Eva

I Eva, araka ny Baiboly, dia ilay vehivavy voalohany noforonin' Andriamanitra teto ambonin' ny tany.

Ny vadiny dia i Adama, ilay lehilahy noforonin' Andriamanitra voalohany indrindra. Izy mivady no nitaranaka ny olombelona rehetra. Noforonina tamin' ny alalan' ny fotaka i Adama, fa i Eva kosa tamin' ny taolan-tehezan' i Adama. Ny fahotan' izy mivady no niteraka ny fahasahiranana sy ny fahafatesan' ny olombelona. Ny tantaran' i Adama sy Eva no mahatonga ny fiheverana fa ny olombelona rehetra taranaky ny mpivady volohany sady tokana.

Eva
I Adam sy i Eva ary i Abela, nataon'i Carl Johan Bonnesen (1868-1933)

I Eva ao amin' ny jodaisma sy ny kristianisma

Ny tantaran'i Adama sy Eva no iorenan'ny foto-pampianarana momba ny fahalavoan' ny olombelona sy ny fahotana tamin' ny fototra izay finoana manan-danja ao amin' ny fivavahana kristiana.

Ao amin' ny Baiboly hebreo

Ao amin' ny Bokin' ny Genesisy ao amin' ny Baiboly hebreo (Gen. 1-- 5) dia misy fitantarana roa izay maneho fomba fijery roa miavaka. Ao amin' ny fitantarana voalohany i Adama sy i Eva dia tsy voatonona anarana. Miteny fotsiny Andriamanitra ao fa nanamboatra ny olombelona araka ny endrik' Andriamanitra sy nitso-drano azy ireo mba hihabetsaka sy hitandrina izay rehetra noforonin' Andriamanitra. Tsy nanan-tsiny sady tsy nahalala menatra izay ireo na dia nitanjaka aza. Ao amin' ny fitantarana faharoa dia namolavola an' i Adama vay tamin' ny vovoka Andriamanitra avy eo nametraka azy tao amin' ny saha Edena. Nilaza tamin' i Adama Andriamanitra fa afaka mihinana an-kalalahana ny voan' ny hazo rehetra ao amin' ny saha, afa-tsy ny voan' ilay hazo fahalalana ny tsara sy ny ratsy. Aty aoriana dia noforonina avy tamin' ny taolan-tehezan' i Adama i Eva mba hatao namany. Nisy bibilava (menarana) anefa namitaka an' i Eva ka nahatonga an' i Eva hihinana ny voan' ilay hazo voarara sady nanomezany koa i Adama vadiny. Izany fihinanana ny voan' ilay hazo voarara izany dia nahatonga azy ireo hitombo fahalalana, nefa izany koa dia nahalalany menatra sy nahafantarany ny atao hoe ratsy. Noho izany dia nanozona ny bibilava sy ny tany Andriamanitra. Nambaran' Andriamanitra tamin-dravehivavy sy tamin-dralehilahy ny ho vokatry ny fahotany. Avy eo noroahin' Andriamaitra hiala avy tao Edena izy ireo.

Jereo koa:

Tags:

AdamaAndriamanitra (tokana)BaibolyFahafatesanaOlombelona

🔥 Trending searches on Wiki Malagasy:

BetsileoFandroahana fanahy ratsyGoogleKabary famangianaZhuge LiangDidy FoloFahaleovantenaJodaismaFanandevozanaHovaSamuel RatanySun Yat-senAmbohimahasoaAsan' ny ApôstôlyFihavananaJeôgrafian' i MadagasikaraRatsiraka DidierAmalonaFaritra AnosyMumbaiÉmile DurkheimRepoblika MalagasyForyRirininaNatalie PortmanRSSRakibolanaTwitterEvanjelin' i BarnabàKantoFiteny antemoroTsindrimandry (fivavahana)Khadija al-SalamiZavaboaryOniversiteNikôdemôsyTodyFandikan-tenySihanakaISO 3166-1TokantranoVolamakaTolom-bahoaka tamin' ny 1947Razafinimanjaka RaketakaSiliaTovona (fitsipiteny)MorondavaApôkalipsy faharoan' i JakôbaLibiaMetôdiôsy avy any ÔlimpôsyTantaraNjakatianaSakramenta ao amin' ny prôtestantismaAdy an-tranoPoaceaeZairaKabary am-panambadianaAngatra (aretina)Abdellatif FellainiHTany lemakaPôlôniaZon' olombelonaPaska jiosyRavinalaAkohoVolaFiteny tsôkotaoBootjack, KaliforniaEvanjelin' ny Roa ambin' ny foloReniranoAdimizana🡆 More