Tel-Aviv-Jaffa

I Tel-Aviv-Jaffa izay antsoina matetika hoe Tel Aviv na Tel-Aviv, dia tanàna israeliana any amin' ny morontsirak' i Mediteranea ao afovoan' ny tangoron-tanànan' i Gush Dan ao Israely.

Ny tanànan' i Tel Aviv ankehitriny dia naorina tamin' ny taona 1909 nandritra ny vanim-potoan' ny Ôtômana teo amin' ny tanàna an-tsisin' i Jaffa, tanàna seranan-tsambo izay nitambatra aminy tamin' ny taona 1950.

Tel-Aviv-Jaffa
I Tel-Aviv-Jaffa

Amin' ny teny hebreo izy dia atao hoe תל אביב-יפו, Tēl-ʾĀvīv-Yāfō, fa amin' ny teny arabo kosa dia تل أبيب يافا / Tall ʾAbīb-Yāfā.

I Tel Aviv dia mirefy 14 km manamorona ny morontsirak' i Mediteranea. Mamaritra azy avy ao avaratra i Yarkon (renirano sy valan-javaboary) sy ny tanàna ambanivohitr' i Herzliya sy Ramat Hasharon. Ao atsinanana dia misaraka amin' i Giv'atayim sy i Ramat Gan (foiben' ny fifanakalozana diamondra) izy amin' ny alalan' ny lalambe migodana Ayalon, izay mamakivaky ny reniranon' i Ayalon. Manamorona ny faritra atsimon’ i Tel Aviv ny tanànan' i Bat Yam sy i Holon.

I Tel Aviv dia misy mponina 468 809 eo ho eo tamin' ny Janoary 2022, ka izy no tanàna faharoa lehibe indrindra ao Israely, eo aorian' i Jerosalema (mponina 966 346) ary eo alohan' i Haifa any avaratra kokoa (mponina 282 751).

Tags:

Empira ÔtômànaIsraelyJafaroRanomasina Mediteranea

🔥 Trending searches on Wiki Malagasy:

Havatsa-UPEMAdy LehibeAmpiposahana (faritra)AKabary am-panambadianaWilliam III an'i AngleteraPôlitika eto Madagasikara31 MartsaEpistily nosoratan' i JakôbaAnaranaCurrent eventsEglizy Katôlika Apôstôlika Rômanina (Madagasikara)Kabary tera-baoBokin' ny SalamoSokajin-tenyApôkrifan' ny BaibolyDox (Jean Verdi Salomon Razakandrainy)ZambiaFototenyTestamenta VaovaoFikambanana Skoto eto amin' ny Fiangonana Loterana MalagasyRazana (finoana malagasy)Testamenta TalohaSiansa ara-tsôsialyMaleziaFirenena MikambanaRavelonjanaharySiansaLahatra (finoana malagasy)Ranavalona IIITantaran' i MadagasikaraAdaoroTantaran' ny Repoblika Demôkratikan' i KôngôTsimihetyRichard I an'i AngleteraFiteny kasmiryLisitry ny filohan' i MadagasikaraKainaQIT Madagascar Minerals2022Fitaovam-piadiana2001Dmitri MedvedevFiangonana Adventista Mitandrina ny Andro FahafitoIràkaMeivazyFiangonan' i Jesoa Kristy ho an' ny Olomasin' ny Andro FaranyLibiaAntambahoakaBokin' i IsaiaFitenim-paritra malagasy2020Andriamanitra (ankapobeny)AmontanaAnatôliaBaraWikiZanahary (finoan-drazana malagasy)Fiangonana Loterana Malagasy NohavaozinaPablo PicassoFaritra eto MadagasikaraHabakokaFahababoana tany BabilônaMpampitohy tenyMontanaFiteny tamilyFifohazana SoatanànaOraGerd GanteförJerosalemaZanatenyAntananarivoAsabotsy🡆 More