Ny faritany dia, fari-piadidiana, fizaràna ara-pitantanana, fitambaran' ny tanàna na faritra maromaro ao anatin' ny firenena na fanjakana iray, mety manana ny fizakan-tenany ara-pitantanana sady voafaritra araka ny toetra ifandraisan' ireo tanàna sy faritra ireo, toy ny toetrandro, ny toekarena (fambolena, fiompiana, sns) sy ny maro hafa.
Io teny malagasy hoe faritany io no andikana ny teny frantsay hoe province. Ny teny hoe province dia avy amin' ny teny latina hoe provincia, izay foronin' ny tovona hoe pro- ("ho ana") sy ny fototeny hoe vincere ("mamatotra"). Misy ny milaza fa midika hoe "mandresy" ny teny latina hoe vincere. Ny "provincia" dia fizaràm-paritra tao amin' ny Repoblika Rômana, avy eo tao amin' ny Empira Rômana amin' ny tany any ivelan' i Italia.
Ao amin' ny fanjakana federaly fehezina araka ny federalisma, misy ny lamina ara-pitsarana an-toerana ao amin' ny federasiôna izay mizaka tena amin' ny lafiny lalàmpanorenana sady manana ny fiandrianan' ny antenimieram-paritany manokana araka ny fitsinjarana ny fahefana (ohatra: ny faritany any Kanada na ny fanjakana tsirairay any Etazonia).
Amin' ireo fanjakana mampiray tsy fehezin' ny federalisma dia ampiasaina koa ny teny hoe faritany mba hanondroana ny fizaràna ara-pitantanan-draharaham-panjakana tsy manana fizakan-tena manokana mitaha amin' ny fianjakana foibe (ohatra: ny faritany any Sina na faritany eto Madagasikara). Ity karazana faritany iray ity no tena betsaka maneran-tany.
Ny firenena sasany dia mety lazaina hoe fanjakana federaly nefa tsy manome ny governemanta isan-toerana ny anjara fahefana tokony ho azy araka ny lalàmpanorenana federalista, hany ka ny faritany ao amin' ireo firenena ireo dia toy ny fitsinjaram-paritra ho an' ny fitantanan-draharaham-panjakana. Federasiôna tsy misy federalisma izany.
This article uses material from the Wikipedia Malagasy article Faritany, which is released under the Creative Commons Attribution-ShareAlike 3.0 license ("CC BY-SA 3.0"); additional terms may apply (view authors). Mitondra ny lisansa CC BY-SA 4.0 ny votoatiny raha tsy misy zava-kafa ambara. Images, videos and audio are available under their respective licenses.
®Wikipedia is a registered trademark of the Wiki Foundation, Inc. Wiki Malagasy (DUHOCTRUNGQUOC.VN) is an independent company and has no affiliation with Wiki Foundation.