Ny Aostralô-melaneziana, izay atao hoe Aostralôida na Aostralaziana na Aostralômelanezôida koa, dia vondrona vahoaka miparitaka sady maro samihafa any Azia sy any Ôseania, araka ny fanakilasiana araka antrôpôlojia tamin' ny taonjato faha-19 sy faha-20, ary araka etnôlôjia.
Isan' ny mamaritra ny toetr' izy ireo ny fomba fiainany ntaolontaolo sy ny volon-kodiny maloka (maintimainty hoditra), izay mampiavaka azy amin' ny mponina manodidina azy. Vahoaka samihafa izy ireo, na ara-batana izany, na ara-kolontsaina, nefa heverina fa miray fiaviana fahagola, avy amin' ireo andiam-pifidrà-monina voalohany tany Azia Atsimo sy tany Ôseania.
Anisan' ireo vahoaka voasokajy ho Aostralô-melaneziana ireo Veda any Srilanka, ny Negritô any Azia Atsimo-Atsinanana, ny Tompon-tanin' i Aostralia, ny Papoa any Ginea Vaovao ary ny Melaneziana any Melanezia. Indraindray koa dia ampidirina ao amin' io vondrona io ny Dravidiana ao amin' ny tapany atsimo amin' i India.
Ny Negritô dia vahoaka mainty hoditra monina ao amin' ny faritra ara-jeôgrafia telo ao Azia Atsimo-Atsinanana, dia ny faritra misy ireo nosy Andamàna, ny Saikanosin' i Malezia (ahitana an' i Malezia, i Tailandy ary i Mianmara na Birmania) ary i Filipina.
Ireto ireo vahoaka negritô: ny Andamaney tompo-tany (Andamaney-Lehibe, Jaraoà, Ônga, Sentinely) ao amin' ireo nosy Andamàna.
Ny Negritô ao amin' ny Saikanosin' i Malezia, isan' izany ny Semanga (isany ny Bateka), ny Senôy, ny Manika (na Many) ao amin' ny tapany atsimon' i Tailandy.
Ny Aeta (ao amin' ny nosy Luzon), ny Aty sy ny Tomandôka (ao amin' ny nosy Panay), ny Batàka, ny Agta ao Sierra Madre, ny Sambala, ny Mamanoà ao amin' ny nosy Mindanaô ary foko hafa miisa eo anelanelan' ny 25 sy 34 ao Filipina.
Ny Tompon-tanin' i Aostralia dia olona niaina tany Aostralia talohan' ny Eorôpeana.
Ny Melaneziana dia vahoaka monina indrindra amin' ireo vondro-nosy mitambatra ao amin' i Melanezia, ao avaratra sy avaratra-atsinanan' i Aostralia, sy mahafaoka an' i Papoazia-Ginea-Vaovao sy an' i Kaledônia-Vaovao ary an' ireo vondro-nosy Solomon sy Vanuatu ary Fidji.
Ny Papoa dia vahoaka tompon-tany ao Ginea Vaovao, sy ao Melanezia, izay mitsinjara amin' i Ginea-Vaovao Andrefana. Ny mponina ao Ginea Vaovao dia ahitana foko madinidinika maro dia maro, izay samy manana ny kolontsainy sy ny fiteniny ary ny toetra ara-batany avy. Isan' ny vahoaka melaneziana izy ireo.
Ny Dravidiana dia vahoaka tsy Ariana sy tsy Himalaiana any India, izay miteny dravidiana. Ny foko dravidiana maro anisa indrindra dia ny Telogo, ny Tamily (na Tamoly), ny Kanadiga ary ny Malaialy, izay mahatratra 30 hatramin' ny 70 tapitrisa isanisany. Misy koa ireo foko vitsy anisa izay mahatrara 1 hatramin' ny 5 tapitrisa isanisany any Pakistàna sy ao amin' ny faritra afovoan' i India.
Ny Veda dia vahoaka tompon-tany any Srilanka izay mifamatotra amin' ny Singaley amin' ny lafiny fiteny sy fivavahana.
Vahoaka maneran-tany
This article uses material from the Wikipedia Malagasy article Aostralô-melaneziana, which is released under the Creative Commons Attribution-ShareAlike 3.0 license ("CC BY-SA 3.0"); additional terms may apply (view authors). Mitondra ny lisansa CC BY-SA 4.0 ny votoatiny raha tsy misy zava-kafa ambara. Images, videos and audio are available under their respective licenses.
®Wikipedia is a registered trademark of the Wiki Foundation, Inc. Wiki Malagasy (DUHOCTRUNGQUOC.VN) is an independent company and has no affiliation with Wiki Foundation.