Ankara

I Ankara no renivohitr' i Torkia nanomboka tamin' ny 13 Ôktôbra 1923 ary tanàna faharoa lehibe indrindra ao amin' ilay firenena, aorian' i Istanbul.

Any amin' ny Faritra Anatôlia Afovoany (tiorka: İç Anadolu Bölgesi) no misy azy. Nantsoina taloha hoe Angora sy Ancyra izy tamin' ny Andro Taloha,

Ankara
Ankara

Izy koa dia prefektioran' ny faritany mitovy anarana aminy. Ny mponina ao dia antsoina hoe Ankariôta. Misy mponina maherin' ny dimy tapitrisa ny ao, ary 938 m no misy azy ambonin' ny ranomasina. I Ankara sy ny manodidina dia nisy mponina miisa 5 782 285 tamin' ny 31 Desambra 2022.

Fiavian' ilay anaran-tanàna

Aγκυρα / Ankyra no anarana nahafantaran' ny Galatiana sy ny Rômana ary ny Frigiana (na Frijiana) an' i Ankara. Io teny io dia manondro ny vatofantsika amin' ny teny grika, izany no nahatonga ny angano hanazava fa io no toerana nahitan' i Midas (mpanjakan' ny Frigiana) vatofantsika. Io marika io koa dia hita amin' ny vola madinika tranainy sasany, izay aranty ao amin' ny Tranombakokan' ny Sivilizasiôna Anatôliana (tiorka: Anadolu Medeniyetleri Müzesi). Na izany aza, raha ny tena izy dia tsy maintsy misy fifandraisana kisendrasendra eo amin' io teny grika io sy ny fototeny ank- voalaza ao amin' ny anaran-toerana hitita maro toy ny hoe Ankuwa, Ankala na Ankuwash. Ny anaran' ity tanàna ity dia nosoratana amin' ny abidy latina any amin' ny Tontolo Tandrefana amin' ny tsipelina Ankyra sy Ancyra.

Taorian' ny fahatongavan' ny Vahoaka Torkika tao Anatôlia tamin’ ny taonjato faha-11 dia niova ho Engürü sy Engüriye amin' ny teny tiorka ny anaran' ilay tanàna, ary Angora amin' ny fiteny tandrefana. Tamin' ny taonjato faha-16 vao nanomboka nampiasaina ny tsipelina hoe Ankara (abidy arabo: انقره), araka ny antontan-taratasy ôfisialy ôtômana samihafa.

Taorian' ny fangatahana ôfisialy nataon' ny Repoblika Tiorka tamin' ny 28 Marsa 1930 ny fampiasana ôfisialy an' io tsipelina hoe Ankara io.

Jereo koa

Tags:

Andro TalohaFiteny tiorkaIstanbulTorkia

🔥 Trending searches on Wiki Malagasy:

MpampiankinaFahasalamanaBokin' ny Ohabolana2006Fifohazana SoatanànaFilôzôfiaTsinyNôvambraAdimizanaLaurent Cantet14 FebroaryHabakabakaMassachusettsBrexitAWilliam III an'i AngleteraDemôkrasiaAviavyAratraMpampitohy tenyEpistily ho an' ny RômanaFiangonana Loterana Malagasy NohavaozinaRanavalona IIIMerkioraEtazoniaBokin' i IsaiaTolom-bahoaka tamin' ny 1947Ora2001Sabata (jiosy)Mponina eto MadagasikaraFiteny tamilyFanambadianaTarehin-tsoratra araboAlemainaTrombaAsombolaFanalana faditraAmpiposahana (faritra)Fifohazana (kristianisma malagasy)SolombavambahoakaDox (Jean Verdi Salomon Razakandrainy)Tantaran' ny Repoblika Demôkratikan' i KôngôSorona masinaBokin' i DanielaGovernemantaVolanaSoratraKabary tera-baoFihavananaEorôpaSydneyJohannes VermeerGoaikaAostraliaFivavahan-drazana malagasyTondra-dranoFiangonana Loterana MalagasyFamadihanaMikeaJesoaVatosoaSaint-Clément, AisneAnaran'ny mponinaAlakaosyAndrianaRepoblika Fahefatra (Madagasikara)Fitampoha🡆 More