Antiôkôsy Iii Megasy

I Antiokosy III Megasy dia mpanjaka seleokida nanapaka an'i Siria tamin'ny taona 223 hatramin'ny 187 tal.

J.K. izay nandimby ny rahalahiny Seleokosy III.

Antiôkôsy Iii Megasy
Antiokosy III

Ny mpanjaka Seleokosy II no rain'i Antiokosy III. Teraka tamin'ny taona 242 tal. J.K. izy ary maty tamin'ny taona 187 tal. J.K.. I Laodike II no reniny ary i Laodike III no vadiny. Niteraka an'i Seleokosy IV, i Antiokosy IV, i Laodike IV (izay vady nifandimbiasan'ny anadahiny telo), i Kleopatra I (izay lasa mpanjakavavin'i Egipta taty aoriana) ary i Antiokisy III izy.

Lasa firenena nanompo azy i Partia sy i Baktriana ary niady amin'ny farao Ptolemeosy V izy. Azony i Palestina iray manontolo sy i Libàna tamin'ny taona 198 tal. J.K. Taty aoriana dia niady tamin'ny Romana izay nandresy azy tamin'ny taona 191 tal. J.K. tao Termopily sy tamin'ny taona 190 tal. J.K. tao Magnesia (na Manezia) izy. Lasan'ny Romana ny tany nofeheziny tao andrefan'i Taorosy sady nandoa hetra tamin'ny Romana izy. Namerina ny faritry ny fanjakana seleokida i Antiokosy III tamin'ny fiantombohan'ny fanapahany nefa nihena ny heriny tany atsinanan'ny Ranomasina Mediteranea.

Saika handroba ny herena ao amin'ny tempoly tao Elimaida (na Elimaisy) i Antiokosy III, mba handoavany onitra hono, nefa nikomy ny mponina tao amin'io tanàna io ka namono azy tahaka ny famono jiolahy tamin'ny taona 187 tal. J.K.. I Seleokosy IV no nandimby azy teo amin'ny fitondrana.

Jereo koa

Loharano sy fahamarihana

Tags:

SeleokidaSeleokosy III Sotera

🔥 Trending searches on Wiki Malagasy:

Fanambaràna Iraisam-Pirenena momba ny Zon' OlombelonaHartford, ConnecticutFanekem-pinoana apôstôlikaAndron'ny TanyIsaia (mpaminany)Mpampitohy (fitsipiteny)AlarobiaFilazantsara araka an' i MatioJôsia (mpanjakan' i Jodà)AdijadyFahaizana mamaky sy manoratraLondon Missionary Society1901Maaniany (vahoaka)Sôdôma sy GômôraFikambanana Iraisam-pirenena ny FrankôfôniaTongolo gasyMpisolo manondroKaody baraAfrika AndrefanaFanambaràna ny hevitry ny nofyLahatraPhoenix, ArizonaZafimaniryDemôkrasiaFanalana faditraFatranaTantaran' i EtazoniaFirenena MikambanaVy Vato SakelikaTanyFiteny espaniôlaAmbohimangaRadama IIAlakaraboLisitry ny filohan' i MadagasikaraMediaWikiSôdômaEuryceros prevostiiZebraSøren KierkegaardVoanihoFokom-pirenen' i EfraimaStridônaMpisolo toerana (fitsipiteny)MôralyKinshasaRSSHasinaPio VRafitra kôneksiônalyTsimihetyApôstôly roa ambin' ny foloFaritany eto MadagasikaraAhidamboKabarySatorinaFrantsaElefantaSakramenta ao amin' ny fiangonana katôlika28 MartsaFiteny pôlôneyDrônaBielôrosiaAkohoMadagasikaraAsorotanyFokom-pirenen' i LevyFanandroanaAbidy ara-drafipeo iraisam-pirenenaVyFanahy MasinaFiteny antandroy🡆 More