Ny Apôkalipsin' i Mosesy na Apôkalipsan' i Môizy dia boky apôkrifa na pseodepigrafa jiosy izay atsoina koa hoe Fiainan' i Adama sy Eva.
Anaran' io boky io avy amin' ny dikan-teny grika ny hoe Apôkalipsin' i Mosesy. Tsy i Mosesy (na Môizy) akory no nanoratra io boky io.
Mitantara ny fiainan' i Adama sy Eva hatramin' ny nandroahana azy ireo avy ao amin' ny Saha Edena ka hatramin' ny nahafatesany io boky io. Mandray ny tantara ao amin' ny Baiboly momba ny fahalavoan' ny olombelona araka ny fomba fijerin' i Eva ny fitantarana.
Nikomy i Satana taorian' ny nandidian' Andriamanitra azy hitsaoka an' i Adama. Avy eo dia niova ho "anjelin' ny fahazavana" (Losifera) i Satana ka niray tsikombakomba tamin' ny menarana mba hamitaka an' i Eva. Voaroaka avy tao amin' ny paradisa i Adama sy i Eva. Taty aoriana, rehefa maty i Adama dia naka ny vatany ny arikanjely Mikaela mba handevina azy "ao amin' ny paradisan' ny lanitra fahatelo" sady nampanantena an' i Adama sy ny taranany rehetra fa isan' ny hitsangan-ko velona izy ireo.
Ahitana tsiahy avy ao amin' ny Apôkalipsin' i Mosesy ny ao amin' ny Testamenta Vaovao. Hita izany ao amin' ny Taratasy faharoa ho an' ny Kôrintiana, momba ny nakan' i Satana ny endriky ny "anjelin' ny mazava".
"13 Fa Apostoly sandoka izy ireny, mpiasa mamitaka, ka dia mampiova ny endriny ho tahaka ny Apostolin' i Kristy. 14 Ary tsy mahagaga izany, fa Satana aza mampiova ny endriny ho tahaka ny anjelin' ny mazava. 15 Koa tsy zavatra lehibe tsy akory, raha ny mpanompony koa no mba mampiova ny endriny ho tahaka ny mpanompon' ny fahamarinana; nefa ny farany ho araka ny asany ihany" (2Kor. 11.13-15).
Voaresaka ao amin' io epistily io koa ny amin' ny "paradisan' ny lanitra fahatelo":
"2 Mahalala olona anankiray ao amin' i Kristy aho, tokony ho efatra ambin' ny folo taona lasa izay - na tao amin' ny tena, na tsy tao amin' ny tena, tsy fantatro, Andriamanitra no mahalala - ilay anankiray dia nakarina ho any amin' ny lanitra fahatelo. 3 Ary mahalala ilay olona anankiray aho - na tao amin' ny tena, na tsy tao amin' ny tena, tsy fantatro, Andriamanitra no mahalala - 4 fa nakarina ho any Paradisa izy ka nandre teny tsy azo tenenina sady tsy tokony holazain' olona." (2Kor. 12.2-4).
Ny Zohin-Karena izay soratra apôkrifa nataon' i Efrema Siriana (taona 306-373) tamin' ny fiteny siriaka dia naka ampahany betsaka tao amin' ny zava-boalazan' ny Apôkalipsin' i Mosesy ka ny sora-tanana sisa ankehitriny dia natao tamin' ny taonjato faha-6 na taorian' izany aza.
This article uses material from the Wikipedia Malagasy article Apôkalipsin' i Mosesy, which is released under the Creative Commons Attribution-ShareAlike 3.0 license ("CC BY-SA 3.0"); additional terms may apply (view authors). Mitondra ny lisansa CC BY-SA 4.0 ny votoatiny raha tsy misy zava-kafa ambara. Images, videos and audio are available under their respective licenses.
®Wikipedia is a registered trademark of the Wiki Foundation, Inc. Wiki Malagasy (DUHOCTRUNGQUOC.VN) is an independent company and has no affiliation with Wiki Foundation.