Ny kapitalisma dia rafitra ara-toekarena izay ahitana zavatra (fananana, ohatra) ananan'ny olona maro, na olona tokanna, fa tsy an'ny governemanta na ny fiaraha-monina.
Ny olona dia tsy maintsy mangataka na manao asa omen-karama mba hahafahany mividy zavatra izay ilainy na tiany hananana, toa ny sakafo. Ny kapitalisma amin'ny ankapobny dia manana toe-karena misy tsena malalaka, izany hoe ny olona hividy sy hivarotra ny zavatra araka ny sitra-pony. Amin'izao fotoana izao any amin'ny ankamaroan'ny firenena eto amin'izao tontolo izao, ny toe-karena ihany koa dia manana drafitra, nataon'ny governemanta na ny sendika. Izy ireo raha ny marina antsoina hoe "toe-karena mifangaro" solon'ny tsena malalaka. Tsy mitovy hevitra mikasika ny maha-hevitra tsara ny kapitalisma ny olona sasany, na hatraiza no maha-hevitra tsaa ny kapitalisma.
Ny teny dia avy amin'ny teny frantsay hoe "capital", izay midika hoe zavatra manan-danja. Mety ho vola izany ("mason-karena") na zavatra hafa azo amidy. Ny teny hoe "kapitaly" tany am-boalohany dia avy amin'ny teny Latina hoe caput, izay midika hoe "loha." Dia nampiasaina ny hoe firy ny "lohan'omby" nananan'ny olona manan-karena, tamin'ny andro fahiny, rehefa nampiasaina toy ny vola ny omby.
Ny filozofa Adam Smith ny boky, ny harenm-pirenena, dia boky lehibe izay nanadihady ny hevitry ny kapitalisma sy ny tsena malalaka. Ny teny hoe "kapitalisma" dia tsy nampiasaina hatramin'ny faramparan'ny taonjato faha-19.
This article uses material from the Wikipedia Malagasy article Kapitalisma, which is released under the Creative Commons Attribution-ShareAlike 3.0 license ("CC BY-SA 3.0"); additional terms may apply (view authors). Mitondra ny lisansa CC BY-SA 4.0 ny votoatiny raha tsy misy zava-kafa ambara. Images, videos and audio are available under their respective licenses.
®Wikipedia is a registered trademark of the Wiki Foundation, Inc. Wiki Malagasy (DUHOCTRUNGQUOC.VN) is an independent company and has no affiliation with Wiki Foundation.