao amin’ny Jerosalema vaovao koa ity fizaràna ity.

Deoterô-Zakaria (9.1 – 14.21)

Ny Deoterô-Zakaria dia hafa tanteraka satria tsy ahitana intsony ny anaran’ i Jôsoa mpisorona sy ny an’ i Zôrôbabela ary ny resaka momba ny fananganana indray an’ i Israely. Tsy misy ny fitenenana ny amin’ ny fanamboarana ny Tempoly faharoa. Ireo toko enina farany dia isan’ ireo soratra saro-takarina ao amin’ ny Testamenta Taloha. Miompana amin’ ny lohahevitry ny fiandrasana ny Mesia ny fitambaran’ ireo lahatsorara rehetra ireo.

Azo zaraina roa ny Deoterô-Zakaria:

Haorina indray i Jerosalema (9.1 – 11.17)

Ahitana teny faminaniana apôkaliptika misy fitenenana an-kolaka zavatra saro-takarina sady mikasika lohahevitra taloha kokoa. Ny mafonja indrindra amin’ ireo dia: ny hiverenan’ Andriamanitra, ny handresen’ ilay Mesia Mpanjaka, ny hananganana indray an’ i Israely aorian’ ny haharesen’ ireo fahavalony.

Hitondra ny tany rehetra ny Mesian’ Andriamanitra (12.1 – 14.21)

Ity fizaràna ity dia mirakitra lohahevitra apôkaliptika sy eskatôlôjika ka maneho ny voninahitra izay miandry an’ i Israely any amin’ ny Andro farany noho ny hiavian’ ny Mesia, ny ady farany sy ny fandresen’ ny fanjakan' Andriamanitra, ny fiandrasana ny fiavian’ ny andron' i Iahveh izay hampivitrana indray ny fanekem-pihavanana, ny fanadiovana an’ i Jerosalema noho ny fandresen’ i Iahveh, ny hivavahan’ ny firenen-drehetra amin’ ny Andriamanitr’ i Israely. Manantira ny mpanoratra fa ny fidirana an-tsehatry ny hery avy any an-danitra ihany ho fomba tokana ahafahana mahazo ny fanafahana amin’ ny ziogan’ ny firenena jentilisa.

Fandraisan' ny Kristiana ny boky

Ny Kristiana dia manome lanja manokana andalana maro ao amin’ ireo toko enina farany ireo izay heveriny ho faminaniana tanteraka tamin’ny alalan’ i Jesoa Kristy. Ny 9.9 dia heveriny ho mifandray amin’ ny fidiran’ i Jesoa amim-pandresena tao Jerosalema; ny 9.10 dia mifandray amin’ ny fanjakany eran’ izao rehetra izao; ny 11.12 kosa mifandray amin’ ny famadihan’ i Jodasy azy tamin’ ny vola telopolo; ny 12.10 sy ny 13.6 dia mifandray amin’ ny ratra nahazo an’ i Jesoa; ny 13.7-9 mifandray amin’i Jesoa amin’ ny maha mpiandry tsara azy izay nohelohina mba hanavotany ny ondriny.

Jereo koa

Loharano sy fanamarihana

Tags:

Bokin' I Zakaria Anaran’ny bokyBokin' I Zakaria Fanoratana ny bokyBokin' I Zakaria Ny anaran ny bokyBokin' I Zakaria Fizaràn ny bokyBokin' I Zakaria Fandraisan ny Kristiana ny bokyBokin' I Zakaria Jereo koaBokin' I Zakaria Loharano sy fanamarihanaBokin' I ZakariaBaibolyFahitana (finoana)MesiaTanakhTempolin'i JerosalemaTestamenta TalohaZakariaZakaria mpaminany

🔥 Trending searches on Wiki Malagasy:

Théophile SeyrigFanambaràna ny hevitry ny nofyRepoblika Entim-Bahoakan' i SinaMaritranoPakistànaEmperora CixiHolger StanislawskiAndrianampoinimerinaMisiona Evanjelika Teratany eto MadagasikaraFanalana faditraJiosyFiangonana Ara-Pilazantsara eto MadagasikaraBaskin-RobbinsSan FranciscoRanavalona IIPio XElamaKuroisoLaharam-pehintanyFenoarivo AtsinananaFaritanin' AntsirananaDox (Jean Verdi Salomon Razakandrainy)TodyGregôrio IXRova ManjakamiadanaVoanihoAdijadyRavelonjanaharyFilazam-potoana (fitsipiteny)Tendry11 AprilyTorkiaBaiboly amin' ny teny malagasyZafisoroFikambanana Iraisam-pirenena ny FrankôfôniaKataraTsirintenyCurrent eventsArintanyZivaFiteny hebreoVanin-tenySina1971MahafalyMpampitohy (fitsipiteny)London Missionary SocietyMôsikaoAnjelôlôjiaWAhidamboFanabeazana aizanaTendrombohitraSalamo faha-42Lisitry ny filohan' i MadagasikaraWayback MachineSôdômaFilazantsara araka an' i MatioPrôtestantismaTantaran' i EtazoniaKônfirmasiônaAkohoTsimihetyAndriamaneloFanekem-pinoanaAndry RajoelinaMediaWikiMadagasikaraSilamo🡆 More