Baiboly Adama

I Adama, araka ny Baiboly, dia ilay olona voalohany noforonin' Andriamanitra teto ambonin' ny tany.

Adama
Baiboly Adama
Ankapobeny
Anarana Adama
Teraka Tsy fantatra
Fiaviana sy ny andraikitra
Asa : Tsy fantatra
Fiainana manokana

Izy sy ny vadiny atao hoe Eva no nitaranaka ny olombelona rehetra. Noforonina tamin' ny alalan' ny fotaka i Adama fa i Eva kosa tamin' ny taolan-tehezan' i Adama. Ny fahotan'izy mivady no niteraka ny fahasahiranana sy ny fahafatesan' ny olombelona.

Ny fedrà momba an' i Adama sy Eva dia nivoatra tao amin' ny lovantsofin' ireo fivavahana abrahamika taty aoriana, ary ireo mpandalina Baiboly ankehitriny dia manadihady an' izany lalina. Miovaova ny fivoasana sy ny finoana momba an' i Adama sy Eva ary ny tantara momba azy ireo arakaraka ny karazam-pivavahana sy ny sampana ao anatiny

I Adama ao amin' ny jodaisma sy ny kristianisma

Ny tantaran' i Adama sy Eva no miteraka ny faharesen-dahatra fa ny olombelona rehetra dia fianakaviana iray, taranaky ny mpivady volohany sady tokana. Ny tantaran'izy ireo koa no iorenan'ny foto-pampianarana momba ny fahalavoan'ny olombelona sy ny fahotana tamin'ny fototra izay finoana manan-danja ao amin'ny fivavahana kristiana.

Ao amin' ny Baiboly hebreo

Baiboly Adama 
I Adama sy i Eva, nataon'i Lucas Cranach the Elder, 1538

Ao amin'ny Bokin'ny Genesisy ao amin'ny Baiboly hebreo (Gen. 1-- 5) dia misy fitantarana roa izay maneho fomba fijery roa miavaka. Ao amin'ny fitantarana voalohany i Adama sy i Eva dia tsy voatonona anarana. Miteny fotsiny Andriamanitra ao fa nanamboatra ny olombelona araka ny endrik' Andriamanitra sy nitso-drano azy ireo mba hihabetsaka sy hitandrina izay rehetra noforonin' Andriamanitra. Tsy nanan-tsiny sady tsy nahalala menatra izay ireo na dia nitanjaka aza. Ao amin' ny fitantarana faharoa dia namolavola an' i Adama vay tamin' ny vovoka Andriamanitra avy eo nametraka azy tao amin' ny saha Edena. Nilaza tamin' i Adama Andriamanitra fa afaka mihinana an-kalalahana ny voan' ny hazo rehetra ao amin' ny saha, afa-tsy ny voan' ilay hazo fahalalana ny tsara sy ny ratsy. Aty aoriana dia noforonina avy tamin' ny taolan-tehezan' i Adama i Eva mba hatao namany. Nisy bibilava (menarana) anefa namitaka an' i Eva ka nahatonga an' i Eva hihinana ny voan' ilay hazo voarara sady nanomezany koa i Adama vadiny. Izany fihinanana ny voan' ilay hazo voarara izany dia nahatonga azy ireo hitombo fahalalana, nefa izany koa dia nahalalany menatra sy nahafantarany ny atao hoe ratsy. Noho izany dia nanozona ny bibilava sy ny tany Andriamanitra. Nambaran' Andriamanitra tamin-dravehivavy sy tamin-dralehilahy ny ho vokatry ny fahotany. Avy eo noroahin' Andriamaitra hiala avy tao Edena izy ireo.

Jereo koa

Rohy ivelany

  • Ao amin'i Freebase: [1]
Baiboly Adama 
Mbola ambangovangony ity lahatsoratra ity ary tokony hofenoina.

Azonao atao ny mandray anjara eto amin'ny Wikipedia amin'ny alàlan'ny fanitarana azy.
Jereo koa ny pejy Ahoana ny manao takelaka rehefa te-hijery hoe ahoana no fanaovana azy.

Tags:

Baiboly Adama I Adama ao amin ny jodaisma sy ny kristianismaBaiboly Adama Jereo koaBaiboly AdamaAndriamanitra (tokana)BaibolyEvaFahotana

🔥 Trending searches on Wiki Malagasy:

Fanahy Masina (kristianisma)EtazoniaFaritany eto MadagasikaraTanyBaolina kitraJodeaKapreôloFokon' i IsraelyBokin' ny Mpaminany 12AndriantsolyAndrianampoinimerinaRavinalaAsombolaPôlinezia FrantsayEglizy Katôlika Apôstôlika Rômanina (Madagasikara)Rainay any an-danitraFiangonan' i AngleteraAtlanta, GeorgiaMellacBetsimisarakaOkrainaDiônisôsyFiombonan' ny Fiangonana Kristiana eto MadagasikaraFamadihanaEpistilyAlahamadyFahaterahanaAndrianaBokin' i DanielaFanabeazanaVanimpotoana Fiavian'ny Tompo (katolika)ISO 3166-1Repoblika Fahefatra (Madagasikara)LalànaWordPressSampan-tenyAnjelyRosiaJeôgrafian' i MadagasikaraSamuel RatanyHermann LeyTsiefaFiteny japôneyAudeloncourtTamotamoNGC 3077Kônsily Vatikàna IIFahaleovantenaJesoaAsaramanitra (volana malagasy)PaskaShaktoolik, AlaskaFiloham-pirenena sy mpanjakan'i MadagasikaraGdańskFiaramanidinaRobin WilliamsTorontoZôdiakaTetiandro manara-masoandroAndriamanetriarivoMeka (Arabia Saodita)Tantaran' ny Repoblika Demôkratikan' i KôngôVolanaSakramenta ao amin' ny fiangonana katôlikaVohitr' andrianaFilazantsara araka an' i LiokaAndriamisaraKareem Abdul-Jabbar🡆 More