Haifa

I Haifa dia tanàna amorontsiraka ao Israely, miorina eo amoron' ny Ranomasina Mediteranea.

Heverina ho renivohitr' i Israely Avaratra i Haifa, ka izy sy ny manodidina azy dia nisy mponina manodidina ny antsasa-tapitrisa eo ho eo tamin' ny faran' ny taona 2008. Fantatra izy amin' ny fisian' ny seranan-tsambo lehibe misy rano lalina ao sy ny indostria simika lehibe ao aminy. Ao no misy ny Oniversite Technion.

Haifa

Atao hoe חֵיפָה / Ḥefa izy amin' ny teny hebreo, fa حيفا / Ḥayfa kosa amin' ny teny arabo. Mbola tsy fantatra ny niandohan' ny anarany, na dia naroso aza ny teny hebreo hoe hof ("morontsiraka), na ny fampikambanana ny teny hoe hof sy yafe ("morontsiraka tsara tarehy") izay naroso vao haingana kokoa.

Jeôgrafia

Any avaratr' i Israely sy ao amin' ny distrika mitondra ny anarany no misy an' i Haifa, izay tanàna fahatelo lehibe indrindra ao amin' io firenena io ary misy mponina 270 500. Tahaka an' i Acre (hebreo: עַכּו / Akko; arabo: عكّا /ʿAkkā) sy i Jerosalema, miaraka amin' ny mponina jiosy, dia fonenan' ny vondrom-piarahamonina arabo palestiniana lehibe (Arabo israeliana) misy olona 25 000 eo ho eo, avy amin' ny finoana samihafa. Eo ambany ary koa eo amin' ny havoanan' ny Tendrombohitra Karmela no misy azy, ka iray amin' ireo tanànan-tseranan-tsambo manan-danja indrindra ao Israely izy io ary ahitana ny Oniversiten' i Haifa, ary ny foibem-pampianarana pôliteknika malaza amin' ny fampianarana sy fikarohana atao hoe Technion.

Tags:

IsraelyRanomasina Mediteranea

🔥 Trending searches on Wiki Malagasy:

Lanitra (finoana)CaliforniaKilamba-KiaxiRepoblika Fahefatra (Madagasikara)FahasalamanaTarehin-tsoratra araboFitsarana faranyFiteny tiorkaJirofoTsinyAlahasatyAmpongaAlakaraboVorombolaTolom-bahoaka tamin' ny 1947FanambadianaSampan-tenyRenivintanaMeivazyJohn DaltonTestamenta TalohaVezoPaositra MalagasyAngleteraLZanahary (finoan-drazana malagasy)TendryAntesakaAntanosyEvekaFiteny kreôly haisianinaFifandraisan-davitraBenjamin DisraeliHasina (zavamaniry)MassachusettsFamonjenaZambiaOkrainaFiraisana ara-nofoTsirinteny sara-droaRazana (finoana malagasy)Sakramenta ao amin' ny fiangonana katôlikaMatyFahaterahanaFiteny kasmiryPetra-kevitraRanavalona III2020Lambo diaSabata (jiosy)ZanabintanaRichard I an'i AngleteraForyDmitri Medvedev1840Baiboly katôlikaMadagasikaraMpampitohy tenyFanambaràna Iraisam-Pirenena momba ny Zon' OlombelonaFanjakan' ImerinaKazakstànaFiteny hindỳJapànaHoratio NelsonRavelonjanaharyFaritany eto MadagasikaraJodaismaSilamoBara🡆 More