Transkaokazia

I Transkaokazia na Kaokazy Atsimo dia faritra ara-jeôgrafia ao amin' ny tapany atsimon' i Kaokazy, ahitana an' i Jeôrjia sy i Armenia ary i Azerbaijana.

Mamaritra azy avy ao avaratra i Siskaokazia na Kaokazy Avaratra (fitambarana repoblika ara-poko ao amin' ny Federasiônan' i Rosia ankehitriny), ny mpifanolo-bodirindrina aminy ao atsimo dia i Torkia sy i Iràna, ary manamorona azy ao andrefana ny Ranomasina Mainty ary ao atsinanana ny Ranomasina Kaspiana.

Transkaokazia
Sarin-tanin' ny faritra Kaokazy

Nanomboka tamin' ny faran' ny taompolo 1980, ity faritra ity dia nitrangan' ny fifandonana teo amin' ny samy foko, indrindra fa tao amin' ny ôblasta mizaka tenan' i Karabaga Ambony teo amin' ny Armeniana sy ny Azery na Azerbaijaney, ary tany Abkazia sy i Ôsetia Atsimo (repoblika roa mpisara-bazana amin' i Jeôrjia, izay ahitana ny tafika rosiana, indrindra tamin' ny taona 2008).

Ny fanjakana ao Transkaokazia dia manakaiky kokoa ny Vondrona Eorôpeana tamin' ny nanatevenany ny Filankevitr' i Eorôpa tany am-piandohan' ny taompolo 2000. Tamin' ny taona 2005 ny Filankevitry ny Vondrona Eorôpeana dia nanapa-kevitra fa ilaina ny mampiditra azy ireo farafaharatsiny ao amin' ny Pôlitika Eorôpeana momba ny mpifanolo-bodirindrina.

Tags:

ArmeniaAzerbaijànaIrànaJeôrjiaKaokazyRanomasina KaspianaRanomasina MaintyRosiaSiskaokaziaTorkia

🔥 Trending searches on Wiki Malagasy:

Merina1911Lanitra (finoana)Fiteny kirondyBetsileoKalandrie litorjika katôlika rômaninaEglizy Katôlika Apôstôlika Rômanina (Madagasikara)AntankaranaAostraliaFanjakan' i Israely (mitambatra)Havatsa-UPEMOnitiana RealyFitiavanaAntemoroSabata (jiosy)Tolom-bahoaka tamin' ny 1947Ady LehibeAndriana\MassachusettsTestamenta VaovaoTovaloBaiboly amin' ny teny malagasyFivavahana abrahamikaAratraTambintenyHolatraDagestànaBetlehemaEzraAziaArama (faritra)Vintana (finoan-drazana malagasy)Sorona masinaFiteny taỳ14 FebroaryTarehin-tsoratra araboTontolo iainanaAsorotanyKazakstànaJirofoSandam-bolaBokin' ny mpaminany (Baiboly)Mpampiankin-tenyFototenyZanahary (finoan-drazana malagasy)Firaisana ara-nofoFady (malagasy)Fanahy (kolontsaina malagasy)Fanekem-pinoana apôstôlikaPaskaAmontanaAntanosy1910VoronaRamevaAdaoroLe BouscatTanindrazana, Fahafahana, FandrosoanaZavaboary31 MartsavietnamyFahababoana tany BabilônaZanatsoratraSydneyPablo PicassoFampakaram-bady tao KanàMediaWikiFaritany eto MadagasikaraÔseaniaSikidy malagasyTsirinteny sara-droaPraiminisitra malagasy🡆 More