Fanjakan' Andriamanitra

Ny Fanjakan' Andriamanitra na Fanjakan' ny Lanitra dia hita ao amin' ireo fivavahana abrahamika, indrindra ny jodaisma sy ny kristianisma, izay mahakasika ny andro farany.

Ao amin' ny fivavahana kristiana, araka ny hita ao amin' ny Testamenta Vaovao, dia ivon' ny toritenin' i Jesoa ny amin' ny Fanjakan' Andriamanitra sy ny fanambaràna ny hiaviany.

Ny Fanjakan' Andriamanitra araka ny jodaisma

Ny fanjakan' Andriamanitra araka ny Testamenta Taloha

Ny andian-teny izay adika hoe "Fanjakan' ny Tompo" na "Fanjakan' i Iahveh" na "Fanjakan' i Jehovah" dia miseho indroa ao amin' ny Baiboly hebreo, dia ao amin' ny Boky voalohan' ny Tantara (1Tant. 28.5) sy ao amin' ny Boky faharoan' ny Tantara ("Ary ankehitriny ianareo mikasa hanohitra ny fanjakan' i Jehovah, izay eo an-tànan' ny taranak' i Davida; ary ianareo dia maro be, sady misy ombilahy kely volamena ao aminareo, izay nataon' i Jeroboama ho andriamanitrareo." 2Tant. 13.8). Fanampin' izany, ny hoe "ity fanjakana ity" na "ny fanjakanao" dia indraindray ampiasaina rehefa miresaka an' Andriamanitra. Ohatra, ao amin' ny Tantara voalohany ihany (1Tant. 29.10-12) sy ao amin' ny Bokin' i Daniela (Dan. 3.33) .

Ny teny hebreo hoe malkuth [...] dia voalohany indrindra manondro ny fanapahana ary faharoa manondro ny faritra tapahina [...]. Rehefa ampiasaina hanondroana an' Andriamaitra ny teny hoe malkuth dia matetika ilazana ny fahefany na ny fanapahany amin' ny maha mpanjaka any an-danitra an' Andriamanitra. Ny Salamom-panosorana mpanjaka (Salamo 45, 93, 96, ary 97-99) dia manome lahatsoratra ahitana izany fomba fijery izany, izay miraka amin' ny teny mafy hoe "Ny Tompo no Mpanjaka" (na "Iahveh no mpanjaka" na "Jehovah no mpanjaka").

Ny Boky voalohan' ny Mpanjaka ("Ary hoy Mikaia: Henoy ary ny tenin' i Jehovah: Nahita an' i Jehovah nipetraka teo amin' ny seza fiandrianany aho, ary ireo maro be rehetra any an-danitra nitsangana teo andaniny avy, dia teo amin' ny ankavanany sy teo amin' ny ankaviany." (1Mpaj. 22.19) sy ny Bokin' i Isaia (Isa. 6) ary ny Bokin' i Daniela (Dan. 7.9) dia samy mitresaka ny amin' ny seza fiandrianan' Andriamanitra, na dia misy filôzôfa jiosy sasany toa an' i Saadia Gaon sy Maimônida izay milaza fa mananana hevitra am-panoharana ny teny hoe "seza fiandrianana".

Ny fanjakan' Andriamanitra araka ny jodaisma taloha

Ao amin' ny jodaisma taloha, ny famolavolana ny lohahevitry ny Fanjakan' Andriamanitra dia efa hita ao amin' ny Bokin' ny Salamo izay isehoan' ny hevitra momba ny fanjakana maharitra sy mandrakizain' Andriamanitr' i Israely. Izany fanjakan' Andriamanitra izany dia mifandray amin' ny Tempoly izay "Lapan' Andriamanitra" sy endrika ety an-tanin' ny fitoerana masina any an-danitra sady toerana onenan' Andriamanitra Mpanjaka sy ny fanompoam-pivavahana atao ety an-tany.

Tamin' ny fahababoana tany Babilôna dia nitombo izany fiheverana voalohany izany tamin' ny soratry ny mpaminany Isaia, ka niseho koa ny firesahana ny hakàn' Andriamanitra ny fahefana ary ny hoe "Fanjakan' Andriamanitra" dia lasa nanana heviny izay midika fiaviana antomotry ny maha masi-mandidy sy manerana izao rehetra izao an' Andriamanitra eo amin' i Israely sy ny firenena rehetra.

Ny hoe "Fanjakan' Andriamanitra" dia sady manondro ny maha mpanjaka an' Andriamanitra ety an-tany sy any an-danitra. Indraindray ny Fanjakan' Andriamanitra dia heverina ho zavatra ato amin' izao tontolo izao, fa indraindray koa dia heverina ho zavatra mihoa-draha (ambony dia ambony ka tsy takatr' eritreritra), sady miovaova ny fiheverana izany ka mety hidika fiovana ara-panahy na ara-pôlitika. Amin' ny fiheverana fa ny Fanjakan' Andriamanitra dia hiseho eto amin' izao tontolo izao, ny maha mpanjaka an' Andriamanitra dia matetika aseho ho mihatra mivantana, ka zavatra mbola haorina izany, na tsy mivantana ka zavatra haverina amin' ny laoniny indray izany. Amin' ity fiheverana faharoa ity, izay somary voalanjalanja kokoa raha mitaha amin' ny voalohany, dia filazana hevitra ara-pôlitika sy ara-pivavahana miaraka izany ka midika fanantenana ny fahatongavan' ny mpanjaka, "Zanak' Andriamanitra".

Ny fanjakan' Andriamanitra araka ireo soratra apôkrifa jiosy

Ny andian-teny hoe "ny Fanjakan' Andriamanitra" dia tsy mahazatra tao amin' ny literatioran' ny vanimpotoana teo anelanelan' ny nanoratana ny Testamenta roa. Amin' ny andalana izay ahitana azy, tahaka ny ao amin' ny Salamon' i Sôlômôna sy ny Fahendren' i Sôlômôna, dia matetika izy nanondro ny fanapahan' Andriamanitra, fa tsy ny toerana anjakany, ary tsy ny andro vavao na ny lamina mesianika izay haorin' ilay Voahosotry ny Tompo.

Io andian-teny io dia indraindray manondro "zava-kitranga eskatôlôjika" (miseho amin' ny andro farany), toy izay hita ao amin' ny Fiakaran' i Mosesy sy ny Faminaniana sibilina. Amin' ireo tranga ireo, ny Fanjakan' Andriamanitra dia tsy ny andro vaovao fa fisehoana mihariharin' ny fanapahana izao tontolo izao manotolo mba hametrahana ny lamina eskatôlôjika. Miara-dalana amin' ireo koa ny fomba fijery ahitana kokoa fanindrahindran-tanindrazana izay iandrasana ny mesia mpanafaka sy mpanorina ny fanjakana vaovaon' i Israely ety an-tany.

Ny fanjakan' Andriamanitra araka ny jodaisma tamin' ny taonjato voalohany

Amin' ny jodaisma tamin' ny taonjato voalohany, ny maha mpanjaka dia an' Andriamanitra ka ny andriamanjaka eto an-tany dia solontenany ihany. Ny fifehezan' ny Rômana an' i Palestina dia vokatry ny fahotan' i Israely izay tsy nanatanteraka ny sitrapon' Andriamanitra raha tokony honanambara taminy ny Fanjakana. Amin' ny raby jiosy tamin' izany fotoana izany dia misy roa ny fotoan' ny Fanjakana, dia ankehitriny sy hoavy: ny Fanjakana ankehitriny izay anjakan' Andriamanitra araka ny tokony ho izy, sy ny Fanjakana amin' ny andro farany izay hanafahana an' i Israely amin' ny fangejana azy sy hanjakan' Andriamanitra tokoa, izay hampibaribary ny Fanjakana amin' ny olona rehetra.

Amin' izany hevitra manodidina ny Fanjakana izany dia maro ireo fihetsiketsehana ara-pivavahana izay mametra-panontaniana ny amin' ny fototry ny fahefana ara-pôlitika maro nisy tamin' izany, dia ny fahefan' ny Hasmôneana sy ny fahefan' ny Herôdiana ary ny fahefan' ny Rômana. Maro ireo firehana lalim-paka, izay nanantena fanafahana amin' ny andro farany an' i Israely, sahala amin' ny Zelôta, izay niady mitam-pitaovam-piadiana tamin' ny Rômana sy ny tamin' ireo Emperora rômana izay nanambara ny tenany ho mpanapaka, ka nanatanteraka ady mitam-piadiana izay heveriny fa mifanaraka amin' izay andidian' Andrimanitra mba hametraka ny fanjakana tokan' Andriamanitra. Ny fahefana samihafa rehetra dia tsy nankasitraka an' io resaka Fanjakan' Andriamanitra io sy ny olona na ny vondron' olona mijoro hiaro an' io hevitra io.

Ny hoe "Fanjakan' Andriamanitra" dia mifandray amin' ny sarin' ny mpaminany amin' ny maha mpitondra tenin' Andriamanitra azy. Tamin' izany vanimpotoana izany, araka ny lazain' i Flavio Jôsefa, dia maro ny olona milaza tena fa itoeran' ny fanomezam-pahasoavan' Andriamanitra (karismatika), izay miseho sady miezaka manao izay hanaovan' ny olona azy hoe "mpaminany vaovao", sahala amin' i Mosesy na Môizy izay filamatry ny "Mpampianatra", na i Elia izay filamatry ny "Mpitsara". Ny sasany dia nanaraka fotokevitra ara-pôlitika sy ara-pivavahana miaraka ka nanohitra ny mpitondra tamin' izay, toa an' i Teôdasy (na Tadeo) izay nitarika fikomiana ka nanohitra ny fahefana rômana tamin' ny taona 45 taor. J.K. ary notapahin-doha. Ny hafa koa, toa an' i Joany Batista dia isan' ireo mpitoriteny madehandeha izay mitory ny famelana ny fahotana.

Ny Fanjakan' Andriamanitra araka ny kristianisma

Ny Fanjakan'Andriamanitra ao amin'ny Testamenta Vaovao

Amin' ny ankamaroan' ny Jiosy niara-belona tamin' i Jesoa, ny fivian' ny Fanjakan' Andriamanitra dia tokony hifanandrify amin' ny fanafahana ny Jiosy amin' ny fanjakazakan' ny Rômana. I Joany Batista, izay heverin' ny mpikaroka maro fa mpampianatra an' i Jesoa talohan' ny hahaleovany tena, dia efa nitory ny fahatongavan' ny Fanjakan' Andriamanitra tamin' ny vahoaka jiosy ary mety tany ivelany koa angamba. Nanao batisa (na batemy) ho amin' ny famelana ny fahotana amin' ny anaran' ny fahantomotry ny fiavian' ny Fanjakana.

I Jesoa, izay nitory teny atao amin' ny jodaisma tamin' ny androny, dia nanolo fanompoam-pivavahana ao an-Tempoly amin' ny Fanjakan' Andriamanitra tamin' ireo hafatra nataony ho an' ny olona rehetra. Tsy nofaritany ny amin' io Fanjakana io fa efa fantatry ny Jiosy tamin' izany fotoana izany. Noraisiny ny hevitry ny hoe Fanjakana nampianarin' ny raby, nefa niavaka ny azy noho ny fampianarany ahitana lafiny ara-paminaniana manazava ny fahantomotry ny andro farany, ary koa ny andro vaovaom-panavotana efa nanomboka. Noho izany dia i Jesoa no nanao fanokafana ara-bakiteny ny Fanjakana izay aseho ho antomotra (Matio 12. 18), araka ny fampifanarahana ny "efa" sy ny "tsy mbola" izay hevitra efa nisy tao amin' ny jodaisma.

Ny hoe "Fanjakana" dia niteraka fanaovana fanoharana ao amin' ny toriteny, ary ny fahagagana izay nataon' i Jesoa dia fijoroana vavolombelona momba ny Fanjakana izay efa eo ( Mat. 12. 18). Azo heverina koa fa ny nanao ny fahafatesany ho fepetra ilaina amin' ny fiavian' ny Fanjakana i Jesoa.

Araka ireo evanjely sinôptika (Matio, Marka, Lioka), ny fanambaràna mialoha ny fahantomotry ny Fanjakan' Andriamanitra (na "Fanjakan' ny Lanitra", araka an' i Matio), dia mitana anjatra toerana voalohany ao amin' ny toritenin' i Jesoa. Misy filazana mamintina ao amin' ny Evanjelin' i Marka (Mar. 1.15) manao hoe "Efa tonga ny fotoana, ka efa akaiky ny fanjakan' Andriamanitra; mibebaha ianareo ka minoa ny filazantsara.". Tsy fanjakana Andriamanitra maharitra eto amin' izao tontolo izao amin' ny maha zavaboary noforonina azy izany, fa fanjakana izay natombok' i Jesoa sady hahatratra ny fahafenoany amin' ny andro farany, amin' ny maha famonjena farany indrindra izany.

Izany Fanjakan' Andriamanitra izany dia mandalo amin' ny fiovam-pon' ny olona, ka tsy mitovy amin' ny mesianisma ao amin' ny Testamenta Taloha. Ny zava-kitranga ho famonjena ny mpanota: izany no vaovao mahafaly na filazantsara.

Na dia mitaky fanapahan-kevitra hentitra ny amin' ny fisafidianana an' Andriamanitra ny fidirana ao amin' ny Fanjakana, tsy vokatry ny ezaka ataon' ny olombelona izany: tsy ny olombelona no hanangana izany. Fanomezana maimaimpoana ataon' Andriamanitra izany, izay angatahina ao amin' ny vavaka ("ho tonga anie ny Fanjakanao"), izay raisina amin' ny fanahy malahelo ("Sambatra ny malahelo am-panahy; fa azy ny fanjakan' ny lanitra." Mat. 5.3), sahala amin' ny an' ny zaza madinika ("Fa Jesosy niantso ireo hankeo aminy ka nanao hoe: Avelao ny zaza hanatona Ahy, ary aza raràna; fa an' ny toa azy ny fanjakan' Andriamanitra. Lazaiko aminareo marina tokoa: Na zovy na zovy no tsy handray ny fanjakan' Andriamanitra tahaka ny zaza, dia tsy ho tafiditra aminy akory." Lio. 18.16-17), nefa eo am-piambenana (fanoharana ny amin' ny mpanompo miandry ny tompony, sy ny virjiny dimy hendry sy virjiny dimy adala), satria tsy ampy ny maha isan' ny vahoaka voafidy mba hidirana ao amin' ny Fanjakana: misy ny sivana hanavahana ny tsimparifary sy ny vary (Mat. 13. 24-30) ary hisy ankamoaka hotakina (Mat. 25. 1-13).

Ny Fanjakan' Andriamanitra dia tsy zavatra ao an-tsaina fa fanapahan-kevitr' Andriamanitra ao amin' ny tantara izay ambaran' i Jesoa mialoha, ary indrindra izay tanterahin' ny tenany. Ny fiekena fa i Kristy no mpanjakan' ny Fanjakan' Andriamanitra, amin' ny alalan' ny fahafatesany sy ny fitsanganany tamin' ny maty, dia misy vokany roa fara-fahakeliny ho an' ny Kristiana: voalohany, ny mpino dia hotonga afaka tanteraka amin' ny fanjakana na fahefana ety an-tany, faharoa, tsy tokony hampitovina ny Fiangonana sy ny Fanjakana izay hoavy, na dia ny Fiangonana no mitory azy sy manompo azy ary miombona aminy.

Ny Fanjakan' Andriamanitra ao amin' ny boky apôkrifa

Ao amin' ny boky tsy voaray ho isan' ny kanônan' ny Baiboly kristiana, dia ny evanjely gnôstika atao hoe Evanjelin' i Tômasy, dia taterina ao i Jesoa fa niteny hoe "Raha ireo mitarika anareo no milaza aminareo hoe: "Indro ny Fanjakana dia eny amin' ny lanitra!", dia hialoha anareo ny vorona eny amin' ny habakabaka. Raha miteny aminareo izy ireo hoe: "Ao anaty rano izany", dia hialoha lalana anareo ny trondro. Ny Fanjakana dia ao anatinareo sy ao ivelanareo. Rehefa mahalala ny tenanareo ianareo, dia ho fantatra, ary hahatsapa ho zanaky ny Ray velona ianareo". Ity Evanjelin' i Tômasy ity ihany koa no manao an' i Jesoa ho nanambara ny maha eto sahady ny Fanjakan' Andriamanitra tamin' izy niteny hoe: "Ny Fanjakan' Andriamanitra dia manenika ny tany, ary ny olona tsy hahita azy.".

Fivoasan' ny Kristiana ny hoe "Fanjakan' Andriamanitra"

Ny Testamenta Taloha dia miresaka ny amin' ny "fitsaran' Andriamanitra ny olona rehetra" ary ny filazana fa ny olona rehetra dia ho tsaraina dia zava-dehibe amin' ny fampianara kristiana. Ny fanekem-pinoana nikeana (na fiekem-pinoana niseana) izay naorina tamin' ny andalana maromaro ao amin' ny Testamenta Vaovao, dia milaza fa i Jesoa no hisahana ny anjara asa fitsarana .

Tsy miaraha-manaiky ny manampahaizana ny amin' ny fahazoana ny hevitra teôlôjikan' ny andian-teny hoe "Fanjakan' Andriamanitra". Raha misy fivoasana teôlôjika vitsivitsy momba ny Fanjakan' Andriamanitra izay niseho manodidina ny lohahevitra eskatôlôjika (ohatra: ny eskatôlôjia apôkaliptika sy ny eskatôlôjia efa tanteraka na ny eskatôlôjia efa niantomboka), dia tsy misy fifanaraha-kevitra ny eo amin' ireo manam-pahaizana.

I R. T. France dia manamarika fa raha ny amin' ny "Fanjakan' Andriamanitra" dia manana heviny hoazy ao amin' ireo Kristiana tsotra (na lahîka), saika tsy misy ny fifanarahan-kevitra eo amin' ny samy mpikaroka momba ny hevitr' io andrian-teny io ao amin' ny Testamenta Vaovao. Ny mpikaroka sasany mihevitra fa fomba fiaina kristiana izany, ny sasany indray milaza fa fomba fiasa amin' ny fitoriana ny Filazantsara manerana izao tontolo izao izany, ny sasany koa dia milaza fa fahitana indray ny fanomezam-pahasoavana izany, ny hafa koa dia mampifandray izany amin' ny zavatra iainana efa lasa na mbola ho avy fa amin' ny tontolo hoavy. I France dia manamarika fa ny andian-teny hoe "Fanjakan' Andriamanitra" dia matetika adika amin' ny fomba maro mba hifanaraka amin' ny fandaharam-potoana teôlôjikan' ireo mpanao heviteny ny amin' izany.

Ao amin' ny Testamenta Vaovao, ny Sezafiandrianan' Andriamanitra dia oharina amin-javatra maro. Isan' izany ny Lanitra izay atao hoe Sezafiandrianan' Andriamanitra, ny Sezafiandrianan' i Davida, ny Sezafiandrianan' ny Voninahitra, ny Sezafiandrianan' ny Fahasoavana sy ny maro hafa koa. Ny Testamenta Vaovao dia manohy ny fiheveran' ny Jiosy (na Jody) ny lanitra ho "sezafiandrianan' Andriamanitra", nefa koa manao ny toerana misy ny sezafiandrianan' Andriamanitra ho "any an-danitra", sady manao ny fipetrahan' i Kristy ho eo an-tanana ankavanan' Andriamanitra.

Jereo koa

Loharano sy fanamarihana

Tags:

Fanjakan' Andriamanitra Ny Fanjakan Andriamanitra araka ny jodaismaFanjakan' Andriamanitra Ny Fanjakan Andriamanitra araka ny kristianismaFanjakan' Andriamanitra Jereo koaFanjakan' Andriamanitra Loharano sy fanamarihanaFanjakan' AndriamanitraAndro faranyFivavahana abrahamikaJesoaJodaismaKristianismaTestamenta Vaovao

🔥 Trending searches on Wiki Malagasy:

13 desambra 1991Khadija al-SalamiFiteny jeôrjianaPort-au-PrincePaoly (apôstôly)Repoblika Demokratika MalagasyPôlitika eto MadagasikaraAngatra (aretina)Testamenta TalohaHannah HarperJapànaBritaina LehibeHasina (zavamaniry)Fanekem-pinoana nikeanaSakramentan' ny fanambadianaVolana (fotoana)Testamenta VaovaoEvanjelin' ny Apôstôly Roa ambin' ny FoloMiora Andrialalaina FlorlysPoaceaeSorabeSiansaRepoblika Fahefatra (Madagasikara)RatsimilahoFiadiana ny tompondaka eran-tany ho an’ny kitra 2014Fiteny kôreaninaKristianismaItaliaFitsipi-pitenenanaAristôtyTantaraBaraLloyd KaufmanBaiboly amin' ny teny malagasyApôkrifan' i JoanyTobilehibe FarihimenaFanandroana malagasyAostraliaFilazantsara araka an' i MarkaITononkaloMpiandry tsaraForyGoogleFaritra Atsimo-AndrefanaVoahangyAkohoApôstôly roa ambin' ny foloKinshasaFanekem-pinoana apôstôlikaFanahy Masina (kristianisma)Fisoronana sy fanalana vintanaFifohazana FarihimenaMenalambaMôlekiolaArgonautesBokin' i AmôsaFahefana mpanatanterakaToetanin-jana-pehin-tanyApôkrifan' ny Testamenta VaovaoAdijadyFandroahana fanahy ratsyFiteny javaneyIowaSakaraha🡆 More