Apôstôly Andrea

I Andrea dia iray amin' ny apôstôly, Jiosy galileana sady rahalahin' i Petera (na Piera) izy.

Mpianatr' i Joany mpanao batisa izy taloha. Atao hoe Prôtôkleto ("Ilay Nantsoina Voalohany") koa izy satria nanaraka an' i Jesoa (na Jesosy) raha vantany vao vita batisa (na batemy) ity farany.

Apôstôly Andrea
I Andrea, sary nataon' i Yoan avy any Gabrovo any Bolgaria. taonjato faha-19.

Ny arany

Ny hoe Andrea dia fanagasiana ny anarana amin' ny teny grika hoe Ἀνδρέας / Andreas. Andreas ihany koa no fiantsoana azy amin' ny teny latina. Andrew amin' ny teny anglisy fa André kosa amin' ny teny frantsay.

I Andrea araka ny Baiboly

Araka ny voalaza ao amin' ny Baiboly dia teraka tao Betsaida tao Galilea (na Galilia) tao amoron' ny farihy Tiberiasy (na Tiberiada) i Andrea. Mpanjono tahaka an' i Simôna Petera rahalahiny izy. Tamin' ny voalohany dia mpianatr' i Joany Batista izy nefa rehefa nasehon' i Joany mpanao batisa fa i Jesoa no "ilay Zanakondrin' Andriamanitra izay hitondra ny fahotan' izao tontolo izao" (Joa. 1.29-40), dia nanaraka an' i Jesoa izy ka tsy nisaraka taminy intsony. Izy no mpianatra voalohany notaomin' i Jesoa hanaraka azy.

Mpanelanelana an' i Jesoa tamin' ny olon-kafa no tena ahafantarana an' i Andrea. Izy no naneho an' i Simôna rahalahiny tamin' i Jesoa. Tamin' ny nampitomboana isa ny mofo sy ny hazandrano dia izy no nitondra ilay zazalahy nanana mofo dimy sy hazandrano roa teo amin' i Jesoa. Tamin' ny fotoana te-hifanatrehan' ny Grika amin' i Jesoa dia tamin' i Andrea no nitenan' izy ireo an' izany.

Jereo koa:

Tags:

Apôstôly roa ambin' ny foloBatisaGalilea (faritra)JesoaJiosyJoany mpanao batisaPetera

🔥 Trending searches on Wiki Malagasy:

Abbasabad, MazandaranSoson-drivotry ny tanyMetafizikaAdizaoza439Vanim-potoana kristianaDokuWikiEzekielaKyiv192719711888Toliara9 MartsaBokin' ny SalamoBenito MussoliniAbkaziaKabary famangianaBetelaAl-BiruniAurangzebFitrandrahana harena an-kibon' ny tany eto MadagasikaraEpistily ho an' ny RômanaFiangonana Jesosy MamonjyFivavahanaBetsimisarakaFanavakavaham-bolon-koditraFahefana mpanatanterakaFiteny araboU19701855Kolontsaina malagasyFitiavanaVolgataMaoritaniaZezikaAntandroyApôlinariôsy avy any LaôdikeaHypertext Markup LanguageAntananarivoEpifaniaTanora Malagasy VononaTriniteBokin' i IsaiaFitsapan-kevi-bahoakaAntemoroFanonganam-panjakanaFiteny hebreoAljeriaLatakiaFahefana mpanao lalànaFambolenaAlemainaFiteny frantsayFiteny espaniôlaDavid N'GogAfrika AfovoanyFilazantsara araka an' i LiokaLambamena1744MatoatoaHarin-karena faobeFaritra AnalamangaAveloAngôvoFiraisana ara-nofoTaom-baovao malagasyTetiandroAotrisy6 AogositraFrantsa🡆 More