Katarisma

Ny katarisma dia hetsiketsika doalista ara-pivavahana kristiana nandritra ny Andro Antenatenany tao Eorôpa, indrindra tao amin' ny faritra atsimo any Frantsa.

Mino ny adin' ny Tsara sy ny Ratsy, izay fampianarana noraisiny tamin' ny manikeisma, ny katarisma; izany dia taratry ny fifangaroan' ny tontolo ara-panahy noforonin' Andriamanitra izay mifanohitra amin' ny tontolo ara-draha noforonin' i Satana. Tsy miankina loatra amin' ny teôlôjia ny katarisma satria aminy Andriamanitra dia tsy azo fantarina sady tsy azon-kevitra, ary tsy eto amin' izao tontolo izao. Amin' ny Katara dia miampitampita amin' ny alalan' ny fitaranahan' ny olombelona ny fanahy avy amin' ny olona volalohany, na avy amin' ny fifindran' izany aorian' ny fahafatesana ao amin' ny zaza vao teraka. Ny Fanahy Masina irery ihany no afaka manafaka ny fanahy amin' ny tontolo azo tsapain-tanana, ary amin' ny alalan' ny batisa sy ny fametrahan-tanana azo avy tamin' ireo Apôstôly ary nampitain' izy ireo no ahafan' ny fanahy hahazo ny Famonjena. Avy amin' ny fivoasany ny Testamenta Vaovao izany, indrindra ny Evanjelin' i Joany sy ny Evanjelin' i Lioka. Nandika ny Testamenta Vaovao amin' ny fiteny ôksitàna ny Katara tamin' ny taonjato faha-13 nefa tsy nankasitrahin' ny Fiangonana katôlika izany.

Tsy niantso ny tenany hoe Katara tsy akory ny mpomba ireo hetseketsika ireo, ka betsaka ny mpikaroka no mbola manontany raha tena nisy marina ireo hetsika ireo, na dia eken' ny rehetra fa nisy ny ady nataon' ny Fiangonana rômana amin' ny fampianaran-diso izay nifarana tamin' ny fandripahana ny Albigesy tamin' ny fiandohan' ny taonjato faha-13.

Avy amin' ny teny grika hoe καθαρός / katharós, izay midika hoe "madio" izany anarana izany. Io teny io dia nalain' ilay moanina (na monka) atao hoe Eckbert von Schönau tamin' ny taonjato faha-12 avy amin' ny soratr' i Agostino avy any Hipôna mba hanondroana ireo mpanaraka fampianaran-diso, ka lasa fantatry ny rehetra amin' ny teny frantsay noho ny fampiasana ny teny avy any Ôksitania tamin' ny taompolo 1960 ka nasolo ny hoe "fampianaran-diso albigesy" na "albigeisma" na "albigesy" izay nampiasaina kokoa hatreo.

Jereo koa

Tags:

Andriamanitra (tokana)Andro AntenatenanyApôstôly roa ambin' ny foloBatisaDoalisma (finoana)Eglizy katôlika rômaninaEorôpaFahafatesanaFametrahan-tananaFamonjenaFanahy MasinaFilazantsara araka an' i JoanyFilazantsara araka an' i LiokaFiteny ôksitanaFrantsaManikeismaRatsySatanaTestamenta VaovaoTsara

🔥 Trending searches on Wiki Malagasy:

Eglizy Katôlika Apôstôlika Rômanina (Madagasikara)BibilavaVazimbaAOsyKatesizin' ny Fiangonana KatôlikaFiteny nepaleyAlohotsyAdaoroFokom-pirenen' i AseraMarc RavalomananaFahafatesanaAterinetoZebraApôkalipsin' i JoanyLaharam-pehintanyAntemoroFifandraisan-davitraAngatra (aretina)Pôlitika eto MadagasikaraDemôkrasiaAdolf HitlerKaody baraVolanaPaskaAndriamaneloFiteny indônezianaFanjakana MitambatraMaritranoTetiandro litorjikan'ny Eglizy katôlikaTestamenta TalohaSøren KierkegaardFiteny malayLoka NobelSan FranciscoMpisolo manontanyMohamadyLahatra (finoana malagasy)Asa AkiraFanahy MasinaFiteny anglisyAlika1971Kalandrie GregorianaFanambadianaNekô IIMadagasikaraBootzheimFiteny kazàkaFilazantsara araka an' i MatioGuangdongJônà (mpaminany)Mosavy (finoana malagasy)Volahavana GermaineEorôpa AtsinananaJean-Joseph RabeariveloSatorinaHolger StanislawskiMaaniany (vahoaka)Afrika AfovoanyFiombonan' ny Fiangonana Kristiana eto MadagasikaraKalandrie sinoaNorwegian Missionary SocietyRepoblika Fahefatra (Madagasikara)ISO 3166-11974PakistànaSorona masinaBill Clinton🡆 More