I Speyer dia tanàna ao Rheinland-Pfalz any Alemaina izay misy mponina 51.368 eo ho eo.
Speyer | ||
Velarantany | 42,71 km2 | |
Isam-ponina | 51 368 mponina | |
Tanànan-dehibe | NC | |
Ben'ny tanàna | Stefanie Seiler | |
Firenena | Alemaina | |
Faritany | NC | |
Faritra | NC |
Eo amin' ny morony ankavian' ny onin' i Rhin no misy an' i Speyer, 25 km atsimon' i Ludwigshafen sy Mannheim, ary 21 km atsimo-andrefan' i Heidelberg.
Tononina hoe [ˈʃpaɪ̯ɐ] izy amin' ny teny alamàna ary soratana hoe Speier tamin' ny tsipelina tranainy. Fantatra amin' ny anarana hoe Spire izy amin' ny teny frantsay, teo aloha amin' ny teny anglisy dia nantsoina hoe Spiers; fa amin' ny teny alemàna palatina kosa dia Schbaija.
Naorin' ny Rômana izy io, ary iray amin' ireo tanàna tranainy indrindra any Alemaina. Ny Katedralin' i Speyer, fiangonana maromaro hafa, ary ny Altpörtel (vavahady taloha) no manerinerina amin' ny tanin' i Speyer. Ao amin’ ny katedraly, eo ambanin’ ny alitara avo, no misy ny fasan’ ny emperora valo tao amin' ny Empira Masina Rômana Jermanika sy mpanjaka alemà maro.
Nalaza noho ny "Fanoherana tao Speyer" tamin' ny 1529 ilay tanàna (atao hoe Protestation zu Speyer amin' ny teny alemana, niavian' ny teny hoe prôtestanta, nanoheran' ny printsy dimy ny fandroahana an' i Martin Lotera). Iray amin' ny tanànan' ny ShUM (fanafohezana ny hoe Shpira sy Varmaisa ary Magentza, izay anarana hebreon' i Speyer sy i Worms ary i Mainz) i Speyer izay anisan' ny Lova Iraisam-pirenenan' ny UNESCO miaraka amin' ny Tokontanin' ny Jiosy.
Tanàna any Alemaina sy Eorôpa Atsinanana manan-tantara tamin' ny andron' i Martin Lotera:
I Wiki Commons dia manana aino aman-jery mikasika an'i : Speyer |
This article uses material from the Wikipedia Malagasy article Speyer, which is released under the Creative Commons Attribution-ShareAlike 3.0 license ("CC BY-SA 3.0"); additional terms may apply (view authors). Mitondra ny lisansa CC BY-SA 4.0 ny votoatiny raha tsy misy zava-kafa ambara. Images, videos and audio are available under their respective licenses.
®Wikipedia is a registered trademark of the Wiki Foundation, Inc. Wiki Malagasy (DUHOCTRUNGQUOC.VN) is an independent company and has no affiliation with Wiki Foundation.