I Jodasy Iskariôta na Jodasy dia iray amin' ny mpianatr' i Jesoa roa ambin' ny folo lahy, maty teo anelanelan' ny taona 30 sy 33 taor.
J.K. Izy ilay voalaza fa namadika an' i Jesoa (na Jesosy) ka nanamora ny fisamborana azy.
Araka ny Testamenta Vaovao ao amin' ny Baiboly kristiana, i Jodasy Iskariôta dia ilay apôstôly nanolotra an' i Jesoa Kristy tamin' ny Sanedrina (na Sinedriôna). Teraka tao Jodea (na Jodia) izy. Izy no mpiandraikitra ny fananana sy ny vola tao amin' ny vondron' ny apôstôly notarihin' i Jesoa. Μisy filazantsara apôkrifa izay mitondra ny anarany, dia ny Filazantsaran' i Jodasy.
Atao hoe Jodasy Iskariôta izy mba hiavahany amin' i Jodasy Zelôta na Joda Zelôta. Ny hoe Iskariôta dia mety midika hoe "avy amin' ny fokon' i Isakara". Ὶούδας Ὶσκάριωθ / Ioudas Iskariôth na Ὶούδας Ὶσκαριώτης / Ioudas Iskariôtês no fiantsoana azy amin' ny teny grika. איש־קריות /ʾIsh-keriyyôt amin' ny teny hebreo. Tsy tokony hafangaro i Jodasy Tadeo (na Joda Tadeo na Tadeo na Joda) sy i Jodasy Iskariôta.
Ao amin' ny Evanjely araka an' i Joany (Joa 12.6) dia lehilahy tia vola tafahoatra sady ratsy saina i Jodasy. Araka ny Evanjelin' i Matio sy Lioka dia izany fitiavam-bola tafahoatra izany no nahatonga azy namadika sy nanolotra an' i Jesoa tamin' ireo mpisoronabe tao Getsemany (na Getsemane) rehefa azony ny vola telopolo.
Tsy ny fiahiany ny mahantra anefa no nilazany an' izany, fa noho izy mpangalatra sy mpitana ny kitapom-bola, ary nifetsy izay nalatsaka tao anatiny. (Joa 12.6, Ny Baiboly Masina).
Ao amin' ny Evanjelin' i Matio sy Marka ary Lioka dia nahafantatra ny hamadihana azy i Jesoa. Rehefa hitan' i Jodasy ny vokatry ny zavatra nataony dia tra-panenenana izy ka nananton-tena ka maty izy. Misy fitantarana samihafa momba ny nahafatesan' i Jodasy ny boky ao amin' ny Testamenta Vaovao: ny ao amin' ny Evanjelin' i Matio (Mat 27.3-5), ny Asan' ny Apôstôly (Asa 1.16-20).
3Ary Jodasy, ilay namadika Azy, raha nahita fa nohelohina Jesosy, dia nanenina ka namerina ny sekely volafotsy telo-polo tamin' ny lohan' ny mpisorona sy ny loholona 4ka nanao hoe: Nanota aho, satria namadika rà marina. Fa hoy ireo: Ahoanay izany? fa asa anao. 5Ary nony natsipiny teo amin' ny tempoly ny vola, dia niala izy ka lasa nandeha, dia nanao tadimody ary nananton-tena, ka dia maty. (Mat 27.3-5, Ny Baiboly)
"16 Ry rahalahy, tsy maintsy tanteraka ilay Soratra voalazan' ny Fanahy Masina tamin' ny vavan' i Davida momba an' i Jodasy, izay nitarika ny mpisambotra an' i Jeso; 17 fa anisantsika ihany koa izy, sady nanana anjara tamin' izao fandraharahantsika izao. 18 Nefa nahazo saha tamin' ny tambin' ny otany iny lehilahy iny, ary lavo nihohoka izy ka vaky ny kibony, sady niparitaka ny tsinainy. 19 Zavatra fantatry ny mponina rehetra eto Jerosalema izany, ka io saha io dia nahazo anarana tamin' ny fiteniny hoe Haseldamà, izany hoe sahan-drà. 20 Ary izany indrindra no voasoratra ao amin' ny bokin' ny Salamo hoe: Aoka ho lao ny fonenany, ka tsy honenan' olona akory; ary koa: Aoka ho lasan' olon-kafa ny anjara raharahany." (Asa 1.16-20, Ny Baiboly Masina).
Ny Filazantsaran' i Jodasy na Evanjelin' i Jodasy dia soratra natao tokony ho tamin' ny taonjato faharoa, izay isan' ireo atao hoe filazantsara apôkrifa. Tao amin' ny fikambanana kristiana nefa nanana firehana gnôstika no nipoirany. Tamin' ny taona 1978 no nahitana io soratra io amin' ny teny kôpta.
Manamarina ny famadihana nataon' i Jodasy an' i Jesoa ny mpanoratra an' ilay filazantsara: Nahazo hafatra avy amin' i Jesoa i Jodasy hoe: "Ianao no hanao sorona ny olombelona izay itafiako". Araka io filazantsara io dia i Jodasy no mpianatra tamin' ny roa ambin' ny folo nahatakatra ny zavatra tian' i Jesoa hatao teto ambonin' ny tany, araka ny fikendren' Andriamanitra.
This article uses material from the Wikipedia Malagasy article Jodasy Iskariôta, which is released under the Creative Commons Attribution-ShareAlike 3.0 license ("CC BY-SA 3.0"); additional terms may apply (view authors). Mitondra ny lisansa CC BY-SA 4.0 ny votoatiny raha tsy misy zava-kafa ambara. Images, videos and audio are available under their respective licenses.
®Wikipedia is a registered trademark of the Wiki Foundation, Inc. Wiki Malagasy (DUHOCTRUNGQUOC.VN) is an independent company and has no affiliation with Wiki Foundation.