Uthman Ibn Affan

I Uthman ibn Affan na Othman ibn Affan, izay antsoina fotsiny amin' ny hoe Othman na Uthman na Osman, dia kalifa fahatelon' ny finoana silamo, izay nanapaka tamin' ny taona 644 hatramin' ny 656 nahafatesany.

Uthman ibn Affan
Uthman Ibn Affan
Ankapobeny
Anarana Uthman ibn Affan
Teraka taona 574
Maty 17 Jolay 656
Fiaviana sy ny andraikitra
Asa :
  • mpanao politika
Fiainana manokana

Ho an' ny ankamaroan' ny Sonita, i Othman dia iray amin' ireo "kalifa voatarika tsara" (arabo: الخلفاء الراشدون / al-Khulafāʾ al-Rāshidūn) efatra mpandimby ny mpaminany Mohamady, miaraka amin' i Abu Bakr, i Omar ary i Ali. Teraka tamin' ny taona 574 ary maty tamin' ny taona 656 izy.

Mpanara-dia an' i Mohamady

Teraka tao Meka na Maka (ao Arabia) ary anisan' ny foko kôraisita (izay fokon' ny mpaminany Mohamady koa) i Othman ibn Affan, vinantolahin' ny mpaminany ary iray amin' ny mpianany sy mpanara-dia azy voalohany. Taorian' ny nahafatesan' ny kalifa Omar, izay nisy namono tamin' ny Novambra 644, dia notendren' ny kômity mpifidy enina avy any Meka ho kalifa fahatelo i Othman izay efa antitra (59 na 60 taona).

Kalifa fahatelo

Na dia efa antitra aza i Othman dia manohy ny pôlitikam-panitaran-tany izay nataon' ny kalifa teo alohany. Na izany aza dia namelona ny fankahalan' ny olom-peheziny maromaro izy, izay nanome tsiny azy noho ny fanomezany laka ny olon' ny saranga ambony tao Meka (indrindra ny an' ny Omeiada fianakaviany) teo amin' ny raharaha pôlitika sy ny raharaham-barotra. I Othman koa dia namelona ny fankahalan' ny mpitoriteny mozilmana tamin' ny famaranany ny fanoratana ny fanambaràn' Andriamanitra azon' i Mohamady (ny Kor'any), ka nandrara ny fandrafetana sy fanoratana ny Kor'any amin' ny fomba samihafa izay samy an-dalam-pivoarana tamin' ny androny.

Nanao fahirano an' i Othman tao Medina ny miaramila mozilmana mpikomy avy any Kufa (Iràka ankehitriny) sy avy any Ejipta, ary namono azy tamin' ny volana Jona 656. Notendrena ho kalifa fahefatra noho izany i Ali.

Ny fiainany manokana

I Affan ibn Abi al-'As no rainy.

Ny vadiny dia i Ruqayyah bint Muhammad, sy i Umm Kulthum bint Muhammad, ary i Na'ila bint al-Farafisa.

Ny zanany dia i Aban bin Uthman bin Affan ary i Amr ibn Uthman.

Jereo koa

Rohy ivelany

  • Ao amin'i Freebase: [1]
Uthman Ibn Affan 
Mbola ambangovangony ity lahatsoratra ity ary tokony hofenoina.

Azonao atao ny mandray anjara eto amin'ny Wikipedia amin'ny alàlan'ny fanitarana azy.
Jereo koa ny pejy Ahoana ny manao takelaka rehefa te-hijery hoe ahoana no fanaovana azy.

Tags:

Uthman Ibn Affan Mpanara-dia an i MohamadyUthman Ibn Affan Kalifa fahateloUthman Ibn Affan Ny fiainany manokanaUthman Ibn Affan Jereo koaUthman Ibn AffanAbu BakrAli ibn Abi TalibFiteny araboKalifaMohamadyOmar ibn al-KhattâbSilamoSonisma

🔥 Trending searches on Wiki Malagasy:

FahagaganaFahaizana mamaky sy manoratraFiteny ingrianaJainismaRepoblikan' i KôngôRepoblika MalagasyFahavaratraTetiandro gregôrianaVondrona EorôpeanaFanahy MasinaEpifaniaLisitry ny filohan' i Madagasikara1700BrezilaFilôzôfiaZanahary (finoan-drazana malagasy)PattaniFivarotana andevoSihanakaMasikoroAostraliaMôralyVoanihoAndry RajoelinaStridônaSatorinaFilazantsara araka an' i MatioGregôrio IXEmperora CixiNekao IIAnjara asa (fitsipiteny)Raki-pahalalanaFiompianaFiteny espaniôlaFifohazana (kristianisma malagasy)Faritanin' AntananarivoPentekôstaPaoly (apôstôly)MayotteHiram-pirenenaSonismaParisyPôlitika eto MadagasikaraAlahasatyMpampiankina fehezankevitraAlakaraboLalàmpanorenan' i MadagasikaraFiarahamoninaSinaJesoa araka ny kristianismaFitampoha1997Toekaren' i MadagasikaraBlaogyFifandimbiasana apôstôlikaPio VGeorge PeppardSan FranciscoAndrianampoinimerinaAbidy Ara-drafipeo Iraisam-pirenenaBibilavaSilamoKalandrie sinoaSamboAmbrôsio avy any MilanoForyJônà (mpaminany)PeteraToetanin-jana-pehin-tanyThomas LamMicrosoft WindowsKuroisoVezo🡆 More