Genova

I Genova dia tanàna italiana, renivohitr' i Liguria izay eo amoron' ny Ranomasin' i Liguria, eo amoron' ny Hoalan' i Genova indrindra.

Atao hoe Genova izy amin' ny teny italiana, Zêna amin' ny teny ligoriana, Genoa amin' ny teny anglisy ary Gênes amin' ny teny frantsay. Io no seranan-tsambo italiana lehibe indrindra ary iray amin' ireo seranana lehibe indrindra any amin' ny Ranomasina Mediterane. Tamin' ny taona 2017 i Genova no tanàna fahenina any Italia ary misy mponina 580 112 ary 846 363 ao anatin' ny faritry ny tangoro-tanàny. Ny fari-tanàn-dehibeny dia misy mponina 1 540 000 eo ho eo.

Genova
Genovia

I Genova dia renivohitry ny iray amin' ireo repoblika an-dranomasina natanjaka indrindra nandritra ny taonjato fito mahery, nanomboka tamin' ny taonjato faha-11 ka hatramin' ny taoa 1797. Indrindra fa tamin' ny taonjato faha-12 ka hatramin' ny faha-15 dia nitana anjara toerana lehibe teo amin' ny fifanakalozana ara-barotra tany Eorôpa ilay tanàna, ka lasa iray amin' ireo hery an-dranomasina lehibe indrindra tao amin' ilay kôntinenta ary heverina ho anisan' ny tanàna manankarena indrindra eran-tany. Nantsoin' i Francesco Petrarca hoe la Superba koa izy noho ny voninahiny teo amin' ny ranomasina sy ny mari-pamantarany manaitra. Ny tanàna dia iorenan' ny toeram-panamboarana sambo sy fandrendrehana tsỳ nanomboka tamin' ny taonjato faha-19, ary ny sehatra ara-bola matanjaka tao aminy dia nanomboka tamin' ny Andro Antenatenany. Ny Banco di San Giorgio, naorina tamin' ny 1407, no bankim-petra-bolam-panjakana tranainy indrindra eran-tany ary nanana anjara toerana lehibe tamin' ny fampandrosoana ara-toekarena ny tanàna nanomboka tamin' ny tapaky ny taonjato faha-15.

I Genova, miaraka amin' i Milano sy Turino, dia mamaritra ny "telolafy indostrialy", izay faritra be indostria indrindra any Italia. Foibe manan-danja amin' ny siansa, ny teknôlôjia, ny lamaody ary fanatanjahantena italiana ilay tanàna. Ny foibe ara-tantara, izay fantatra amin' ny anarana hoe Tanàna tranain' i Genova, dia iray amin' ireo lehibe indrindra sy be mponina indrindra any Eorôpa. Ny ampahany manan-danja amin' ilay foibe ara-tantara dia eo ambany fiarovan' ny UNESCO nanomboka tamin' ny taona 2006.

Ny tantara manankarena ara-kolontsainan' ilay tanàna amin' ny sehatry ny zavakanto, ny mozika ary ny nahandro dia nahatonga azy ho lasa Renivohitry ny kolontsaina eorôpeana tamin' ny taona 2004. Io no tanàna nahaterahan' i Guglielmo Embriaco, i Cristoforo Colombo, i Andrea Doria, i Niccolò Paganini, i Giuseppe Mazzini, i Renzo Piano ary i Grimaldo Canella, mpanorina ny Maison Grimaldi, ankoatry ny hafa.

Tags:

Fiteny anglisyFiteny frantsayFiteny ligorianaItaliaRanomasina Mediteranea

🔥 Trending searches on Wiki Malagasy:

ZavaboaryAostraliaMeivazyOlombelonaDidy FoloFiarahamonina2006AljeriaAratraFifohazana AnkaramalazaMain PageNjakatianaSanta-Vinsanta-sy-GrenadinaTsirinteny sara-droaDemôkrasiaFifohazana FarihimenaFampakaram-bady tao KanàFirenenaArama (faritra)KolontsainaModesto, KaliforniaFanavakavahanaPôlitika eto MadagasikaraTambajotraSoratraPaiso (voany)ÔseaniaFiteny tamilyAngatra (aretina)MasikoroMa Ying-jeouNQIT Madagascar Mineralsw97csJohn DaltonArabia SaoditaMadagasikaraFerenc AndrásLes PaulKanaana (faritra)\HabakokaZanabintanaBaiboly amin' ny teny malagasyFamonjenaVoahiranaTorkmenistànaHolatraRepoblikan' i Madagasikara (1992-2009)NôvambraSôlômônaOnitiana RealyAdizaozaMarovatoElliot ShevelTendryAntambahoakaFirenena MikambanaMerinaTsekiaMpampitohy (fitsipiteny)MaleziaAndrianaNikôtinina31 MartsaVictoire RasoamanarivoAsombolaFanekem-pinoana apôstôlikaZahaLisitry ny filohan' i Madagasikara🡆 More