I Ôsetia Atsimo na Repoblikan' i Ôsetia Atsimo na Ôsetian' i Alania Atsimo dia faritany manan-tsata mbola iadiana hevitra any amin' ny faritr' i Kaokazy any Eorôpa.
Atao hoe Хуссар Ирыстон / Khussar Iryston sy Республикӕ Хуссар Ирыстон / Respublikæ Xussar Iryston izy amin' ny teny ôsetiana; Южная Осетия / Yuzhnaya Ossetiya sy Республика Южная Осетия / Respublika Yuzhnaya Ossetiya amin' ny teny rosiana; ary სამხრეთ ოსეთი, / Samkhret Osseti na სამაჩაბლო / Samatchablo amin' ny teny jeôrjiana.
Nisaraka tamin'i Jeôrjia i Ôsetia Atsimo tamin' ny taona 1992 ary nanambara ny tenany ho repoblika mahaleo tena. I Jeôrjia sy ny ankamaroan' ny firenena ao amin' ny Firenena Mikambana dia tsy manaiky izany fahaleovantena izany ary mihevitra an' i Ôsetia Atsimo ho faritra mizaka tena ao amin' ny faritany jeôrjianan' i Kartlia Anatiny. Taorian' ny ady tamin' ny taona 2008 dia neken' i Rosia, i Abkazia, i Transnistria, i Siria, i Nikaragoa, i Venezoelà ary ny nosy Naoro ny fahaleovantenan' i Ôsetia Atsimo.
Io repoblika dia misy mponina 50 000 ao amin' ny veleran-tany mirefy 3 900 km2. Ny renivohiny dia i Tskhinvali . I Anatoly Bibilov no filohany nanomboka ny 21 Avrily 2017.
Lisitry ny firenena any Azia:
Fanjakana mbola misy olana:
This article uses material from the Wikipedia Malagasy article Ôsetia Atsimo, which is released under the Creative Commons Attribution-ShareAlike 3.0 license ("CC BY-SA 3.0"); additional terms may apply (view authors). Mitondra ny lisansa CC BY-SA 4.0 ny votoatiny raha tsy misy zava-kafa ambara. Images, videos and audio are available under their respective licenses.
®Wikipedia is a registered trademark of the Wiki Foundation, Inc. Wiki Malagasy (DUHOCTRUNGQUOC.VN) is an independent company and has no affiliation with Wiki Foundation.